Tany Dago

1. hery ( 24/08/2004 17:35)
Betsaka ny nandeha tany Dago tamin'ity vakansy ity... mba azonareo lazalazaina eto ve ny fiovana hitanareo raha efa ela ianareo no tsy tany? Ny tsara sy ny ratsy? Ny olona, ny zavatra, ny tany, sns.
Mba tianay ho hay e :)
novalian'i fijo ny 29/09/2004 20:49
2. chipie1 ( 24/08/2004 17:41)
lasa feno fivarotana sinoa ao behoririka,ny resaka tsolotra mbola feno,ny lalana no itako fa nisy fivoarana ,ny vidimpiainana misondrotra mazava wazy...tohizo ny sasany ndray oe...
3. fijo ( 24/08/2004 20:29)
fiainana andavanandro.
ny zavatra tena misarika aloha dia ny fahatsaran'ny lalana sy ny fiakaran'ny vidim piainana.
ny sinoa koa dia efa miha maro ary mitady hanaliaka mihintsy.
lasa be mpivarotra sakafo koa any.ary analakely dia lasa fivoahana milay ny alina.saingy mbola ao ilay fifampiderana fananana.(fisehosehoana)
lafiny politika>maro ny zavatra tsy mazava.ary miseho be ny tsindry hazo lena.
economia.
manahirana ny milaza fa tsy manana ny gasy nefa sarotra koa ny hiteny hoe efa tsara ny ekonomia satria dia maro ny zavatra eny amin'ny sisiny izay tena mandroso nefa tsy voafehy.
koltora>io dia tena efa mahafapo,satria tena efa voafehindry zalahy tsara ny fampisehoana sy ny manodidina azy.
4. donemaskit ( 24/08/2004 20:42)
ny programa @ télé nisy fiovana kely fotsiny, mbola reny feuilletons reny ihany no tena be mpijery :lol: :P
5. bichette ( 25/08/2004 08:05)
mbola mitohy ve ilay feuilleton : TERRANOSTRA ?
6. ramoul ( 25/08/2004 12:49)
hihihihi zany ve tsy efa vita ry bichette!
Tam' zah nandalo tany farany zao no nijerevako an' iny :-P
7. tiana1 ( 25/08/2004 19:20)
Dia inn kou ? Tantarao e !
8. fijo ( 25/08/2004 19:26)
de,.....de...... :lol: :D :-P
9. ralay ( 26/08/2004 09:37)
Niova tokoa i dago aloha betsaka ny trano vao² na particulier na am-panjakana na societé izany fa saingy tsy misy ny antsoina hoe urbanisation fa samy manorina izay tiany eny daholo ny olona zay afaka manorina trano ho an'ny particulier io lazaiko io. Ny lalana indray dia tena mbola tsy ampy bdb mihintsy na dia efa manao lalana aza ny fitondrana. ary mety ho olana tokoa satria sarotra ny mi-exproprié ny gasy na dia interêt public aza ny fanaovan-dalana ny antony aloha dia mety ho maro² ihany. Raha ataoko ambangovangony ny zavatra hitako tany dia azo lazaina fa niova tokoa i dago saingy miova amin'inona....? Mbola ny manambola ihany no tena manjaka sy miaina tsara fa ny madinika dia madinika eny ihany. Resaka tsy ho vita fa aleo ajanona eo
10. xxx ( 26/08/2004 11:07)
Vôkansy tokoa moa no naleha tany ry Hery ka tsy afaka manao tsikera firy satria faly hatrany ny tena e !
- Misy ny zava-drehetra any : tsy mitombona loatra intsony ilay fitondrana entana avy aty ivelany hoe amidy . Ny vola no atao bebe am-paosy
- Manao ezaka lehibe @ fanamboaran-dalana : maromaro ny voies rapides eo an-dalam-pahavitàny
samoina
11. xxx ( 26/08/2004 11:21)
( tohiny )
- mihamadio ara-pitafiana ny olona :ireo entana sinoa azo vidiana @ vidiny mirary angamba anisan'ny mahatonga izany
- courageux ny mpiasa gasy : marina fa tsy fidiny azy ny kely karama saingy tolagaga aho mahita ny fahavitrihiny miainga mi-battre maraimbe ( indrindra ny any @ zone franche )
-Tsara be ny koba sady mamy be :lol: :lol:
Samoina
12. chipie1 ( 26/08/2004 11:43)
-mafana fo be aminy fivavahana.
-ary ny bus ve tsy misy tsony toa tsy naita zay !
13. xxx ( 26/08/2004 11:43)
( tohiny )

Tsikera:
- Be ny vola taratasy maloto marikoriko . Indray mande ny tenanay tsy nanaiky ny handray satria tany @ banky fangalam-bola mihintsy no sendra izany . " Ireny no misy fa tapaka mihintsy @ izao fotoana e ! ", izany no avaliny anefa banky izy
- Tsy azo itokisana ny gazety maro satria faly manitatra hisintomana mpamaky fotsiny ka mampisavorovoro ny saim-bahoaka . Ohatra raha nisondrotra ny vidimbary dia nitarin'ny mpanao gazety iray izay hoe hisondrotra avo dimy heny izy io afaka herinandro !!!
Samoina
14. xxx ( 26/08/2004 11:48)
- tsy ratsy ilay système mini-car fa 1000 fmg dia tonga hatraiza hatraiza. :D
Samoina
15. bichette ( 26/08/2004 12:24)
mbola mitohy ve wa lay feuilletion TERRANOSTRA ???? :x
16. xxx ( 26/08/2004 12:32)
bichette > Zà tsy nijery télé mihintsy tany bichette ka tsy manan-kavaly ho anao a !
Fantatro fotsiny fa misy feuilleton eo @ 8 alina eo tsy azo anadalana ny mamanay fa roboka tanteraka izy ! hihi Toa lazainy fa misy rediffusion ny ampitso atoandro fa tsy arako ny titre e ! Miala tsiny !
Samoina
17. fijo ( 26/08/2004 20:45)
marina fa tsy mahita bus intsony fa dia io car 1000 fmg io.
za koa dia tsy nijery tele mihintsy tany fa eo amin'io ora lazain'i samoina io dia tsy misy olona azo tairina na dia ny mpiasa aza.
ny mofo gasy ao analamahitsy dia mbola tsara ihany.ny koba ao sabnam koa.
tandremo ny nem ao amin'ny "clin-d'oeil"ampitan'ny foriera fa tena loza ny menaka ampiasainy.
18. ralay ( 27/08/2004 07:37)
Marina daholo izany voalazantsika rehetra izany. Asa raha mbola misy ny 4ams fa tsy dia nahita firy intsony aho. Betsaka ny mibizina azahoana kely hihinanana sakafo. Entana misy izay ilaina.Maniry ohatry ny anana ny daba 4X4; Tsy dia azokazoko ny grande surface Magro hangar be ohatry ny entrepot.
De izay indray aloha e
19. chipie1 ( 27/08/2004 09:40)
Feno police miambina aminy alina .
Ary ny feu kou toa tsy misy mande tsony ,na ny eo analakely aza! .
20. ikaretsaka ( 27/08/2004 19:33)
ary aiza ny trasy fividianana ireny kalikaly fahiny mampatsiarotsiaro an'i dago ireny ilay fitondra ireny ?
Biscuits gasy ohatra.. koba .. fintsa sns
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.128