Neny.Mahita ny ao am-po tsy miloaka!

1. niryna ( 09/02/2007 08:42)
Efa naheno ity olona atao hoe "neny" ity ve ianareo?
Vahoaka sesehena no tonga nanantona tao aminy.Milaza ny olona fa raha very zavatra dia mahita izy.Toerana kely tsy dia lavitry ny A/rivo avaratra any hono no nisy azy.Misy tendronbohitra milemaka ary dia nanao lasy tany ny olona natory mihitsy ary nisy nijanona andro maromaro.Nanasitrana, nahita fahitana, nahita zavatra very,nahita vady hono sns .Toa fivavahana no ankambany an'ireo rehetra ireo ary izany hoy aho angamba no nahatonga ny olona nitomandavana nakao aminy.
Mitombona ve io zavatra io ary herin'ny inona no fiheveranareo azy?
novalian'i niryna ny 23/02/2007 02:10
2. Fiffi ( 09/02/2007 09:16)
hono....
3. xxx ( 09/02/2007 09:22)
Tena grave tokoa , fa tena nahita maso aho e, sendra nisy namanay very izay , nefa tsy hoe tena very le ankizivavy fa tsy no hita nandritra ny volana iray manontolo , satria nentin' le sipany nadositra dia tany amin' io ra Neny io no nahafantarana azy hoe Tany Ambatolampy izy am-tsam ..
Izy aloha mahita raha zavatra very no anonataniana azy ao ...

Nisy koa vadin'olona tany Ambohimirary tany ,nisy nisandoka tao Analakely fa hoe nangalatra hono le adala , de tonga de noraofin' ny Police ary any Antanimora no nivantana , nitady azy ny vadiny nandritra ny herin'andro fa tany amin'io ra Neny io no nahalalana fa hay any Antanimora lery no nifatratra
4. Achia ( 09/02/2007 09:58)
Tsy dia mahagaga loatra indray aloha izany satria efa t@ andron'ny zanak'Israely no efa nisy ny mpahita sy ny mpanao hatsarana e! ary fady @ olona mivavaka @ ATRY ny Israely no manantona an'ireny
5. lebatoto ( 09/02/2007 09:59)
fa i raneny ao ambatolampy ve izany?
raha izy dia efa tao @ aho.
6. xxx ( 09/02/2007 11:32)
ka ianao io mpinompino foana sa mpivavaka fa mahagaga:roll::roll::roll: sady mitory teny no mila mpijery zavatra hafa?
7. Fiffi ( 09/02/2007 15:47)
mahagaga mihintsy zany an ! raha olona mpivavaka ve de andeha hanantona an'zany ? :roll::roll:
8. niryna ( 10/02/2007 07:00)
lebatoto:

fa i raneny ao ambatolampy ve izany?
raha izy dia efa tao @ aho.

Misy neny iray indray izany any ambatolampy ka tantarao hoe ny zavatra nitranga tany

9. niryna ( 10/02/2007 07:09)
xxx:

ka ianao io mpinompino foana sa mpivavaka fa mahagaga:roll::roll::roll: sady mitory teny no mila mpijery zavatra hafa?

Fa maninona no miafina ao amin'ny xxx ao foana ianao e.Maro ny olona hitsangana hiteny hoe tompoko ,tompoko, raha asiany mankany ianao dia aza mandeha.Fiainana io ry xxx ary ny fahafantaran'ny namana ny nalehan'ny hafa dia hanampy azy ny zava-misy fa misy olona miankohoka na mitady andriamani-kafa.Tsy hitori-teny fe hitori-teny fotsiny ianao fa mba manome ny olona ny realite.Misaotra
Io ilay teny im-betsaka.Efa imbetsaka ianao no nanao an'io ary na tsy fantatro aza efa misy irika kely hitako ato ny aminao na dia xxx foana aza no ataonao anaranao,tsy sahy mijoro manonona anarana.Mahery ny herin'ny maizina ka aza manaiky ny ampiasainy handrava ny herin'Atra satria mitsiky kely aminao fotsiny izy.Ianao mihevitra hoe tsy misy mahalala,
Atra no mahalala anao ra-xx a8-)8-):roll::roll:
10. Fiffi ( 10/02/2007 08:10)
ka raha mpino sy kristiana sy mpivavaka sns...kosa ve de hanao an'zany sy mino an'zany ?? :roll: mitovy hevitra @ xxx hiany aloha zah raha ny fiainan'ny kristiana no jerena an !
11. adidy ( 11/02/2007 04:43)
Za dia mino!
Nefa misy koa olona manana talenta manokana(don) ary azo lazaina hoe nomen'Atra fahalalana manokana! Ary raha izay heno no dinihana dia ampiasainy hanampiana ny hafa sy hanaovana soa ilay zavatra! Raha mbola mitory fivavahana koa izy fa tsy zavatra hafa dia tsy hitako izay olana!
Misy olona toa ireny aty ivelany miara-miasa @ polisy mihintsy eo @ fitadiavana ny marina!
Dia hanao valalan'amboa ve isika e?
12. niryna ( 11/02/2007 08:26)
Fiffi:

ka raha mpino sy kristiana sy mpivavaka sns...kosa ve de hanao an'zany sy mino an'zany ?? :roll: mitovy hevitra @ xxx hiany aloha zah raha ny fiainan'ny kristiana no jerena an !

Tsy afaka hitsara olona izaho na ny hafa fa firy ny milaza azy ho mpivavaka kanefa tsy manaraka ny tokony alehany? Ireo olona milaza ny marina ireo,mety hiova hevitra ary hanaradia an'i kristy.Tsy tokony mody hodiantsika tsy misy ny zava-misy

13. niryna ( 11/02/2007 08:30)
adidy:

Za dia mino!
Nefa misy koa olona manana talenta manokana(don) ary azo lazaina hoe nomen'Atra fahalalana manokana! Ary raha izay heno no dinihana dia ampiasainy hanampiana ny hafa sy hanaovana soa ilay zavatra! Raha mbola mitory fivavahana koa izy fa tsy zavatra hafa dia tsy hitako izay olana!
Misy olona toa ireny aty ivelany miara-miasa @ polisy mihintsy eo @ fitadiavana ny marina!
Dia hanao valalan'amboa ve isika e?

Izay mihitsy ry adidy,Ny sasany dia mody tsy mahalala ny zava-misy fa dia manafi-keloka fotsiny.Rehefa mibaboka izy mbola tsy tara,tsy misy mahalala izay ampitso.Izany no mahatonga azy mba te-handray anjara eto.Ny hitako eto dia izay zavatra resahina dia heverin'ny olona fa ny mpilaza size foana no voan'iny.Mila mianatra ny mizara fa tsy hoe ny izaho izaho ,izaho foana.Aiza ilay fitiavana,tiava ny tenanao ,ny A/trao ary ny namana.Ireo tsy tokony hisaraka.

14. niryna ( 11/02/2007 08:36)
Ohatra hoe olona nomen'Atra fahaizan manotra izy,tsy mila vola fa asin-tanana dia avy amin'ny devoly izany iny?Ny zava-misy hiainana no tokony hitondrana ny fivavahana fa tsy ny fanatsikerana be tafahoatra.Aiza moa ny olona no tsy hiverin-dalana fa misy hono no tsy mahazaka izay fomba famalian'ny sasany ato ka tsy te-aharary fo.Dia aiza ny fampielezana baiboly sy ny fijoroana vavolombelona?
15. xxx ( 11/02/2007 10:47)
Ka ny mahita ny fahadedahanao mihintsy no mampihemotra ahy aloha raha ny marina e!
16. niryna ( 12/02/2007 05:23)
xxx:

Ka ny mahita ny fahadedahanao mihintsy no mampihemotra ahy aloha raha ny marina e!

=))=))=))=))
Raha tia manao basikety ianao dia hijery sy hanaraka an'iny foana,mamaky boky toy izany koa.Koa satria tsy tianao ny mijery hiragasy dia tsy ho any mihitsy ianao.Ny fomba hanehoana ny olona hidedaka dia tsy avy aminao mihitsy fa izay ao ambadikao no manoro anao an'io.:evil::evil::evil::evil:
I(l)you xxx but too bad for you.Satria tsy izaho manome tenin'Atra no enjehinao fa Jesosy mihitsy.8-)8-)
17. xxx ( 12/02/2007 16:59)
zah tsy tia manao basikety fa volley no tiako ary diso ianao mitady ady @ olona tsy miady aminao! Tsy Jesoa no tsy tiako, tiako izy fa ianao . Tsy lmiady @ fanahy aho eto fa ianao ary tsy fantatrao hoe: iza aho hi!hi!hi! Dedaka ary tsy mahatsiaro diso toy ny nolazainao tao @ fivavahana sy finoana fa be taim-bava any @ olona hafa ary!
Hoe: mpiandry e! izao e!Dia be zesta mametraka an'itsy sy eroa! Nefa manompo devoly @ otra sy ny zavatra hafa! Any ivohoko!Dia be fanontaniana nefa te hanoro ny hafa! Rehafa te hitory dia mi_la mahay zavatra be dia be fa tsy be fanontaniana toa anao!
Ny ozona hataonao dia hiverina aminao!
Aza i Jesoa no halam-baraka! Fa tsy ianao no hihevitra ho Jesoa akory na henjehina nono i Jesoa fa miheritrereta aloha fa hiverina aminao ireo!
18. xxx ( 12/02/2007 19:21)
i niryna angaha i Marie?
19. rush ( 12/02/2007 19:30)
fa i niryna nga miheritreritra hoe Jesoa ? dia izaho zany no Saoly hivadika ho Paoly
20. lamie ( 13/02/2007 20:05)
ary niryna tena miseho ho tena mahalala zvtr io ve hatraiza ny finoany an'Andriamanitra?ny zvtr rehetra dia avy aminy ,asio finoana bebe kokoa dia tsy hinohino foana e!misy tokoa ny mahay manotra , zà koa mahay ary ny manodidina anay dia manatona ahy rehefa misy foloka, zà nomen'Andriamanitra hery sy fahaizana hanotra, ahita ny ozatra rehetra fa tsy @ ilay inoanareo!nomen'Andriamanitra hery hitovy tanteraka @ tsara ny ratsy, mitovy izy ireo FA IZAY MAHATANA NY FINOANY NO VOAVOTRA
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1127