toroy hevitra fa mikasa hamoaka boky ô!

21. kitjo ( 31/01/2007 12:40)
ka tsy misy toy ny OMDA reny ve any ry Tokinao an!
22. sipagasy ( 04/02/2007 19:37)
ouups miala tsiny fa efa mety ho tara kely ngamba aho e!!!!! fa valiako ihany, raha toa ka hi -enregistre io ianao dia azonao atao koa ny manantona ny INPI izay ao nanterre ny foibeny e! ry zareo misahana ny resaka droit de la propriété intellectuelle sy industrielle e! ka mety aminao ngamba e!??
23. Tokinao ( 05/02/2007 01:05)
Dia tena misotra zareo a : pissoa, jentilisa, kitjo, cutie, ary indrindra fa i [size=14px]sipagasy[/size] : io teneninao io mihitsy ilay tadiaviko. :-*
24. sipagasy ( 05/02/2007 21:12)
Tokinao, tsy misy isaorana e! ahitanao ny INPI ao Nanterre (RER A Station Nanterre Prefecture) na koa tsy mifanalavitra ny metro Porte de Clichy raha tsy diso ny fitadidiko e!azonao aleha tongotra raha miala avy eo St Lazare ianao, dia mahavità be e!
25. sitlo ( 10/02/2007 01:07)
ohatra ny tsy andriko izany ny hividiana an'io boky io eny amin'ny "boky mora be".
26. soanja ( 26/02/2007 01:14)
Tokinao a, aza hadino manao pub ilay izy eto amin'ny serasera an fa mino aho fa betsaka ny ho liana amin'io. Mahereza hatrany. :-*:-*
27. cutie ( 26/02/2007 14:21)
Mpandefa : sitlo [ Valio ] 10-02-2007 02:07:58
Lohateny : Re : toroy hevitra fa mikasa hamoaka boky ô!
ohatra ny tsy andriko izany ny hividiana an'io boky io eny amin'ny "boky mora be".

:-D:-D:-D:-D:-D
ataovy lafo le boky ry tokinao , @zay tsy afaka mividy i sitlo:-D:-D:-D:-D
28. Tokinao ( 28/02/2007 15:43)
soanja:

Tokinao a, aza hadino manao pub ilay izy eto amin'ny serasera an fa mino aho fa betsaka ny ho liana amin'io. Mahereza hatrany. :-*:-*

ao fa hataontsika pib eto izy soanja a! :wink:


29. Tokinao ( 28/02/2007 15:52)
sitlo:

ohatra ny tsy andriko izany ny hividiana an'io boky io eny amin'ny "boky mora be".


Ka mba atoroy anay ary le fanamboarana azy amin'ny fomba mora be e! hehehe :) :D


30. ikaretsaka ( 02/03/2007 15:29)
kitjo:

ka tsy misy toy ny OMDA reny ve any ry Tokinao an!


raha any dago dia misy ny omda sy ny omapi
fa rehefa handray $ ry zalahy maimay ery fa raha misy service angatahinao aminy dia somary sahirana kely ihany aloha e.. fa tsy maninona e
31. Tokinao ( 15/03/2007 17:19)
hay ve ohatran'izany izy io ikaretsaka a :(

Efa ho voafafa ity loha hevitra ity ka aleo omeko an'izay olona hafa mety ho liana koa ny zavatra azoko tany @ INPI( ilay natoron'i sipagasy ).

225€ hono ny mametraka "marque"-na zavatra iray : voaaro mandritra ny 10taona izy io. Alohan'ny hametrahana ( enregistrement) an'io "marque" io hono dia tokony ( fa tsy voatery) hamarinina aloha fa mbola tsy misy mpanana ilay izy. Raha ny INPI moa no asaina manao an'io "verification" io dia 76€ ny sarany raha anaran-javatra, ary 22€ raha anarana fikambanana no tiana hatao "verification".

Ry zareo moa dia milaza fa ny fametrahana izany anarana "marque" izany any dia tsy hoe "voatery akory". ilaina kosa anefa mba hiarovana fotsiny ihany. Milaza koa zareo fa ny INPI ihany no fikambanana ara-dalàna misahana io asa io eto eoropa :-/ .

Momba ilay fanontàna boky indray dia lafolafo ihany kay ny eto frantsa ( izay nanontaniako aloha) : lafo be daholo. ohatra fotsiny : fanontàna boky miisa 1000, ka ny boky iray dia ahitana 300pp, 16cm x 20cm, misy loko mainty sy loka hafa. Ny manonta an'io fotsiny de efa mihoatra ny 10€ isaky ny boky :^)

Toa any italy any hono no mora raha hanonta boky. fa dia asa aloha...

32. ikaretsaka ( 18/03/2007 14:31)
ny eto US aza 750$ hono ny manao Patent le :cry:
fa ny aty kosa aloha dia mba andraikitry ry zalahy no manamarina raha efa misy manana na tsy mbola misy manana ilay izy. ny plagiarisma manko tena tolerance 0

Ny fanontana indray raha nataoko ny conversion de mitombitombina ihany koa io 10 euro io.. ... fa ankoatran'ny isan'ny pejy ny habetsaky ny sary ao mikaonty, ny pozin'ny taratasy, ny layout ..., paozin'ny fonony sns...

malaza tokoa io Italie io raha resaka ankanonta boky an! dia i Belzika koa hono fa tsy haiko tsara.
Jereo ihany fa samy eo ihany kay isika!:-*

any @ boky morabe sy any ambohijatovo mihaona hoy ilay namana ao ambony ao e.. hahaha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.334