toroy hevitra fa mikasa hamoaka boky ô!

1. Tokinao ( 28/01/2007 22:19)
Mikasa ny hamoaka boky izaho sy ny mpiara-miasa amiko iray, ary efa eo an-dàlana ny fanatontosàna ny votoatin'io boky io. Vao sambany aminay anefa izany hamoaka boky izany ka betsaka ny zavatra mba saika anontaniako anareo :

1°- Any Madagasikara ve sa ny eto Frantsa no tsara anontàna ilay boky. Mba afaka manoro "maison d'édition" tsy dia lafo loatra ve 'nareo ( mba lazao ny sarany sy ny tolotra [services] raha misy mahalala ). Ianareo miasa amin'izany de afaka manao publicité ankolake eto ;) ka ... araraoty ;) .

2°- "institution" inona kay no tokony hatoniko mba ahafahanay manana zo-n'ny mpamorona. ( raha ao Mkara dia inona, raha eto Frantsa dia inona ). Ary aiza no tsaratsara anaovana azy io : Mkara sa Frantsa ?

Misaotra mialoha antsika rehetra tompoko ô :)
2. kitjo ( 29/01/2007 02:12)
wow
mitehaka sahady za...
efa azo ampahafantarina sahady ve hoe ahoana ny momba ilay bok..tsy ny ao anatiny akory no tantaraina fa ny mombamomba fts...

ao dago aloha misimsy ihany fa ny sarany dia tena tsy haiko ka aleo tsy miteniteny foana.

mahavitA be e!
3. cutie ( 29/01/2007 02:24)
mikasika an'in alou le boky :lol:
4. cutie ( 29/01/2007 02:25)
hihihii
ary za tsy namaky ny nosoratan'i kitjo, hay efa ao ny fanontaniako :-D
5. jentilisa ( 29/01/2007 10:35)
Tokinao indray ve no hahatafavaoka alohako?
Ilay izy dia izao: miankina be dia be amin'ny olona kendrene hamaky ny boky havoaka. Raha vahiny no kendrena ary amin'ny teny vahiny sady any ivelany no apariaka ny boky dia aleo any frantsa ihany no manonta azy.

Raha Malagasy kosa no kendrena sady amin'ny teny malagasy indrindra indrindra dia aleo eto Madagasikara ihany no mamoaka azy. Raha mikajy ny endriky ny boky dia izay mpanonta boky tsy mitsitsy no iresahana. Rehefa mijery ny boky dia mila dinihinia tsara ny endriny ivelany sy anatiny. Ny fitsitsiana be loatra manko mety hanimba ny endriky ny boky ka ndrao tsy manintona ny hamaky azy.

Raha any Frantsa ho hanontanareo azy dia miomana fa ho lafo dia lafo ami'nny malagasy ny vidiny. Koa miankina be dia be amin'ny olona kendrena aloha ny vailim-panontaniana fa tsy voatery ho valiana avy hatrany.
6. kitjo ( 29/01/2007 17:24)
cutie> hihihi..oh zay foana refa maika k!

aiza ary Tokinao? zay mba te hahalala..

jentilisa> ny anao ko zany efa an-dalana? tsy manin fa manaova fifaninana masina ianareo fa soa ho anay ihany zany
7. Tokinao ( 29/01/2007 19:24)
jentilisa:

Raha vahiny no kendrena ary amin'ny teny vahiny sady any ivelany no aparitaka ny boky dia aleo any frantsa ihany no manonta azy. Raha Malagasy kosa no kendrena sady amin'ny teny malagasy indrindra indrindra dia aleo eto Madagasikara ihany no mamoaka azy.

Misaotra fa tena mazava tsara io jentilisa a :) ! ilay izy dia boky @ teny vahiny, ary karazandrazan'ny fampahafantarana ny kolo-tsaina malagasy. Izany hoe natao mba ho vakian'ny vahiny.

Ny fanontaniana mbola apetrako amin'ny namana ary dia ilay faharoa: ahoana kay ny momba ny "enregistrement"-n'ny zon'ny mpamorona. Sendra mba misy mahalala birao fanaovana azy io ianareo : na eto frantsa izany na any Mkara. Ary sendra mba misy afaka milazalaza andinindininy momba an'io.

kitjo , cutie : msaotra @ fankaherezana e! haseho anareo ihany le boky raha tahiny ka tontosa. Fa izao aloha dia mbola tsy afaka milaza betsaka momba azy aho, ankoatr'io noteneniko etsy ambony io :) . ( ilay hoe : karazandrazan'ny fampahafantarana ny kolo-tsaina malagasy )
8. cutie ( 29/01/2007 19:31)
kitjo , cutie : msaotra @ fankaherezana e! haseho anareo ihany le boky raha tahiny ka tontosa. Fa izao aloha dia mbola tsy afaka milaza betsaka momba azy aho, ankoatr'io noteneniko etsy ambony io .

tsy afaka hampahery zay raha tsy hainay we momba an'in le boky :lol:
9. Samoana ( 29/01/2007 20:08)
Tokinao/ manorata manokana @ namana "Dadarabe" ( tsy dia mpitsidika forum izy:wink:) . Mino aho fa afaka manome torohevitra anao izy fa efa nanonta boky teto frantsa tsy ela akory izay
10. Tokinao ( 29/01/2007 21:16)
Samoana : misaotra indrindra nanoro azy fa hanoratra any aho izao.
Cutie : :lol: sy :Pde ampy
11. cutie ( 29/01/2007 21:19)
de ampiako tsaoda:-D
12. kitjo ( 30/01/2007 03:47)
haha..
aoka marina ry cutie ah!! mba tsy atao eto imasonay tsy ampy taona eto..:lol:

tokinao> okay,..hay tsara kosa zany...jereo fa marobe ny boky efa mitovy @ ireny fa tena lafo be mihitsy izy hitako amidy ao @ JUMBO ao Dago ao...tsy haiko taiza nanavandry zareo ny fanontana azy aloha fa tsara be ilay izy
13. jentilisa ( 30/01/2007 17:05)
Izaho mhevitra hoe tsy ny sacem ve no miandraikitra izany? ny editeur izany no tena tsara jerena indrindra fa izay mahatafavoaka sary tsara!
14. cutie ( 30/01/2007 19:13)
: kitjo [ Valio ] 30-01-2007 04:47:13
Lohateny : Re : toroy hevitra fa mikasa hamoaka boky ô!
haha..
aoka marina ry cutie ah!! mba tsy atao eto imasonay tsy ampy taona eto..


atao any ambadika ve
:oops::oops::oops::oops:
15. kitjo ( 30/01/2007 19:16)
hihi
za ange tsy ampy taona e..
16. cutie ( 30/01/2007 19:17)
hihihihi
17. Tokinao ( 30/01/2007 23:07)
jentilisa:

Izaho mhevitra hoe tsy ny "sacem" ve no miandraikitra izany?

Misaotra hatrany fa hadihadiako io jentilisa a! :) sa misy hainao momba an'izany "sacem" izany ?

kitjo sy cutie : msaotra mi-animer e! :) i kitjo moa mba manome info iany fa i cutie de zavarta hafa ndray no nampiany hihihi. Msaotra na de izany aza e :)


18. cutie ( 30/01/2007 23:35)
kitjo sy cutie : msaotra mi-animer e! i kitjo moa mba manome info iany fa i cutie de zavarta hafa ndray no nampiany hihihi. Msaotra na de izany aza e

:-D:-D:-D:-D
iny ihany no haiko e
19. pissoa ( 31/01/2007 07:57)
Tokinao : zah koa tsy afaka hanome info satria tsy mahay :oops::-D Aleo angamba mody atao hoe vakio ny tenin'i Jentilisa :-D:-D:-D
Fa mirary ho tontosa soa aman-tsara ilay boky e ! :-D

PS : Vao hitako ilay size dia nanantena aho hoe boky hainteny, kay tsy izy tampoka. Fa tsara koa io efa miala any io ka :-*:-D
20. jentilisa ( 31/01/2007 08:55)
Ny hany fantatro dia miara-miasa ny omda sy ny sacem. Amin'ny any andafy kosa moa tahaka ny sarotra ny mitady mpanonta fa ny Harmattan ihany no tena mpandray ny vokatra avy aty amin'ny faritra afrika...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6137