Mividy tany kely mora vidy azo honenana

1. fila ( 20/08/2006 12:31)
Bonjour
Rehefa tena mandinika tsotsotra aho dia marobe @ izao fotoana izao ireo olona( (Ny tena mahafinaritra dia efa be ireo tanora) mba te hanana tany azy manokana, tsy lova fa mba novidiany manokana hanorenany trano sy fonenana. Ny tena olana anefa dia ny hakelin'ny vola enti-manana (Na efa manana na manam-pikasana hindrana@ banky izay voafetry ny karama ihanay), ny tany amidy anefa matetika dia lafo tsy takatry ny vola. Ny misy azoazo dia somary manalavitra ny ville (somary mora ny m2) dia ngezabe le tany. Ny soso-kevitro dia ny hivondronan'ireny olana ireny (na @ alalan'ity takelaka ity) dia mba mitambatambatra dia mahazo iraisana. Ohatra @ izany mba afaka mahazo tany kely @ alalan'ny 5 à 10 millions. Hevitra ihany io fa dia miandry ny sos-kevitrareo.
novalian'i Mutha ny 08/12/2010 08:37
2. soanja ( 20/08/2006 14:01)
Ny ahy indray hoe aza ferana hoe akaiky tana-dehibe ka ny toerana vidina. Fa na lavitra be aza vidio foana fa ny mponina mitombo foana zany hoe tsy ho omby antsika intsony ny tanan-dehibe fa tsy maintsy hivelatra sady hiparitaka ihany no farany.
3. naritsimba ( 21/08/2006 06:44)
marina zany soanja ary tsara koa ilay hevitry fila.
4. HESHA ( 22/08/2006 09:59)
meti mihitsy, mahatsangana village serasera ndrai tsika am zai
5. fila ( 23/08/2006 21:18)
Misaotra @ fanohanana ny hevitra
Rehefa maromaro ny hevitra dia mety ho hita ihany izay azo hifantonana sy hifanampiana
6. miangalyandria ( 23/08/2006 22:11)
atao hoe village serasera marina fa ilay cité serasera ohatran'ny tsy dia ... mananihany aho fa tena hevitra tsara ilay hevitra
7. soanja ( 23/08/2006 23:27)
Ndao ary e. Village serasera!
8. LazaDaddy ( 23/08/2006 23:49)
fila:
Ohatra @ izany mba afaka mahazo tany kely @ alalan'ny 5 à 10 millions. Hevitra ihany io fa dia miandry ny sos-kevitrareo.
5M vola inona io dia aiza ilay toerana?
200000 mantsy dia ampy mahazo trano lehibebe.
9. miangalyandria ( 24/08/2006 19:10)
Laza fa euros aloha ilay maribola resahina sa ariary e toa tsy arako izy izany marina moa 8O
10. soanja ( 25/08/2006 14:25)
LazaDaddy:

fila:
Ohatra @ izany mba afaka mahazo tany kely @ alalan'ny 5 à 10 millions. Hevitra ihany io fa dia miandry ny sos-kevitrareo.
5M vola inona io dia aiza ilay toerana?
200000 mantsy dia ampy mahazo trano lehibebe.


Rehefa hividy ilay tany isika dia ny ahy tiako atao eo akaikin'i tanin'i LazaDaddy.:wink::wink::-*:-* Tandremo i LazaDaddy sao de mihoa-pefy an rehefa izay an!


11. LazaDaddy ( 25/08/2006 14:57)
fa angaha tsy any antanimora ihany no misy fefy? hahaha!
12. soanja ( 26/08/2006 04:29)
Miala tsiny alo fa ny ahy somary fefeko ny manodidina e. De asiako tour de garde ny tranoko sao misy mitady hangalatra ny paomako. De raha mahatazany an'i LazaDaddy ilay garde dia mahazo laissez passer i LD raha avy ery amin'ny vavahady no miditra fa tsy misoty fefy. E e tamin'ny andro taloha zany fefy irery tany Antanimora izany. N'aiza n'aiza izao voafefy daholo.
13. tywa68 ( 29/08/2006 13:11)
dia tsy hiresaka eto intsony zany fa tonga dia mifamangy rehefa hatrizay !!! =D=D=D=D
14. soanja ( 29/08/2006 16:51)
An an samy manana ny tanana fa ao antrano manezaka amin'i serasera forum ka. :D:D
15. miangalyandria ( 29/08/2006 23:06)
Soanja : aho tsa tia pôma :-D:-D
16. HESHA ( 30/08/2006 10:04)
fila, efa mba misy tany tsikaritrao fa metimety ary ve any ho any e, mba lazao iaraha-mijery
17. soanja ( 30/08/2006 16:43)
miangalyandria:

Soanja : aho tsa tia pôma :-D:-D


Eka roa ra-Miangalyandria fa dia tsa hamboly aho zany.


18. miangalyandria ( 02/09/2006 14:21)
Soanja : fa pôman-droky zao any natao ho angalarinay aby ???:-D:-D
19. Herimiafina ( 03/09/2006 05:31)
Zah manokana aloha ry ikahy dia miala tsiny fa leo ny fisolokian amin'io resaka tany io klé. Tsy midikizo intsony fa na Iavoloha aza misy mitady hivarotra amiko klé. :-D
20. Fiffi ( 05/09/2006 12:06)
hummmm ! mba diniho kely ange ity eh !


Voasoloky nividy tanin’olona: 270 000 000 fmg no very

Mafy ny nanjo an’ity vehivavy iray mba nirahin’ny anadahiny monina any am-pita hividy tany, tamin’ny taona 2002. Niresadresaka tamin’ny tapaka sy namana ary ny manodidina àry izy ka nilaza fa mitady tany hovidiana.

Rehefa niely ny resaka dia nisy mpanera antsoina hoe R. Patrick Marcel, tonga nanatona an’ilay vehivavy izay nitady tany. Nitondra taratasy maromaro mikasika ny tany iray eto Antananarivo izy tamin’izany ary nilaza tamin’ilay ramatoa fa amidy izany tany izany. Rehefa vita ny resaka sy ny ady varotra dia niroso tamin’ny fombafomba fanao rehetra amin’ny fifampivarotana izy ireo. Teny antenantenany teny aloha dia efa somary tsikaritr’ilay mpividy fa toa misy zavatra somary hafahafa satria toa nivezivezy ihany izy ireo tamin’ny fikarakarana ny taratasy. Teo am-panaovana ny famindrana ny anaran’ny tany tamin’ilay mpividy, na ny « mutation » izay vao tena hita fa hosoka ny taratasy mikasika ilay tany. Ny tena marina mantsy dia vazaha no tena tompon’ny tany, saingy tsy io tena tompony io no nanao ny fivarotana ny tany fa olon-kafa no nanaovana kara-panondro sandoka ka nasolo azy. Izany hoe teo no tena fototry ny raharaha satria karazan’ny nangalatra tany ihany izany ry zalahy ireto. Tsy azy akory ny tany, nefa nisandoka ho tompony izy ireo ary nivarotra ilay tany an-tsokosoko, tsy fantatry ny tena tompony akory. Voampanga noho izany i Patrick sy ny namany iray tamin’ny fanaovan’izy ireo taratasy hosoka nentina nivarotana tanin’olona. Tao anatin’ny fifandaharana teo anoloan’ny fitsarana dia toa hita taratra ihany fa nataon’ilay Patrick fitaovana ity namany iray ity, ka toa hoe nampitahoriny hotoriana raha tsy mety manaraka ny teniny amin’ny fanatanterahana ny varotra tsy mazava. Izy rahateo moa efa tafiditra ihany noho ny nanekeny nanome sary hanaovana kara-panondro sandoka mba hahafahana manatanteraka ny varotra. Raha ny vola azon’ity naman’i Patrick ity aloha dia azo lazaina ho kely ihany miohatra amin’ny vidin’ ny tany izay 270 000 000 fmg, araka ny efa voalaza etsy ambony, ary nilaza izy teo anoloan’ny fitsarana fa dia tafiditra lalina tamin’ny tsy fidiny, fa noho izy norabirabiana tamin’ny vola fotsiny ihany no naha latsaka azy tao anatin’izany fahambaniana izany. Na dia ilay ramatoa nitory tamin’ity raharaha ity aza dia nilaza mazava fa tsy dia nisy nidiran’ilay naman’i Patrick loatra tamin’ny raharaha fa karazana olona nindramina fotsiny ihany izy io mba hanatanterahana ny varotra, fa io Patrick io no tena rangory fototry ny afo ary nanao ny taratasy sy ny fifanarahana rehetra taminy. Ny fampanoavana aloha dia nahatsapa fa nisy tokoa ny fanaovana hosoka tamin’izao raharaha izao ka nahita fa meloka tokoa i Patrick sy ny namany. Ny fitsarana kosa dia nanavaka tsara, noho ny fahatsapany fa ilay Patrick io no tena tompon’antoka sy tena ati-doha tamin’ny raharaha. Noho izany dia nosaziany higadra herintaona an-trano maizina ilay naman’i Patrick izay nataony fitaovana ka nampanaoviny kara-panondro sandoka, miampy fandoavana onitra 15 000 000 fmg amin’ilay ramatoa mpitory sady nagaïka onitra. Ho an’i Patrick izay tsy niseho teo anoloan’ny fitsarana kosa, dia namoahany didy fampisamborana ka nosaziany 3 taona an-trano maizina, miampy fandoa- vana onitra 255 000 000 fmg amin’ny mpangataka izany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1485