Fitia virtoaly

1. xxx ( 31/12/2005 14:43)
Hafiriana (firy volana ? firy taona ?) ny fitiavana no afaka mijanona virtoaly ?
Rehefa mihaona ve dia mihamafy ilay fitiavana sa mety mihalefy ?

novalian'i pissoa ny 24/02/2006 10:53
2. jennifer2 ( 31/12/2005 16:40)
Arakaraky ny tsirairay ihany io ka!
3. cutie ( 01/01/2006 03:56)
xxx [ Valio ] 31-12-2005 18:43:24
Lohateny : Fitia virtoaly
Hafiriana (firy volana ? firy taona ?) ny fitiavana no afaka mijanona virtoaly ?
Rehefa mihaona ve dia mihamafy ilay fitiavana sa mety mihalefy ?

andramo alou de ho hitanao avy eo ny valiny
4. xxx ( 01/01/2006 09:05)
Vavolombelona no mba tiako hamaly raha azo atao, raha tsy izany azo lohahevitra hafa no nasiako ity. Misaotra e!
5. xxx ( 01/01/2006 12:29)
Inona kay no tena hevitr'ilay hoe virtoaly? xxx hafa ity.
6. fasaly ( 01/01/2006 15:57)
xxx: fa injy kosa aza miafina ambadiky ny xxx ange e!
fa raha tena mila vavolombelona de manoràta aza any amiko e! hihihihi! ahazo valiny afa-po tsara,
fa misy kou ny realy lasa virotoaly an! de ahoana ny amzay.
7. anjeliko ( 02/01/2006 09:15)
miankina @ fotoana naharetan'ilay serasera vitrtoaly sy ny fifankalalan'ny roa tonta!ra toa ka tena efa nifandray am-po fony bola virtoaly, dia mety hahafinaritra ny realy!tsisy atahorana mihitsy ny @ zay fiarahana refa matotra tsara ny virtoaly ary samy vonona ny hiaina zay fiarahana zay ny roa tonta e!

efa teo mantsy no niala e!!!!maka bahana sy fototra tsara fotsiny dia milamina io.
8. xxx ( 02/01/2006 11:59)
Zah vavolombelona (fa ataoko xxx mba ho vitsy ny mahalala loll)
Saika hitantara lava be aho fa aleo le fanontaniana no avy de valiana.
Hafiriana no afaka mijanona virtoaly?
Sarotra be ny mamaly an'io. Arakaraky ny tanjona, arakaraky ny olona, dia arakaraky ny zavtra natao virtoaly.
Tam'zah nanao virtoaly dia tena revy fotsiny mihitsy no tanjona... kanefa revy tokony hotohizana realy. Dia tsy navelako ho lava ny virtoaly... fa 2 semaines raha be indrindra. Nihaona, nitohy ny revy na dia nandiso fanantenana kely ihany aza... satria matetika dia tsy arakaraky ny eritreretinao amin'ny virtoaly ny zavatra tena izy.
Raha mihaona ve dia mihamafy ilay fitiavana?
Mbola arakaraky ny olona ihany koa. Mihamafy izy raha tsy eritreretina akory ilay virtoaly nandalovana. Izany hoe natao fitaovana nihaoonana fotsiny (tahakany any ampiangonana, any ampianarana, any am spektacle). Fa raha iny no atao base sy référence dia tsy mahritra ilay fitiavana.
Fanontaniana hafa?
9. majakely ( 02/01/2006 12:19)
refa virtoaly de ajanony virtoaly eo kou,,,sa ahoana ??sao de diso fanantenana eo mantsy....
10. xxx ( 02/01/2006 12:30)
tena very ve ilay nosoratako teo ? talohan'i majakely ? hmmmm averiko indray :)


Misaotra betsaka anareo namaly e.
Mbola fanontaniana ihany (tsy mamafa ny tery aloha an) : ho anareo lehilahy, hafiriana no eken'ny sainareo hoe mijanona an-"tserasera" sy an-tsarisary na telefonina ihany ilay fiarahana ? Izany hoe raha mihoatra an'io dia "efa tsy izy intsony" ?
xxx > tsy spida be ve le 15jrs ? :lol:

11. xxx ( 02/01/2006 14:40)
Za koa vavolombelona,nifankatia tamina oul tam ara virtoaly, d tena marina tokoa fa mety handiso fanantenana satria matetika tsy tena mitovy amin'ilay toetrany ao anaty téléphone sy antaratasy ny tena toetrany en réalité d avy eo ianao vao manenina, nefa koa tsy voatery mi engager anao amin'inon'inona ny fifankahitana voalohany.
12. methode ( 06/01/2006 21:16)
Ny ahy aloha dia ny namana virtoaly no lasa namana realy, de efa nisy koa namana realy lasa namana virtoaly!!!
13. moi ( 13/01/2006 09:05)
Ny ahy dia misy ny mbola virtoaly hatrizao, efa ela be zany an, fa dia efa nifanarahana aloha e !
Ka aleo atao teny ierana angamba vao mety, fa misy maika be tena maika be hihaona, ary io misy te hijanona amin'izao, nefa dia mahafinaritra e !
14. methode ( 13/01/2006 19:32)
Ze tiako ihany io hoy ny tarika iray izay!!! Fa ze tiantsika koa fa tsy hoe izay tiako ihany!!
15. Vahinala ( 14/01/2006 09:36)
methode > Nena hoa zao nivadika ndray ny rasa, ny vady realy lasa virtoaly :cry::cry:
16. methode ( 15/01/2006 15:38)
Vahinala> Mahareta fa mbola hiverina realy io e! Mivadibadika eo ny fiainana!!
17. Vahinala ( 15/01/2006 15:44)
methode > Ie tsy maintsy e ! Misaotra na izany aza !
18. Herimiafina ( 15/01/2006 19:35)
Na virtoaly na realy de olombelona daholo ihany ireny fa tsy misy hoe olona tamin'ny virtoaly de nivadika alika nony realy, donky miankina amin'ny fomba fijerinao ihany io e! hehehehehe:-D:-D:-D:-D
19. Vahinala ( 15/01/2006 19:54)
Herimiafina > Mba tia mimé an, tsala beu ka :-D:-D:-D
20. mbositra ( 13/02/2006 21:51)
10 minitra na 10 ora na 10 andro mandram-paa hitany hoe tsy vehivavy io miresaka aminy io
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.085