t@ herinandro lasa teo, nisy mpiray tanàna narary mafy,nolazain'ny fianakaviany fa mosavy no nahazo azy,nivonto ny tenany iray manontolo, ary tsy afaka mihetsika ny ratsam-batany no sady maheno fangirifiriana izy.Efa netin'ny havany tany @ dokotera izy io kanefa tsy nahita na inona na inona fototr'ilay aretina ilay mpitsabo fa dia nalefa nody maina fotsiny.
Nifandimby nanao fotoam-pivavahana tao an-tokatranon'ity namana ity ny karazam-pvavahana izay nisy teo an-tanana,hatramin'ny mpiandry sns, tsy nisy fahatsarany ilay marary.Tapak'evitra ny havany fa hitsabo azy @ fomba malagasy ,ilay mankany @ mpikiky, na ombiasy, na mpisikidy izay azo ilazana azy mety daholo,ka eny Ambohitrimanjaka eny hono izany olona malaza ho mahay izany. Fa nialohan'izay anefa dia tany an-trano ny Renin'ilay marary nangataka toro-hevitra, dia lasa aho namonjy tany, vao hitako ny toe-batany dia hoy aho mantsy azy mianakavy : tsy maintsy ho entinareo any @ dokotera io zao dia izao fa tsy mety izany miandry fotsiny eto zany?sady nolazaiko azy ireo ny anaran'ilay dokotera tokony ho aleha.Nanohitra avy hatrany ny mpiray tampo sy ny reniny hoe, tsy miaraka ny fitsaboana gasy sy ny dokotera fa mosavy io fa tsy aretina tsotra.
Naheno an'izay ilay marary dia nidrikina ka nanao t@ ireo havany hoe : tena marary mafy aho fa aleo handeha hijery an'izany dokotera izany.
Fihetsika tsy faly amiko no nasehon'ny fianakaviany ,ary misy miteny mintsy aza hoe any @ gasy io no tokony ho entina fa tsy any @ dokotera izany ka raha manino-maninona io havanay io dia tsy miala aminao izahay.
Nahafinaritra anefa fa vao avy tany @ dokotera dia nahitana fiovana ny fahasalamany ary efa sitrana tanteraka izy izao.Marihina fa ny fianakaviany dia anisan'ny mafàna fo @ fivavahana @ fiangonan-dehibe iray eny an-tanàna eny.
Mipetraka ny adi-hevitra hoe, rehefa amin'ny fotoana toy inona, na amin'ny tranga manao ahoana no andehanan'ireo milaza ho Kristiana manatona an'ireny mpanandro,na mpanao ody, na dadarabe ,na ombiasy na mpisikidy ireny ????
Midika ve izany fa @ tranga toy io aretina io ohatra dia tsy vitan'Andriamanitra intsony ny miditra an-tsehatra ka aleo miova taranja hafa mihitsy ???
tsy afaka miaraka aloha ny fivavahana kristiana sy ny ody gasy araka ny fiheverako azy. Ny tsy fantatra koa de nanao ahoana ny fahitan'ny fianakaviana anao rehefa sitrana ilay marary, fa ny zava-dehibe dia ny fahasalaman'ilay marary nahavonjy olona iray ianao na dia tsy mivantana aza
amiko manokana de tsary hoe tsy afaka miaraka loatra no filaza azy fa hoe arakarak\'olona sy ny ao anaty sainy ao aby no mibaiko azy io! matoa le raha misy sy mbola avelan\'Atra hisy eo anivon\'ny fiaraha monina , dia mazava ho azy fa natao hiaraka, sy hiainana sy hanantanterahana ilay fifamenoana (cycle) sy karazana tandra vadi-koditra, na mifanipaka aza! raha tsary tiany le izy de nofoanany tsotra izao!
Misy fitenina mompera italianina 1 izay manao hoe \"rehefa tsy mahafaty de mankatavy(mahasoa)\"
mampatsiaro ahy ilayu hoe aloavy @ kaisara izay an\'i kaisara ity resaka ity\" na le hoe \"raha latsaka anaty lavaka @ andro sabata ny ombinareo\"
... tsy hoe \"mpanompon\'Atra akory de hoe...
Ny tokony hatao sy hitako tsaratsara atao angaha amiko dia ny mamakafaka lalina aloha ny tena hoe \"ody gasy \" aminy alohan\'ny hitsaratsarana fahatany hoe \"herin\'ny maizina\" e..\"devoly e\" \"tsy miaraka e\"
Amiko manokana rehefa misy olana ka tsy mahita vahaolana ny olona dia mitady izay rehetra azo isarangotana , mpiandry, mpanao ody gasy, Dokotera ... sns Mila olona lucide manodidina azy eo mba hanazava ny sainy fa efa mi panique loatra izy
ze tsy mampiharo kosa mandainga na ireo miseho azy ho fanatika aza e...
iza no tsy mampiasa 'fanafody hafa" rehefa 'aina ity hoy rainimanonja"?
Fa zany heo le izy mikikikiky sy hafahafa fotsiny @ le gasy de hoe "herin'ny maizina"
fa firifiry moa ny fanafody tsy mbola hay akory ny hoe inona no tena mahasitrana aminy fa hoy ny vazaha hoe mahasitrana hono de .. petahan'ny "mpino"?
fa rehefa inona no olana de rehefa inona no tsy olana? taoko samby zava boahary aby ro ampiasaina sy "kikisana" na ravinkazo na taolana na natao synthese chimique tany @ labo pharmacet'ika
Eo indrindra isika izao .Na dia misy akony eo noho eo aza ny fitsaboana @ alalan\' ny nano-medicinal , dia tsy azo hadino koa fa nisy apport nentin\' ireo fomba samy hafa avy @ lafy valon\' izao tontolo izao ny atao hoe medicine universelle ,tsy hitako ny tsy maha- mari-pototra ny fanaovana accunpucture , na fanaovana yoga , na taichi , na do in , na ny art martiaux , na ny sisa izay hita fa nitondra soa ho an\' ny olombelona hatramin\' izay .Izaho tsy mino famosaviana arbitraire izany , raha tsy hoe mpifahavalo politika angaha.Ary mino koa fa tsy maintsy misy ny fikasohana ara-batana vao mandaitra ireny famosaviana ireny , tsy mino koa fa asan-dry dadarabe sy ry mpimasy isany ny mitondra vahaolana @ izany , fa kosa raha hoe nibontsina ny tenan\' ilay olona dia sûr fa nisy réaction chimique niseho tao @ tenany nahatonga ilay cas .Betsaka ny zavamaniry manome fiovana goavana vety² eo @ tenan\' ny olombelona , (tangena ,fonoka ,orchidé ,mandragore ,pavots, ... )
ary be koa ny produits chimiques mahatonga fahasamponana tsy voafehy rehefa tratran\' ilay fitelemana tsy fidiny ny asa tanana vitan\' ny olombelona !
Andriamanitra, tompoko, dia tsy manampy izay tsy manampy ny tenany. Raha tsy tsaboina no sitrakao dia avelany ho faty eo ianao. Fa raha ny ho sitrana no tianao dia atoriny anao ny lalana tokony alehanao, ninoninona izany lalana izany.
Ninoninona anefa ataonao dia tsy ho sitrana ianao raha efa tonga ny fotoana iantsoany anao ka ialanao teto an-tany.
nga ianao no niteny an"io raha tsy andriamby (ary nolazaiko hoe izy no niteny an'io)... mba mamakia tsara hoa fa aza mitsimpona fotsiny.. na au moins maso hafa ampiasaina!