Fantaro ny fomba amam-panao any amin'ny misy anao!!!!!!

1. methode ( 19/07/2004 00:55)
Anisan'ny fomba iray mety hanatsarana ny fiaraha-monina ny fahafantarana ny fomba amam-panao amin'ny toerana iainana!! Maro ny zavatra mahaliana sy mety azo anatsarana ny fomba amam-panao malagasy ihany koa!! Koa mba itantarao izay fantatrareo any amin'izay misy anareo any e! dia inona no mety ho tombontsoa na mety ho voka-dratsiny!! Misy fomba mahavariana tiako ho tantaraina aty Burkina saingy mba miandry an'izay avy any amin'ny toerana misy Malagasy aloha aho sady mbola mijery koa hoe manintona ny mpandray anjara ato amin'ny forum ve ilay izy!!!
Dia manantena ny fandraisana anjara mavitrika!!!
2. ramoul ( 19/07/2004 12:54)
Tsara tokoa ny fanontanin' ialahy ry methode fa zah aty France aloha toa mbola tsy mahafantatra ny fomban-dry zareo firy é!
Zah koa mùantsy vô tonga taty vô aningana dia tsy haiko firy fa milaza ihany aho rehefa mahafantatra tsara.OK :wink:
3. kitjo ( 19/07/2004 17:42)
Ny aty aloha oh gasy mihitsy e!
Na ny volon-koditra aza mitovy2 tsy d mahatsiaro vahiny lotra ny tena.....

Ty angamba tsy fomba amam-panao fa fomba fiainana angamba:
Ny olona aty tsy mba mahandro sakafo an-trano, rehefa mi-inviter olona hisakafo vao mihinana ao antrano. Ary vitsy no manana lakozia. Mahagaga azy mitsy enao raha miteny hoe andeha hahandro.
Fa aty manko feno food court ary sakafo aby izay toerana aleha.

Ny shopping sy "makan" (misakafo) no zavatra tena tian zareo.
4. kitjo ( 19/07/2004 17:46)
D aty koa alina 9h vao mandeha mivoaka misakafo @alina.......1h maraina vao matory....ka @ 9h vao mifoha raha aloha inddra.....

d aty tapak'andro ihany no miasa na maraina na hariva ihany fa dia tena miasa aloha e.
Ny maraina moa @11h zany an ...
tsy misy mpivarotra na birao mivoha alohan' ny @11h aty!
5. lanto ( 19/07/2004 21:25)
tena otsan'ny mba te-ho any aho kitjo ka ! shopping de ho-makan de 'vokal fôna hihihi ! dé grasmatiné loll dongadonga mitsy ngamba njy ao ?
6. olly ( 20/07/2004 08:07)
milay be zany kitjo an ! mbola disciplines koa ve reo sa ? .... raha ireo manko no disciplines ny d tena tsara hiihihi , sakafo , shopping , grasmatiné , miasa tapani : hisi oh zani nray ve :)
7. kitjo ( 20/07/2004 13:15)
ihihihihih
mampme ko nareo!
Ka io mitsy ny "lifestyle" zay no ataoko hoe tsyhaiko izay ilazana azy.
Fa nefa ange ny mahagaga za zao na 3h fts aza mianatra iray andro d vizaka foana e, omeny projets 4 enao anaty 2mois d eto alohan ordi manao recherche foana na mande manao enquete....
zay le lazaiko hoe kely ny ora lazaina fa iasana nefa miasa be!!!!!!!!!
8. kitjo ( 20/07/2004 13:28)
Ny mahatonga ilay shopping sy "makan" indray d zao:
Ry zareo miasa be ary tena tsara karama be,toa aorian'i Suiise "hono". Ary tsy misy elanelany ny "classe"n olona , tsy misy hoe mahanatra be sy manan-karena be hita miavaka fa mitovy2 aby.

Resaka fitafiana tena tsy mivaky loha amzany mitsy zareo ary tonga dia fantatra ry zareo fa "short+t shirt ary kapa".Zay aby fiakanjony fa matoa tsy manao anreo d vahiny izay.

Singapour anefa kely bilitika (oh Tana ville) dia tsy misy zavatra andanian zareo ny volany fa ny banky indray no mindrana aminy.
Raha tsy izany dia mandeha manao vacance zareo nefa miasa be tsy misy fotoana, oh anah zao isaky ny 2mois no misy break kely 1semaine , D refa krismasy vao mba mahazo vacance 15jours eo na 3semaines.

Malaisie na Australie no mba akaiky avy eto andehanany vacance rehefa misy fotoana.
Izay mahatonga azy hoe mandany vola @shopping fts sy mihinan-kanina. Misolo telephone isam-bolana, .....

Ny toerana kely tsy afaka hoe hanao trano...ny tobil sakanan'ny fanjakana ankolaka @taxe ny fividianana azy ary ny maka permis aza mahavidy tobil iray. Oh zany koa ny taxe @fiompiana alika na biby (500$/mois ngamba izy zay).....

ankoatra mihinan-kanina sy shopping moa d @resaka "wellness", manao spa, sauna,golf, fitness......mandnay vola ireny no tian zareo.....
9. randjy ( 20/07/2004 15:50)
Methode !
Ahoana letsy ny fomba andehanana any zany hoe ny critere ahafahana mipetraka any
10. methode ( 20/07/2004 22:38)
Misaotra an'ireo namana efa nandray anjara aloha e! tsy nihevitra hahita olona mpamaky sy mpandray anjara toy izao aho!!! Mbola somary teritery ny fotoana ka tsy mbola afaka manomboka milaza ny aty aho aloha!!
Raha mba azo atao dia tsara ny mba hanondroana an'ilay toerana na firenena fa sahirana ny mpamaky raha hitady ny misy anareo indray isaky ny mamaky ny voalaza ato!!
randjy> Tsy azoko ilay fanontaniana!! Aty Burkina ve sa aiza no anontanianao io?
11. kitjo ( 21/07/2004 17:23)
methode > aty Singapore za e!

ramaso> fa ngah misy matimaty??hiihihih
K za nge tsy mandray vola oh azy e, ny anah aza tsy ampy!!!!!!
12. kitjo ( 22/07/2004 11:33)
oouunnntttsssss
izay tinay io ko!hihiihihi....

vola lany @ ekolazy sy hofantrano, bus, TV, sakafo, ....zany ramaso an....
Satria ny mpianatra vahiny eto tsy mahazo miasa raha tsy te higadra! ( na petit boulot aza, na gratos aza)
manome vola fts zany no atao!
13. sipagasy ( 23/07/2004 18:58)
Ny aty frantsa kosa aloha dia mba mahazo miasa ny mpianatra é! ary misy irika foana ny hanaovany asa "maizina" tsy andoavana hetra
14. kitjo ( 24/07/2004 11:16)
aty aloha tsisy fika e!
fa misy mahatsara azy fa araka2 ny tsirairay indray iny.
15. methode ( 24/07/2004 17:39)
Nampanantena ny hitantara ny fomba amam-panao aty moa aho ka dia hanomboka azy aho androany!! Izaho aloha dia aty Burkina Faso no mipetraka e!! (Burkina: Hommes integres no dikany; Faso: pays) Afrique de l’Ouest no faritra misy anay ary eo avaratr’i Côte d’Ivoire. Ville faharoa eto Burkina no misy ahy dia i Bobo Dioulasso.
Be dia be ny fomba mahaliana eto fa santionany vitsivitsy no hotantaraiko eto!!
Misy any amin’ny 60 mahery any ny isan’ny Ethnies eto ary saika samy manana ny mampihavaka azy!!
16. methode ( 24/07/2004 17:42)
Fa ny zavatra iray mahavariana eto dia misy ny antsoina hoe Ethnie à plaisenterie amin’ny ethnie iray! Ka misy izany ny hoe Maître sy Esclaves!! Izay lazain’ny maitre dia tsy azo valian’ny Esclaves fa tanterahiny !! Fa izay angatahin’ny Esclaves kosa dia tsy maintsy tanterahin’ireo Maitres. Karazana sangy izy io kanefa sangy mahery !! Ohatra ny Dagara dia Maitre ‘ny Toussians ka raha hitsahin’ny Dagara ny Toussians iray dia tsy mahazo mamaly na dia maharary aza !! Ohatra faharoa : Handevina ny dadany ny Toussian iray namanay!! Rehefa tonga teo amin’ny cimetières dia handeha hametraka ny razana ao amin’ny lavaka efa natao ry zareo!! Kanjo efa nisy Dagara iray niditra taloha ao amin’ilay lavaka(olona velona io) ary tsy hiala tao hono izy raha tsy omena vola!! Raha kely ny homenao dia tsy mety miala izy!! Ny andro anefa efa manomboka ho maizina!! Farany dia nisy nanipy 1000FCFA tao dia noraisiny iny dia nivoaka tao izy. Mbola tsotra kely io satria ilay Dagara dia naman’ilay maty ray ihany, fa raha vitan-dry zareo hono ny manafina ny razana dia izay takiany, na mihoatra ny 50.000FCFA aza dia tsy maintsy omena vao avoakany
17. booboo ( 27/07/2004 11:29)
eh bé ! :^)
18. jhouhlambout ( 27/07/2004 14:50)
8-)
19. wawawa ( 27/07/2004 18:24)
Ny aty manao satroka cow boy, jean, boty dia mitaingina soavaly ny tena zanatany. Ny sakafony ndray dia endasina no betsaka (hena)
20. methode ( 27/07/2004 19:07)
Fa aiza moa wawawa io fa tsy tadidiko e!! :?:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.458