Ireo mpandà ny famoronana

1. Nehemiah ( 15/01/2013 15:16)
Efa tonga tao an-tsainao ve izany hoe inona no karazana porofo haharesy lahatra ny mpandà an'Andriamanitra fa nohariana izao tontolo izao. Nanome valiny mahavaky vava i Scott Todd, miasa @ Canada State University: "Even if all the data pointed to an intelligent designer, such an hypothesis is excluded from science because it is not naturalistic." (Na dia manondro mpahary lalin-tsaina daholo ny données rehetra, tsy azo ampidirina anaty siantsa mihitsy izany petra-kevitra izany satria tsy naturaliste, izany hoe tsy manaraka ny fotopisainana manazava ny zavatra rehetra @ alalan'ny fizotra natoraly hitantsika maso @'izao ankehitriny izao). Izay valiny am-pahatsoram-po izay dia manaporofo antsika fa tsipahin'ny sasany ny petrakevitry ny fisian'i Zanahary, na betsaka toy inona aza ny porofo.
Kanefa efa ela dia ela no ampahan'ny siantsa ny fahaizana mamantatra mpamorona.
Ohatra iray : ny arkeolojia na haifahagola. Rehefa mahita potipoti-bilia tany ny arkeologa (mpahaifahagola) dia inona no hevitra tsoahiny ? Nisy namorona ny vilia niavian'ity potipotika ity.

Tahak'izay koa ny asan'ny mpitsongodiam-polisy : mitady zava-misy izay manaporofo fa tsy tongatonga ho azy ny nahafatesan'ny olona iray, izany hoe mitady porofo fa nisy olona manan-tsaina izay tena namono an'ilay olona iray.
Nefa rehefa manondro an'Andriananahary ny zava-misy @ siantsa dia e-e-e ! Henoy izany ry hazon-damosina !
novalian'i Nehemiah ny 14/03/2013 06:24
2. Miharena ( 12/03/2013 00:54)
Ary mba fantatrao ve fa ny Silamo no nilazana fa avy any Sirius Allah sy ny namany namorona izao rehetra izao? Dia rehefa mijery ny rohy momba ny Sirius ianao dia hahitra fa karazana masoandro izy io ary mazava be kokoa noho ny masoandrontsika.

Rehefa nentin"i Jesosy tany ambony tany ny namana Malagasy mitantara ankehitriny dia rehefa niakatra dia nahita fa etsy ambany etsy ny masoandro, lasa menamena fa tsy mazava be noho ny toerana nalehany akory.

Misy fahamarinana ny hiran'ny protestanta milaza hoe : Ry Jeso Masoandronay! Ary koa ny antony nivavahan'ny olona taloha tamin'ny masoandro nahatogna ny Sunday fiderana an'Andriamanitra ankehitriny. Fantany fa masoandro no itoeran'ny Mpamorona izao tontolo izao ary any koa no mody ny fanahy rehetra noforonina ho ety ambonin'ny tany.
3. Nehemiah ( 12/03/2013 06:36)
Tsy nataoko hampidirana angano tsy fantampantatra avy aiza ity lohahevitra ity an !
4. Miharena ( 12/03/2013 17:16)
Tsy angano ireo namana a! mamaly ilay famoronana tianao hovoizina fa amin'ny fomba fijery nomena ny hafa io resahana io ary mety manakaiky kokoa ny marina momba ny zavamisy amin'izao fotoana izao, izay itadiavana hatrany fanazavàna mahitsy kokoa hatrany.

Fikarohana nataon'ny tenanay io ary tsy lavitra fa azo rantovina amin'ny soratra rehetra misy maneran-tany momba ny fanazavàna ny fiandohan'ny fombam-pivavahana isan-karazany.

Tsy evolutionisme izany no resahana eto fa ny conception sy réalisation mihitsy ny zava-misy miaraka amin'ny mpamorona azy.

Ny olana manko dia heverina fa angano hatrany rehefa tsy mifanandrify izay efa masahanao ao anaty lohanao ao, fa tsy mijery izay éventualité azo avy amin'ny fanambaran'ny hafa.
5. Nehemiah ( 13/03/2013 12:40)
Ny olana dia kevokevoka ery ianao mandray "fanambaràna" avy ivelan'ny tenin'Andriamanitra nefa ny fanambaran'ny tenin'Andriamanitra misy ahilikao.
6. Miharena ( 13/03/2013 15:34)
Tsy fahakevohana mihitsy namana no hanambaràna zavatra iray fa mila mijery izay banga koa isika, indrindra fa nomena saina mandinika ary mahita fa misy mandringa ny finoan'ny namana toa anao ohatra. Izaho manokana dia mamporisika mihitsy aza hoe vakio daholo ny an'ny hafa dia ho hitanao kokoa ny marina rehetra toy izay hilaza zavatra tsy mahafapo ny namana heverinao fa tsy mitovy finoana aminao. Rehefa mihaona avokoa ny finoana no azo antoka fa azo ny fahamarinan'Andriamanitra, ny ankoatr'izay dia zavatra mandringa avokoa.
7. Nehemiah ( 14/03/2013 06:24)
Vao mainka mampandringa ny finoana ny hevitra arosonao (Ep. 4:14)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2483