CHOCOLAT

1. bichette ( 23/07/2004 09:00)

NY CHOCOLAT

Avy amin’ny hazo atao hoe « cacaoyer » manome cacao hanamboarana azy.

FITAHIRIZANA :
Toy ny divay, tsara tehirizana amin’ny toerana mangatsitsiaka : eo amin’ny 15 – 18°C eo ho eo sy toerana maina.
Ny hafanana, ny fiovaovan’ny maripana ary ny ando dia mampihena ny tsirony, manova ny lokony hiha-fotsy sy hamariparitra fotsifotsy (siramamy vokatry ny cristallisation des matières grasses)
Tsara tehirizina ao anatin’ny emballage sy aluminium.

REGIME SY FAHASALAMANA
- Tsara ho fantatra fa « origine vegetale », tsy ahitàna « choléstérol » ary tsy mapatavy araky ny eritreritry ny maro azy fa ny fanampy ao anatiny no mitondra « calorie », « cholesterol », « calcium », sns … ohatra ronono, noix, noisettes, raisin sec, cerise, liqueur…
Ohatra : ny chocolat au lait : ahitana cholesterol sy calcium avy amin’ny ronono ary mifono 540kcal /100g, ny chocolat noir kosa : 515kcal /100g.
Noho izany, tsy tokony hahatsiaro meloka velively isika rehefa mihinana chocolat fa kosa aoka hihinana AM-PAHENDRENA satria raha diso tafahoatra dia mampitombo ny lanja. Mila fitandremana ihany koa satria tahaka ny divay, voanjo ihany izy ity : rehefa mihinana indray mandeha dia satry foana ny hihinana ; fakam-panahy indray izy amin’izay fotoana izay.

- Voaporofo ihany koa fa ny « matière grasse » fonosiny, ny « beurre de cacao » dia mampihena ny « mauvais cholesterol » ao amin’ny rà ary mampakatra ny « bon cholesterol » mahatsara ny fo sy sy hisorohana ny aretina « cardiovasculaire ».

- Manankarena « magnesium » izay tsara ho an’ny « système nerveux »
- Ny THEOBROMINE CAFEINE TYRAMINE SEROTONINE PHENYLETHYLAMIE ao aminy dia « stimulant »
- Ny magnesium sy ny FER rakofany kosa dia ANTI-STRESS RECONFORTANT TONIFIANT RELAXANT EUPHORIQUE

Malaza fa mankarary àty sy mampivoaka mony, crise d’epilepsie, aretina an-doha kanefa aoka avahana tsara fa tsy ny « chocolat » velively no miteraka ireo fa ny vokatry ny fihinànana diso tafahoatra izay miteraka « indigestion ».

Tandremo ihany koa fa misy olona sasany manao « allergie ».

CHOCOLAT @ TENY VAHINY :
Allemand : schokolade
Anglais : chocolate
Chinois : tchyaokeuli
Danois : chocolade
Espagnol : chocolate
Finlandais : sukiaa
Flamand : chocolade
Grec : sokolata
Italien : cioccolato
Néerlandais : chocolaad
Norvégien : sjokolade
Polonais : zsekolada
Portugais : chocolate
Russe : chokalade
Servo-croate : cokolada
Suédois : choklad
Turc : çikolata

SAKAFO
Maro dia maro no azo ampiasàna azy :
- glace au chocolat
- gateau au chocolat
- milk shake au chocolat
- pain au chocolat
- crème au chocolat
- flan au chocolat
- biscuits au chocolat
- chocolat au lait …
- …/…

Mazotoa homana e ! am-pahendrena an !
novalian'i booboo ny 26/07/2004 08:23
2. nikopol ( 23/07/2004 11:25)
Raha ampiarahana amin'ny frezy ny sokola no tena tsara hono.

Bichette, inona zany "cacaoyer" izany? Voaniho ve?

3. bichette ( 23/07/2004 12:14)
nikopol > :P
4. ramoul ( 23/07/2004 13:24)
:-D :-D
5. tenio ( 23/07/2004 13:32)
Merci e!
6. kitjo ( 23/07/2004 13:45)
cacao ry nikopol an
ndana mankany diego d midina eo ambanja raha hijery
hihihiih
7. booboo ( 26/07/2004 08:23)
meeeeerciiii bichette a :-* ! io ny raha tiako indrindra eto an-tany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2216