nanomboana nanoratra...

41. toetra ( 30/08/2004 14:25)
Tsy nisy dona nanjo akory no nahatonga ahy nanoratra efa ho 20 taona lasa izay, fa fitiavana tsotra izao ny teny malagasy sy ny tononkalo.
Izy io angaha no vadiko faharoa ! Rehefa reraka manoratra aho vao mba mitady zavatra hafa ialàna voly :

Atsotra ny tànana tena ngoly,
Satry indray mba hiala voly,
Tsy mety anefa fa toa voatàna,
Ny penina ihany no isakaizàna.
42. nikopol ( 30/08/2004 15:07)
Toetra, raha vehivavy ianao toa mety ho hafahafa ihany ilay mi-sakaiza amin'ny penina a, eny e, raha lehilahy koa aza. :lol:
43. yonikafopl ( 30/08/2004 16:05)
niko hihihihhihihihihihihih
izaho dia tena tsy mba nahay famakafakana lahatsoratra tany ampianarana fahiny, tsy mba nahazo nihoatra ny 06/20m mihintsy aho t@ malagasy hatramin'izay, nefa ny nahagaga ahy dia tia manoratsoratra io aho, tena resaka fitiavana no nanombohako nanoratra , tsy voatery ho niainako ilay izy , nefa misy ifandraisany ihany indraindray :-P .Tsy azoko lazaina ho talenta ihany koa anefa ,..... tsy haiko ny hilazana azy aminareo.

44. kitjo ( 30/08/2004 17:16)
yoni> njay ngah mpanoratra koa? :wink:
Misy santionany ve ao @ tonkalo? za mba hijeeeery
45. ikaretsaka ( 31/08/2004 00:06)
ny ahy koa nitovitovy t@ ndramaso ny nanombohako nanoratra.. Ny feonkira no lasa aloha dia tsy maintsy nitadiavana feony.. dia manoratsoratra eny ihany rehefa miainga ny fan'ahy (sa tsy izany??)
46. bichette ( 31/08/2004 12:58)
nikopol > :-D :-D :-D
47. kitjo ( 31/08/2004 17:58)
ika> ingao hoeeee :-P
48. kitjo ( 05/09/2004 13:18)
ramaso> mmhhhhh, efa k! fa tsy pr tt public ngamba :-P :}
49. bichette ( 27/10/2004 06:08)
ramaso > avoahy anay ny sangan\'asanao fa liana izahay
50. xxx ( 27/10/2004 08:57)
za nanomboka nanoratra fony 5 taona nianatra ny ABCDEFG
51. hery ( 28/10/2004 10:40)
Raha ilay bandy mpanoratra eny ambony metro (izay lasa ataoko koa am\'zao) tamin\'ny fotoan\'androny dia fantatro tsara hoe firy ny nosoratan\'i ramaso... fony izy mbola lasam-borona :-)
Tononkalo rap daholo hihihi
52. bichette ( 29/10/2004 06:33)
ka mila mba avoaka anie e ! na dia iray monja aza e ! ao moa ramaso a !
53. ikaretsaka ( 30/10/2004 23:47)
T@ ny taona 98-99 tany no nifanenako t@ ndramaso rappeur. nandravaka ny rap-ny t@ basse aho t@ izany fotoana izany.
Rap mamely sy mivantambatana izay (style sareraka) ny azy, manao resa-b sy politika no tena betsaka ... efa saika hoe hanangana tarika sy CD sns mihitsy aza fa za mo sahiran-dava dia izy koa tsy hitako intsony izay nanjavonany

Dia samy noteren\'ny fiainana teny dia nahodin\'ny tany teny, dia izy any moa za aty!

Raha efa naheno an\'i \"milliardaire\" an\'i francis turbo enao dia jereo any @ hery any ny firaiketana fa teto @ ity serasera ity izy roalahy no namorona an\'io ( propagandy 2001) ary nampivarahontsana ny mpanao propagandy t@ izy fotoana izany.
mety mbola ho tanteraka ihany ilay izy angamba rehefa \"lasam-bichette na i mumu lery\"?
Sa tsy zany lety ramaso ry lety ry lety?
54. hery ( 31/10/2004 17:46)
Sombiny fotsiny (tena sombiny tokoa)
Azonareo tadiavina ao amin\'ny lisitra.serasera.org ao

Date : Samedi 17, Juin 2000 0:52
Objet : Fety ity andro e

Dia ho fety indray ny andro
Ry gasy kely namako
ka tsy ho toy ny isan\'andro
ny fisosan\'ity tanako

Dia aleo aloha hifampiarahaba
na dia isika samy isika ihany
Tsara vitana \'sika angamba
tratra izany fety izany

Efa hitako fa ho feno
Ny praograma an\'io
dia izay ho hita na ho heno
hankafizo, hifalio.

hisy ny hisalanitra
hisy ny hivory
hisy ny hatory
andro asaramanitra

aza hadino koa ny mivavaka
ho an\' tanitsika izany
Sy ho an\'ny gasy
eny na hoe io andro io ihany!

dia izay revinareo any!
na izay tapaka any
dia tsy mampaninona ahy

fa ny ahy dia izao ihany
hoe rehefa misy any
Gasy falifaly,.. dia faly aho rangahy!


Brooklyn, New York, USA. Jiona 2000.
55. ikaretsaka ( 31/10/2004 18:08)
Ity koa nisy tononkirany 1 nasiako feony t@ izany fotoana izany. nohiraina t@ JMJ tany toronto


Ny andriamanitra hivavahako
tsy ny sefobe-ko akory
fa ilay zoky hiresahako
rehefa alohan\'ny hatory

hitantaraiko ny fiainako
toy ny nama-mahatoky
hilazako ny tarainako
Raisiko ho solon-joky

Tsy andriamanitra angatahiko
ny zava tsy takatry ny loha
fa mpandrotsirotsy ny fanahiko
Izay no andriamanitro aloha

Tsy ilay toriako eran-dalana
sy hisaritako ny olo
tsy ilay raisiko isana\'andalana
ao anaty baiboly

Tsy hivavaka aho hangataka
na \"mivakaka\" hono izany
na handidy sy hanapaka
fa izao tsotra ihany:

Fantatro aho fa tiany ho faly
Dia ampy ho ahy izay
Matoa izy mbola mamaly
ny fivavako hatrizay!

Tsy ary ho takatry saiko
ny famaliany izany
fa ny ahy no mba hany haiko
dia ny resakay henoiny ihany!

Izay no mbola hivavahako
sy andefako ny fanahiko
hifantoka mankany ihany:
\"Ny fivavako izany\"

Tsy olako ny fivavakao
fa anao sy Izy izany
fa kosa faly aho mahita anao
mbola mivavaka hatrany!

56. hery ( 01/11/2004 08:07)
bichette> revy hafa mihitsy ny an-dramaso fa sao enao gaga an... mila miakatra kely vao mahazo tsirony :-D
57. bichette ( 02/11/2004 10:28)
misaotra e ! voavaky.
58. kally ( 06/11/2004 18:27)
Izaho telo taona no nanomboka nanoratra voalohany dia tao anaty kahie \"vorondolo\" hay kahie akanga kay moa..azafady!dia avy eo mianatra manoratsoratra ho an\'ny sipa nony 16 taona, dia izao manoratsoratra eto @ serasera izao indray,sa tsy aingam-panahy izany?
59. ikaretsaka ( 07/11/2004 03:15)
izy koa iny..
ny ahy aza ny anarako voasoratro voalohany t@ ambalazy beige be izay no tena contemple-ko hoe piece sarobidy indrindra @ asasoratro
60. kitjo ( 07/11/2004 09:26)
ihhiihihih
ny anah tsy tadiidko fa ny soratsoratra hafatra etsy forum eroa izao no bdb :lol:

fa hay v ty ramaso ty aloha b inspiraka b oh io e?
ary izy manafin-talenta an :)

milay e :)

ramaso> za manoratsoratra ankoatra ny fianarana fa tsitako izay asiko azy fa refa miainga iny fts d maka rai-taratasy

Le frista ambony sehatra ihany marina angamba no haiko.....antsoy za hanolotra an\' Ika sy ramaso znay refa mihira nareo :P
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3879