Fananganan-jaza

1. pisou ( 11/07/2004 12:42)
Izaho dia 28taona ny vadiko 47taona izahay dia mipetraka aty frantsa. Efa 6bolana lasa izay ao nanao fausse couche ary hatramin'izao aho tsy mety bevohoka, izahay aloha mbola tsy nanao examen satria ny vadiko tsy mety hanao satria tonga foana eo izy hoy izy fa raha te-hanao ianao dia manaova( izy efa manan-janaka t@ olon-kafa 2 ka mieritreritra angamba izy fa tsy avy @ny ny olana).Ny eritreriny dia ny hanangana zaza gasy tsy mihoatra ny 1taona, ny olana aty dia ela sady lafo ny mikarakara ny ttsy adoption ka ny fanontaniako dia sao mba misy olona mahafantatra ny momba admistratif malagasy momba ny fananganan-jaza.Ny faha-2 soa mahita zaza azo hatsangana.(METY HAHATOANA NY OLONA SASANY IO FANONTANIAKO IO SATRIA NY ZAZA TSY HOE ENTAMBAROTRA AKORY NEFA KOSA METY HO FANAVOTANA AZY)
Misaotra betsaka.
novalian'i pisou ny 27/07/2005 07:49
2. rambofrau ( 11/07/2004 13:06)
Mampalahelo be ny tantaranao izany.Any Dago izao be dia be ny zazakely gasy azo antsangana fa raha ny aty tsy haiko.
Tohanako le hoe aleo le izy mbola kely mihintsy no antsangana ,amin´'izay izy miraikipo tsara aminao sady mihevitra anao ho tena reniny,fa ra efa lehibe izy no antsangana manahirana.
Dia mahereza ary aza kivy.
3. coksa ( 11/07/2004 14:24)
Naona!
Za ry pisou tsy hoe manakivy @ fanangana-zaza fa raha mety dia ataovy izay mampty anareo roa mba hisian'ny iray au moins!
Jereo inona no nahatonga ny tsy nampety azy teo!Fa matoa misy iny tokony mbola hisy iray hafa koa !Sa tsy mazoto intsony?mdrr;
Aza manaiky kivy amboaloany toa an'io e!Ny sasany aza efa nafoy + tsy kivy!
Mahereza de lazao ny tohiny!
4. hery ( 11/07/2004 20:59)
Raha ny fahitako azy dia tsy dia ilaina ny manao examen-n'ny vadinao satria efa niteraka izy ary efa nisy fausse couche ny anareo. Ny tsara atao dia ianao no manatona dokotera fa sao dia nisy akony tao amin'ny tranonjaza na sahala amin'izany ilay olana tamin'ny voalohany.

Tsy dia mahay siansa loatra aho fa raha nanao fausse couche 6 mois lasa dia tokony mbola tsy hiteraka satria mbola heverin'ny tranonjaza hoe ao ihany ilay zaza. Tsy haiko aloha fa tokony tsy hahakivy izany 6-bolana izany.

Mahereza
5. atmos ( 12/07/2004 02:21)
Izaho koa aloha dia miombon-kevitra @ hery sy coksa ry pisou a. Sady matoa enao efa nanao fausse couche dia afaka miteraka ihany ianao, ny vadinao rahateo efa nanan-janaka taloha. Ataovy izay mahampety azy izany hoe manantona dokotera ahafahana mahafatatra hoe maninona no tsy mety bevohoka ianao.
6. ikaretsaka ( 12/07/2004 03:13)
mitovy hevitra @ hery mihitsy aho.. jereo ihany ny momb aanoa ry pisou fa raha izany dia toa avy any aminao ny olana
7. sariaka91 ( 12/07/2004 09:31)
Mety koa tsy mifanaraka ny groupes sanguins nareo mivady dia izay no tsy mampety ilay zaza, ka na miforona aza izy, tsy tafapetraka. Misy traitement manokana tokony arahina alohan'ny bevohoka raha tena izay no olana. Tsy niteny an'izany ve ny dokoteranao ? Matetika rehefa manao FC dia jeren'ny dokotera tsara ny antony nahatonga izany.

Ary ianao koa ange maika be, vao 6 mois ve enao nanao FC dia efa mitady ho bevohoka sahady. Misy olona sasany miandry 1 taona mihintsy aza. Andraso kely e ! Hafa ihany izany hoe tena ny zanakao naterakao izany.

Jereo ity lien ity fa misy resaka be dia be mety mahasoa anao

http://forums.famili.fr/parents/comment_participer_forum.htm
rubrique "stérilité"

Mazotoa, aza kivikivy
8. pisou ( 12/07/2004 12:32)
Bonjour,
Misaotra anareo rehetra izay nanoro hevitra sy mampahery.Hadinoko nilaza t@nareo fa 4bolana ilay zaza, ary nony nivoaka izy dia tena efa olona kely.
Efa tena nihevitra ny ho any @ doko mihitsy aho fa miandry kely fotsiny.
Nefa anie t@ nanao contrôle 1 volana taty aoriana dia tsy nisy anomalie ny tranon-jaza sy ny 2 ovaires ary col efa nihidy, fa t@ izaho nanao fisafoana dia ny tranon-jaza no somary latsaka ambany, t@ izany ilay zaza dia salama tsara, 5andro taty aoriana lasa izy.Io koa no tena somary maha diso fanatenana ahy.T@ izaho tany Mda mahita itony vazaha nakany @ psy itony dia lazaiko ho adala sy tsy misy atao, t@ io situation io vao tsapako fa ilaina ny miresaka, tsoriko @nareo fa ny fifampiresahantsika eto @ko dia zv-dehibe.
Mbola mamerina ny fisaorana ho anareo rehetra aho.
Pisou
9. ari.malala ( 12/07/2004 12:57)
Bonjour pisou,

ilay manangan-jaza aloha raha @ izao tena olana be satria teo alohaloha teo nandeha be ny resaka trafika na zazakely ê! tena misy mahavanona mangala-jaza mintsy manko teo aloha teo dia za tsy misno hoe ho mora ny hahazoanao manangana, sady araky ny tenin'ny namana rehetra tao ambonimbony tao hoe matoa nanao fausse couche ianao, dia mbola misy fanantenana izany ny hananao zanaka hafa ka aza kivy ê! Mety mbola tsy izay no anjaranareo mivady. Mahandrasa re ramatoa fa tsy maintsy tonga eo araka ny tenin'ny vadinao io ê! Alamino tsara ny saina fa raha tsy milamin-tsaina koa anie ianao tsy tafapetraka io ê!
10. atmos ( 12/07/2004 15:22)
Pisou,

Milamin-tsaina araka ny teninin' ari.malala io, tsy manao vizana be fôna, tsy manao mouvement henjana. Ka raha ambany izany mantsy ny tranon-jazan-dry dia izay no mahatonga azy mora mivoaka fôna. Raha vao fantatrao fa misy mipetraka ao dia fitandremana 200% no tokony ataonao mba hampipetraka azy tsara indrindra le 3, 4 premier mois. Za mantsy mahafantatra olona koa hoe ambany ny tranon-jaza ny fa rehefa mitandrina tsara sy mitombina tsara ny saina, nahazo zaza izy.
11. pisou ( 13/07/2004 07:36)
Bonjour,
Izay indray no tsy haiko Ramaso.
Pisou
12. ari.malala ( 13/07/2004 13:09)
Anontanio ihany aky ny dokotera r'i pisou fa sao mba misy azo atao anamboarana ilay tranon- jaza marina!
13. pisou ( 16/07/2004 20:53)
Manao ahoana daholo,
Efa nahazo rdv radoko aho @ 16/09/04 ka ho hita eo izay ho lazainy, somary ela ihany aloha, efa tsy handriko ery izay ahatonga io fotoana io.
Bizouuuu be daholoo ary e!!!!
Pisou
14. pisou ( 17/07/2004 11:29)
:idea:
OK! Ramaso
15. jhouhlambout ( 27/07/2004 14:48)
Manatona koa dokotera spécialiste satria ny technologie amin\'izao fotoana izao efa mahavita miracle mihintsy.
16. wawawa ( 27/07/2004 15:30)
Indraindray na manana probleme de sterilite aza ny olona iray, dia misy solution. Manatona dokotera ihany.
17. pitchou ( 02/08/2004 18:09)
mety daholo ireo toro-hevitra rehetra ireo pisou a! sady vao haingana loatra izany 6 mois izany!
18. fijo ( 16/08/2004 22:15)
mahalala cas hoatranao io aho,ary efa nitranga indroa ilay izy.nefa dia roa hanaka izao ilay olona.ka aza avy dia maika hanangana zaza izany fa manatona aloha dokotera.raha aty marseille iano dia manorana amiko fa homeko dokotera tsara.
19. chipie1 ( 24/08/2004 08:28)
efa voalazany ny namana reo ny tiako ho lazaina fa de mahereza! :-*
20. pisou ( 11/10/2004 18:41)
Manao ahoana daholo!
:P Vaovao mahafaly ho antsika rehetra. Miala tsiny aloha fa efa elaela no tsy nandalo teto noho ny raharaha sy adidy maro tsy maintsy atao.
Ny vaovao dia mitoe_jaza aho ary efa 10 SA(semaine), tena faly tokoa ny tena ary misaotra ny tompo noho ny fahasoavana izay nomeny.
Tsy nisy fanafody nohaniko afa-tsy vitamine B9 nandritra ny 2 volana ary tsy maintsy miala sasatra hoy radoko ary hara-maso akaiky ny vohoka. Htr@ izao aloha dia mizotra soamatsara na dia mora vizaka raha vao miasa kely, eo koa ilay marary2 kibo(io no tena atahorako). Izay reto ny vaovao fa dia misaotra anareo namana rehetra izay nankahery sy nanolo-hvt.
Dia veloma mandra-panoratra indray
Pisou
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4685