tsy ilaina kapohina ny zaza

21. booboo ( 27/07/2004 11:06)
ié dé raha zà no eo @ toeran'ilay reny raha mbola mamerina dé kapohako ( kely ) :roll:
22. jhouhlambout ( 27/07/2004 14:44)
Tsy mila bedesina physiquement ilay zaza fa ampahafantarana azy ny zavatra nataony(psychologiquement), sady raha voa ny mentalité dia miraikitra mandrakizay ao an-doha ilay zavatra natao :twisted:
23. wawawa ( 27/07/2004 15:04)
Misy zaza mora tenenina. Vao miteny ianao dia azony ny zavatra tsy mety nataony. Fa misy kosa ny zaza sasany mila kapohina vao mahatsapa. Arakaraka io. Fa ny RAR anie tsy mikapoka ny zanany raha tsy tia azy e! Raha tiana handeha @ lalana mahitsy ny zaza dia mila anarina satria ny olona rht dia manao fahadisona
24. jhouhlambout ( 27/07/2004 15:10)
wawawa > Tsy voatery ka, na zaza mafy loha na zaza mora tenenina, raha mahay mampiseho ny gravité ny ratsy nataon\'ilay zaza ny RAR dia O.K. Ohatra hoe: apetraka @ toerana iray ilay zaza dia tsy avela mihetsika eo :evil: :twisted: :-D :-D :-D
25. booboo ( 28/07/2004 13:57)
dé raha traumatisé @ zany lé zaza dé aôna ? Ho kapohina izy traumatisé, bedesina @ teny ho traumatisé dé aôna zany ? :^) :^) :^) :^)
26. jhouhlambout ( 28/07/2004 15:11)
Ka raha traumatisé @ kapoka izy dia miaina ao anaty Violence fotsiny, nefa raha traumatisé @ teny dia afaka mivoatra any @ tsaratsara kokoa :wink:
27. kitjo ( 29/07/2004 08:44)
Ra za aloha nokapohina vao mainka nanao mafiloha be e, sady refa mahazatra le izy aveo tsisy dikany tsn fa iafiana kely vety2 eo fts

Aleo tenenina tsotra fa le be menomenona koa mankaleo d henoina fts fa adino aveo.
Fa ny anah ny tiako le antsoina mitokana d tenenina tsotra, ampahafantarina aloha hoe inona ilay tsy nety natao sy tsy mampety azy,

arahin\'ny RAR kely @ ilay hoe \"efa lehibe enao tsy tokony tenenina anzany tsn\" Tonga saina tsara mitsy!

Fa surtt le ankizy kely @ 5na 6 ans eo tsy mety mitsy le bedesina lasa inddra kapohina fa fivelaran\' ny sainy @ manodidina manko eo ka ...

D refa 16---18ans eo koa, eo ndray izy le lasa mifikitra ary tsy mihaino afatsy ny namany raha tsy azoazony ny fomba firesaky ny RAR-ny. Indrindra fa zaza mpahazo kapoka....
lsa hotely sisa ny trano ary tsy fidiny zany hody ao antrano zany
28. ludo ( 02/08/2004 06:22)
Ekena daholo zay rehetra voalaza fa mba manankevtra kely aho @ kapoka tsy we akory
hoe vonoinao hofaty izy sanatria fa atao @ antonony nefa indraindray ny tendripo tsy mahanamana ka lasa mihoatra ny fefy lay mpikapoka,kanefa ndray ra we tenenina fotsiny izy de midingindrambo ka ianao iany no menatr'olona avy eo we zanak'iza iny fa ny tiako d ampiarahana izy roa (sady mikapoka ianao no mananatra @ fotoana tsy tokony hikapohana)
29. ari.malala ( 02/08/2004 14:12)
Ao ihany anie ila hoe azavaina ilay tsy mety nataony ê! fa misy fotoana ilaina ihany ilay kapoka kely tsy sanatria hahafaty azy na haha traumatisé azy fa ahatsiarovany ny tsy mety nataony. Témoignage kely, nisy zavatra tsynataoko akory fa nanendrikendrehan'olona ahy, dia ny dadanay tsy nino ahy fa hoe olon-dehive iny niteny iny ka tsy hanana tombon-tsoa hanendrikendrika ahy dia nokapohiny aho , nkapohiny t@ fil fa tapaka nizara 6 ilay fil. Nianka maty aho ary tapa bolana nainka tsy nahay nandeha sady menatr'olona @ ilay mivanditra sy mibakabaka fandeha, fa tena nanao voady aho hoe rehefa manan-janaka ahon any aoriana any dia tsy mba hihaino feon-dakolosy tokana sady tsy mba hamono zaza @ fil izan na tezitra tahakan'ny inona aza!
30. kally ( 02/08/2004 15:12)
izany an!i ari malala izany kosa efa daroka fa tsy kapoka intsony kah.
31. pitchou ( 02/08/2004 18:18)
raha izaho kou alou d tsy hikasi-tanana ankizy na zanaka izany mihitsy aho e! ny nahazo ny tena taloha aza efa tsy fidiny ka d hanao izany indray ve? fa ny hitako nety hatr@zao d ny miresaka @ le zaza, tsy voatery hanaraka foana ny sitrapony satria misy tsy mety ny sasany saingy raha mihaino azy d tsapany hoe asiana lanjany ny heviny! indraindray kou fanao le somary manao fanamby miaraka aminy!
fa misy ditra tsy mbola nolalovana alou d tsy loatra ze anazavana azy sy iresahana azy aminy e! angamba tsara fadiana ny mibedy azy noho ny heviny tsy mitovy @ny an'ny tena fa manjary manao révolte izy!
Indraindray kou angamba mila mipetraka eo @ toeran'ilay zaza tiana ahitsy ny RAD! b d b manko ny RAD mihevitra fa izy ihany no manana ny marina!
32. mimich ( 06/08/2004 14:06)
Ilay fikapohana any an-tsekoly aloha dia tsy ankasitrahako mihitsy e! Fa raha ho an'ny RR indray , araka ny fiheverako azy, ny kapoka atao matetika sy mafy loatra no tsy mety satria lasa tsy misy lanjany eo @ ilay zaza intsony ny atao hoe kapoka . Fa raha indray mandeha na indroa tao anatin'ny fahazazan'ilay olona ve izy no mahazo kapoka @ izay zavatra tena tsapa fa tsy mety ary ratsy nataony , ataoko angamba fa mety ho anatra ho azy @ ho aviny iny tsy hamerenany izay mety ho fahadisoana goavana nataony izay intsony. Ny zavatra tena tsara indrindra aloha dia ny fifampiresahana @ ilay zaza e! ary ezahina ampahafantarina azy ny antony tsy mampety ny zavatra ataony , fa raha lazaina fa hoe tsy azo atao fotsiny io vao maika hataony iny satria hitady ny valiny izy hoe maninona no tsy azo atao.
33. pitchou ( 08/08/2004 11:45)
mimich> saingy misy zaza tena mahavita miaritra marary! d le mikapoka indray no harary fo mialoha! ka tsy aleo ary v raha hanasazy ihany le zavatra tsaroan'ny ainy iny no anasaziana azy? oh hoe tsy mahazo mijezry télé rehefa mande ny dessins animés (saingy ny lehibe raha hijery tsy maintsy hanarangarana izy) na puni tsy mahazo milalao playst, na tsy mahazo mivoaka ..
34. mimich ( 10/08/2004 09:46)
pitchou a! ataoko angamba fa ny zaza zatra kapoka no mahavita miaritra maharary fa tsy ny zaza sambany vao nahazo kapoka satria tsy mpahazo azy izany ka tena ren'ny ainy.
35. fijo ( 16/08/2004 22:17)
iry voalazan'i atmos ery ambony iry no hitako fa mety.
36. donemaskit ( 17/08/2004 22:56)
kapohina izy rehefa hita fa ilaina, @zay hitany hoe tsy moramora ny fiainana
37. annie ( 16/12/2004 09:29)
Miarahaba anareo rehetra!
Amiko kosa an! de tena hilaina ny mikapoka!
Raha ho antsika miorina @ fivavahana an! de misy andininteny ao @ Baiboly ao manao hoe; \"zaro @lalana tokony alehany ny zaza, fa na de lehibe aza izy de tsy hiala aminy intsony\"
Noho izany de tena ilaina ny fifehezana ny ankizy!
Jereo fotsiny ange ny zanak\'ireo vahiny e? Tsy misy fatahorana ray amandreny intsony satria maninn? Mbola kely izy de efa ampianarina sahady any antsekoly fa tsy manana fahefana mikapoka azy ny ray amandreniny fa afaka miantso mpanao fahefana ny ankizy! De inona anefa ny vokany? mandroso any @ fahaverezana ny fiainany!
Koa raha tena tinao ny zanakao aza hitsitsina ratsankazo hoy ny fitenenana! Fa mahasoa azy izany
38. mihanta ( 17/12/2004 07:18)
rehefa tsy hay tenenina intsony d ilaina ny kapoka ho an\'ny ankizy.nefa raha mba nanao ny mety kosa izy d mba omeo sitraka ihany kou
39. majakely ( 21/02/2005 13:25)
Izah aloha tamin'ny mbola kely dia voakapoka foana tamin'ny Dadanay ;ary maty izy rehefa feno valo taona aho. Ary tsoriko fa hatramin'izao aho mbola mitomany rehefa mahatsiaro ny kapoka nomeny fona isaky ny misy zavatra tsy mety nataoko ,ary rehefa maty i Dadanay dia i mamanay tsy mba mikapoka izany nefa kosa vao mikipy maso izy rehefa eny imason'ny olona dia mijanona haingana izahay manao betise fa matahotra azy ho tezitra '...
40. sofina ( 03/03/2005 08:03)
[tsy mazava ny fitenenana hoe kapohina, mba fantatrao moa fa ny masonao mivandravandra fotsiny aza dia efa naman'ny midaroka ihany? matahotra izy dia dikan'izay marary ny fony, voakapoka ihany ny dikany,ny mikasika tanana na @ andro fandrosoana aza isika rehefa manao be marenina ny zaza dia tsy maintsy raketina ny tsongon-drenikely
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1335