tsy ilaina kapohina ny zaza

1. sariaka91 ( 10/07/2004 10:57)
Amin'izao fotoanan'ny fandrosoana sy fivoarantsaina izao, mbola ekenareo ve ilay fitenenana hoe "ny zaza tiana no anarina sy faizina", sa ho ezahina ny tsy hikasihintanana ny zanaka fa torohevitra sy firesahana malalaka dia ampy anabeazana ny zanantsika ?
novalian'i sofina ny 03/03/2005 08:03
2. atmos ( 10/07/2004 11:16)
Misy nuance le izy ry sariaka91 a. Misy degre ange le hoe mikapoka e, ny kapoka @ tanana any @ fesse n'ilay zaza sy ny kapoka @ rotsan-kazo. Amiko ny zaza tsy voakapoka mazàna lasa "enfant roi" hozy ny fitenenana, ary lasa maditra sy mamalivaly aza indraindray. Misy fotoana ny zaza tsy mihaino anao mihitsy raha tsy voakapoka kely. Averiko indray tsy hoe kapoka hamono azy akory fa kapoka fampahafantarana azy fa tsy mety ny ataony ary mba tsy hamerenany an'iny @ manaraka. Izaho aloha anisan'ny voakapokan'i Dadanay fony fahazaza, fa tsapako fa ilaina ilay izy, satria ilay teny morale indraindray mandalo fotsiny fa tsy miraikitra.

3. ramoul ( 10/07/2004 12:46)
Sariaka91 marina fa efa mandroso ny tany ary ny fiainana koa; izany tsy midika hoe ny zaza rehefa maditra dia tsy ho kapohina tsony.
Mety tsy hampiova azy mantsy ny moral dia aleo ihany miverina amin' ny fanao taloha.
Rehefa tsy mety endry izy dia alefa any amin' ny internat
4. hendry ( 10/07/2004 14:34)
Zaho ndray kosa aloha tsy miombon-kevitra aminareo e! tsy fitaizana mahomby mihitsy amiko ny fikasihan-tanana. Matoa tsy mandaitra ny fitenenana tsotra na ilay lazainareo hoe morale dia ilay fomba anaovana azy ngamba no tsy mampandaitra azy.
5. sariaka91 ( 10/07/2004 18:29)
Misaotra an'i Hendry fa tena mizara hevitra aminao tokoa aho. Lazaina mantsy ankehitriny fa tsy fahombiazana ny fikasihantanana, noho ny tsy fahaizan'ny RAD nanisy dialogue teo @ fitaizana. Ilana faharetana be dia be eo @ RAD vao tena miraikitra io fomba fitaizana io. Hitako @ vadiko ohatra, tsy mba nahazo fessées izany hatr@ fahakely, nefa hendry sy nahafapo ny RAD foana. Izahay anefa nahazo foana, dia vao maika aza izahay mamaly be na zao lehibe izao aza. Izany no mahatonga ahy tapakevitra fa tsy hi-appliquer ny taiza miampy kapoka @ny zanakay, satria amiko tsy hitako ny vokany ary tena tsy nilaina mihintsy satria indraindray dia tena tsy rariny.
6. sariaka91 ( 10/07/2004 18:36)
atmos> ilay resaka enfant roi amiko dia ho an'ireo RAD tsy manana notions na fitaizana fa dia extrêmistes be fotsiny. Tsy miezaka akory izy hireo hanome lesona sy fitaizana fa dia avela hiliba eo ny ankizy, ka noho ny tsy fisian'ny limites no mahatonga ny ankizy ho very. Misy koa ireo RAD atao hoe "paumés", mazava ho azy fa ny tenany aza tsy voataizany, maika fa ny zanany.
Fa ny ahy kosa ny zanako vao 15 mois tsy kapohako na fessée na tape kely fotsiny ihany aza fa resahako foana. Anjarako ny manaramaso azy tsara mandrapahalehibeny ahaizany mandeha irery eo @ fiainana.
7. ari.malala ( 12/07/2004 12:49)
Marina aloha fa ny zaza rehefa voakapoka foana dia lasa mahery setra sy faingan-tanana ka lasa mamono sy mamaly,noho izany dia tsy vahaolana loatra amiko ilay isak'izay manao ny tsy mety ny zaza dia hovoadaroka foana, fa tsy haiko nareo fa za indraindray maha kasi-tanana ny zanako ihany! Tena lasa faingan-tanana be ilayz aza rehefa avy voakapoka.
8. ramoul ( 12/07/2004 13:44)
hendry, zanaka tiana tsy tsitsina ratsak-azo.
Mamy ny zanaka fa rehefa manaiky nono ahifika.
9. ramoul ( 12/07/2004 13:47)
Marina fa misy maha-ratsy ny mikapoka ny zanaka ankehitriny, fa na dia izany aza tsy mety satria ny zaza amiko tsy roi zany ary tsy zareo ny mandidy hoe izay tiany no atao.
10. ramoul ( 12/07/2004 13:49)
sariaka91 raha itano fa nahatsara ny vadinao ilay tsy nokapohina tam' bola kely dia ataovy amin' ny zanaka fa ho itanao hoe inona ny vokany avy eo.
Zaho aloha tsy hilaza hoe inona lay vokany fa andramo fotsiny.
11. atmos ( 12/07/2004 15:16)
Zay zanaka tiana no anarina sy kapohina e. Samy hafa ny atao hoe kapoka sy ny daroka.
12. hendry ( 12/07/2004 16:46)
na kapoka na daroka rehefa mikasin-tanana amiko dia tsy ekeko. Averiko ihany fa raha hainao ny mitaiza ny zanakao @ alalan´ny fitenenana hatr@ izy mbola kely dia tsy mila mikasin-tanana azy akory enao dia ho hitanao fa ho afaka ny ho zaza hendry izy.
13. wawawa ( 12/07/2004 17:42)
Ny zanaka tiana tsy tsitsiana rotsakazo!
14. sariaka91 ( 13/07/2004 07:58)
Ny fitaizana anie tsy midika hoe fikasihantanana fotsiny ihany, fa misy ny anatra, ny torohevitra, ny dialogue... Tsy hoe rehefa tsy mikapoka dia tsy mahay mitaiza. Azo atao ny manome fetra ny ankizy na tsy ombankapoka aza izany.
Amiko aloha dia isika Ray&reny no modely ho an'ny ankizy. Ka raha ianao no mikasitanana azy dia heveriny fa mety io dia haveriny aminao, na amina ankizy hafa. Izay ataontsika lehibe ihany no alainy tahaka. Lasa resaka ankeriny fotsiny ilay izy.

ramoul> dia foinao andraisana ratsakazo ve ny zanakao ? Tsy naharary anao mantsy izy ka ! Ka raha tezitra aminao indray andro any izy dia mba lasa koa maka rotsakazo hikapohana anao. Hanaiky ve ianao ? Ce n'est que justice. Ianao mahazo mikapoka azy dia izy koa izany mahazo mikapoka anao.
Io ange no tonga @ fitenenana hoe "izay tsy tianao hatao aminao aza atao @ hafa.
15. sariaka91 ( 13/07/2004 08:09)
ari.malala> mila fotoana ela ny zazakely ahaizany mahafantatra sy manaja ny fepetra (limites) omenao azy. Io temps d'apprentissage io dia tokony hajaintsika r&reny, na dia somary maharitra ela aza, satria hono tsy mbola matotra tsara ny mémoire-ny zaza ka matoa izy mamerimberitra ny ditra efa nitenenanao azy, dia hay adinony ilay izy. Anjarantsika ny mamerimberina ny "interdits" mandrampahaizany azy.

Indraindray koa ilay kapoka tsy voatana dia lasa tampoka noho ny tsy fisian'ny faharetana. Noho izany dia ilaina ny faharetana.
16. ari.malala ( 13/07/2004 13:18)
Indraindray very ihany ilay patience satria efa trop ilay izy! Ary io tsy misy hoe naharary sy tsy hanarary izany! Raha reny koa tsy maintsy mahatsiaro naharary t@ niteraka fa misy fotoana nefa ilaina ihany ilay mikasi - tanana ahatsiarovany fa tsy mety ilay nataony. Tsy hisy koa zaza handray hazo hikapona ny rainy sy ny reniny izany na dia atao hoe zanaka adala aza. Ara bakiteny be ilay hoe izay tsy tinao atao @ teneno dia aza atao @ hafa satria resaka fanabeazana no resahina eto. Tsy adala ny Ntaolo nanao ilay oha pitenenana hoe ny zanaka tiana tsy itsitsiana rotsak 'hazo.
17. kally ( 13/07/2004 18:11)
Sariaka91>Ohatra iray ity : sintosintonin'ny zanakao foana ohatra ny rambon-tsaka,resahinao foana izy hoe aza sintonina ny rambony fa mankatsy na mankaroa.Dia mbola mamerina foana ilay zaza,ianao moa manam-paharetana dia miandry eo ihany,kanjo indray andro norangotin'ilay saka tampoka izy,nihitatra ny ratra satria saka narary hay izy ity.Voan'ny haromotana ny zanakao.Minoa ahy ianao fa raha efa nokapohinao kely indray mandeha ny tanany tsy hisintontsintona an'iny tsy nitranga io zavatra io.Hatraiza ary ny faharetana?Amiko matoa ny ditra miverimberina dia tsy mandaitra intsony ny teny,noho izany ilaina ny kapoka kely.
18. booboo ( 13/07/2004 18:35)
zà mitoby hevitra @ ramoul oe mamy ny zanaka fa rehefa manaiki-nono ahifika !
kally>ekena
19. hendry ( 16/07/2004 15:26)
mety hitranga io ohatra nomen´i kally io nefa raha zaza zatra notazaina hino sy hankatò ny tenin´ny ray aman-dreny dia mino aho fa raha notenenina indray mandeha monja aza izy hoe aza sitonina ny rambon-tsaka dia mety tsy hisintona intsony izy.
20. kally ( 16/07/2004 17:50)
Misy io zaza tenenin'i Hendry io fa saingy hita io toetra io any @ zaza somary manana fahatarana, fa ny zaza tena misokatra ara-dalàna ny sainy dia mikirakira lava sy mipelipelika ary sarotra tenenina, izay no mahatonga ny kapoka.Arakaraky ny mahalehibe ny zaza koa anefa no tsy ampiasàna ny kapoka intsony.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2676