fitaizana

1. zefalah ( 02/09/2005 02:02)
ny ahy ny zanako tsy atao mahay internet.
indrindra ny chat..
fa hono oa... aona ny fomba tsara hitaizana ny zaza ankehitsiny? mba tsy hivi lalana any @ fahaverezana sy fitiavana adala ny zaza any aorina any?
za mantsy tena leo be lay resaka fitiavana sy chat mifangaro nenina sy alaelo mifanesisesy etsy sy ero.
inona no atao mba ahatonga ny zaza ahintsy @ lalany tohokony hizorany?
novalian'i diloo ny 24/10/2005 16:51
2. loloniary ( 02/09/2005 04:22)
SALIII!
refa tsy tiana hirona amin'ny fitiavana adaladala ny ankizy dia fatory ao an-trano dia aza avela mivoaka mihintsy.fa raha vao mivoaka izy indrindra refa tsaratsara dia tsy maintsy hisy hikoty,ka sao de miadaladala.

zao fotsiny ny fitiavana dia anjara sy vintana ka samy mizaka ny tandrify.in11 mety ho adaladala ,in11 mety ho matomatotra.
3. bimanoa ( 02/09/2005 04:53)
ny fahatahorana an' Atra no fiandoham-pahendrena, arak' izany dia ny fahafantarana an' Atra no lalana 1º.
4. ravakamalala ( 02/09/2005 12:58)
Voalohany aloha dia aza atao hoe zefalah ny anarany. :-D:-D:-D

Taizao araka ny fomba kristiana, ento manara dia an I kristy, ny fahatahorana an Andriamanitra ozy i bimanoa.
Omeo fahalalana ihany koa anefa, mba ezaho alefa any amin ny fianarana mitandro ny soa toavina.
Dia mba jerena tsara ihany koa ny olona mifanerasera am ny tena, ny manodidina izay mety hi influencer azy, fa tsy avela hitaingy tamboho akory.Mba olona maba manana fitaizana tsara, fiainana mirindra sy milamina (na dia endrika ivelany fotsiny aza.)
Amporisihina tia hamaky boky ihany koa fa mampisokatra saina io.

Fa na izany na tsy izany aza dia tsy maintsy ho solafaka foana izy amin ny fiainany fa izay indrindra no ilana anao RAD , mba ampiarina azy sy hanoro azy indray hoe "Aty fa tsy any sao fanina any"

FA TSY MORA NY MITAIZA KA! Nefa koa io tsy resaka internet na télé akory fa tadidio fa ny ratsy tsy kely lalana.
5. Veloo ( 02/09/2005 17:18)
oy i ravaka oe:
FA TSY MORA NY MITAIZA KA! Nefa koa io tsy resaka internet na télé akory fa tadidio fa ny ratsy tsy kely lalana.

ie marina izany nefa kosa rehafa voataiza @ fahamarinana sy feno fitiavana deny mbola kely ny zaza dia mizotro amin'iny fona ry zareo. Sa ahona aky?:wink:
6. zefalah ( 02/09/2005 20:23)
aiza ho aiza ny zaza taloa ny zaza ankehitsiny?
zay no nahatonga ahy hilaza hoe mila fitandremana sy reo toro evitra zay etsy mbony etsy reo ny zaza vao tena azo atao hoe tafita,ary mahay manarina ny tena
7. sipagasy ( 04/09/2005 12:21)
eiiii i zefalahy koa, raha nety ny fitaizan'ny ray aman-dreninao anao dia ataovy tahaka izay koa ny fitaizana ny anao e!
8. fijo ( 04/09/2005 20:01)
aza hadino nefa fa hafa ny androny
9. zefalah ( 05/09/2005 22:16)
sipasipa>> marina zany
10. xxx ( 06/09/2005 16:41)
dia hividiano boky kou ny ankizy ry zefalah !=))
11. adidy ( 06/09/2005 19:33)
Zefalah: tsy tianao hanao internet, sy chat ny ankizy, kanefa ianao salanitra ery manao dinika eto. Izay ilay hoe ny ho tahafina angaha no tsy misy?
12. rrmalala ( 07/09/2005 14:30)
Salut dôôly; tena ohatry ny mba interessée @ le resakareo zany za e! Zao mantsy : na dia efa ampianarina ho tia vavaka sy hamaky Baiboly aza le zaza de mbola manondrana ihany; ny tiako lazaina @ le manondrana de manao ny hira sy fandihy le tena gaigy be reny! nefa zahay efa tena miezaka tsy hijery sy hihaino an'reny mintsy! ka inona ndray no hevitra?
13. Samoana ( 07/09/2005 14:55)
rrmalala > ny vavaka sy famakiana baiboly tsy vato misakana ny zaza te hihira sy handihy. Aza tampenana ny masony sy ny sofiny , omeo fitokisana izy fa aza treromin-dava dia ho talanjona ianao. Misaina tsy araky ny eritreritsika lehibe izy ireo fa ny geja hamatorantsika azy no maha"gaigy" azy tsindraindray !!
14. fijo ( 07/09/2005 20:08)
izay mihintsy,matetika isika tsy mahay zavtra iray,dia ny zaza koa no taritintsika hanaraka an'iny
15. mandrindra ( 09/09/2005 09:29)
fehin'ireo lazain'i samoana sy fijo ireo, raha maditra sy gaigy ny ankizy dia taratry ny RARny izany ka diniho ny fitondrantenanao alohan'ny hilakonao ny ankizy.
16. booboo ( 09/09/2005 11:00)
hihihihi iza zao milako zao iza ?
17. mandrindra ( 12/09/2005 09:13)
za le mpilako ankizy maditra!!
18. deghany ( 12/09/2005 13:26)
fa iza no azo lakona ato le?!!
19. pitchou ( 12/09/2005 17:26)
hihihi! zà tena mitovy hevitra @ samoana
20. rrmalala ( 13/09/2005 14:53)
Samoana:

rrmalala > ny vavaka sy famakiana baiboly tsy vato misakana ny zaza te hihira sy handihy. Aza tampenana ny masony sy ny sofiny , omeo fitokisana izy fa aza treromin-dava dia ho talanjona ianao. Misaina tsy araky ny eritreritsika lehibe izy ireo fa ny geja hamatorantsika azy no maha"gaigy" azy tsindraindray !!


Ka zao nge e! lay karazana hira sy dihy @ zao ko tena manahirana; ny mpandihy zara raha misy takonkenatra; ny tononkira tsy de misy varany loatra; ko nahoana moa no tsy ho ferana araka zay tratra ny zavatra jereny sy henoiny!!!! Marina fa misaina tsy toa an'ny lehibe ny zaza saingy na izany aza raha zaza 3 taona, raha araka ny mba fiheverako, tsy afaka hisafidy zay tsara raha tsy somary ampiana !!!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2662