Fanontaniana mikasika ny tranonkala malagasy

1. Tibao ( 31/05/2012 16:29)
Ary fa maninona kay ny ankamaroan'ny tranonkala malagasy izay hita toa amin'ny teny frantsay daholo ??? Tsy natao ho an'ny malagasy ve hono izy ireo ?
novalian'i dadabe ny 17/06/2012 09:24
2. hery ( 01/06/2012 06:53)
Marina mihitsy io lazainao io. Vitsy ny tranonkala tena miteny malagasy. Angamba ny serasera.org ihany no tena tranonkala vaventy miteny malagasy.

Ny antony nefa dia tsotra ihany. Tsy mampidi-bola ny tranonkala miteny malagasy, kanefa lafo ny mikarakara tranonkala tahaka itony, raha tsy hoe tranonkala manokana.

Ny olona mamangy tranonkala miteny malagasy ranoray mantsy dia tsy maintsy olona miteny malagasy. Heverin'ny mpanao dokambarotra hoe vitsy noho izany ny olona mijery azy dia tsy marisika hanao dokam-barotra izy. Hadisoan-kevitra ihany anefa izany satria betsaka tokoa ny mijery tranonkala malagasy.

Koa raha olona hitady vola izany no manao tranonkala dia ataony amin'ny teny hafa izay tian'ny mpanome vola ilay izy fa tsy ataony teny gasy mihitsy.

Koa tohano hatrany ny takelaka miteny malagasy mba tsy ho faty ho azy e .
3. Tibao ( 01/06/2012 13:35)
Misaotra an'i Hery ho an'ilay fanazavana.

Marina fa mahay teny frantsay daholo ireo malagasy mampiasa solosaina ary aterineto ; ka raha ny tena azoko izany dia frantsay ireo tena mpanome vola ? Sa izay ihany no fiteny tena hain'ny mpanamboatra takelaka ?
4. mirananirina ( 02/06/2012 16:01)
Marina izany,misy site Malagasy ireny dia teny vazaha daholo ny ao,grrrrrrrr,dia hita mht fa tsy natao hoan'ny Malagasy angamba
5. gasyjean ( 03/06/2012 17:52)
6. Tibao ( 06/06/2012 22:47)
ao koa wikipedia, na dia tsy mahatoraka ny an'ny frantsay aza.
7. sitlo ( 10/06/2012 20:51)
hahaha, tapaka mihitsy ny tsinaiko tamin'ny mianatra.com

[IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Rires/haha-rire-395.gif[/IMG][IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Rires/haha-rire-395.gif[/IMG][IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Rires/haha-rire-395.gif[/IMG][IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Rires/haha-rire-395.gif[/IMG]

Indrindra fa ilay hoe:
[IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Rires/srigole.gif[/IMG] Sokafana ny menu jeneraly.

Masaka eh! tohizo fa mahafinaritra
8. dadabe ( 17/06/2012 09:24)
sady teny gasy no teny anglisy no teny frantsay humm mianatra.com marina kle
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1785