Ity forum ity

1. hery ( 03/05/2004 23:39)
Tsy tsikera momba ny takelaka, na momba ny votoatin'ny serasera fa eritreritra mandalo fotsiny.
Any am-pianarana izahay dia takiana hanoratra, hanoratra, hanoratra hatrany. Ary rehefa avy manoratra ianao dia rovito indray ny zavatra nosoratanao dia mamerena manoratra vaovao. Izany no fiofanana.
Dia hitako fa mampivoatra ny fomba fanoratana ity forum ity. Inoako fa betsaka ny mahatsapa an'izany ireo manoratra eto. Ka izao misy sosokevitra kely izay iriako andramanareo mba hisy vokany eo amin'ny fiainana mihitsy (na arak'asa, na ara-pianarana, na ara-malagasy) ny fanoratana eto amin'ny forum, ankoatran'ny fahazoana sy fizarana hevitra.

- Rehefa mametraka fanontaniana dia fanontaniana misokatra no apetraka. Izany hoe tsy ilay mitaky valiny hoe Eny na Tsia.
- Fanontaniana izay fantatrao ny valin'ilay ho valiny. Izany hoe alaina antsaina izay mety ho valiny sy ny fomba hamalianao an'iny valiny iny. Manampy eo amin'ny firindran'ny fieritreretana io.
- Rehefa manoratra dia asio fampidirana kely. Makà ohatra izay fantatry ny olona rehetra. Hozy ny prof Histo Geo-nay izay hoe, Rehefa tsy misy ohatra dia angano izay.
- Aza tonga dia mamaly an'ilay olona manohitra ny hevitrao. Mety misy olona mitovy hevitra aminao hamaly azy.

Mbola hitohy arakaraky ny traikefa...
Fa na izany na tsy izany dia hitako manampy ahy amin'ny zavatra ataoko mihitsy ity manoratsoratra eto amin'ny forum ity. :)
Misaotra anareo rehetra e.
novalian'i fijo ny 26/05/2004 23:19
2. ikaretsaka ( 04/05/2004 03:26)
raha sarambaben'olona koa ianoa ka asaina mifisy.. eny na tsia no fidiana fa tsy wawawawawa be fotsiny.. lasa resaka ambony vavahasy ilay izy ko
3. samoina ( 04/05/2004 06:45)
hery/ Marina mihintsy ilay hoe manampy @ zavatra maro ny manoratsoratra eto. Ny mamaky ny hevitry ny namana koa torak'izany, na hevitra mifanohitra tanteraka @ eritreritry ny maro aza !

ramaso/ Fanitsiana kely : tsy "courage" ilay lohahevitra nasiana nofakafakaina t@ io tantara io fa "risque".
Dia navalin'ilay mpanao fanadinana hoe: " Le risque c'est ça: . "
4. ravatorano ( 04/05/2004 09:03)
hery>marina tokoa aloha izany rhtr voalazanao teo izany e saingy izay tsy manoratsoratra no ataonay eto fa tena manoratra tokoa ! :wink:
referendum ve zany ry ikaretsaka ?
samoina sy ramaso : inn no tena marina amin ilay courage sy ilay risk ary ilay teboka ???
5. sambatra73 ( 04/05/2004 09:45)
hery: rà zà manokana, mresaka @ forum ilako hevitra vao2, na manome sosokevitra.

Raha fantatrao ny valin'ny fanontanianao, inona no intérêts??? hanadala olona, hamery andro ny sasany?

Nenà aloha dia tonga dia valiko fotsiny satria ny hevitra no tediavina fa tsy anao exos eto. Rà lava lôtra tô tsisy pamaky. Ny sasany mandoa volab refa mi-seconnecter...
6. hery ( 04/05/2004 09:48)
Soa ihany fa eritreritra nandalo
7. hendry ( 04/05/2004 09:54)
Misy marina ny lazain´i Hery.
Ny olana kely fotsiny amiko dia ilay ohatra isaky ny mandeha. Misy tsinona zavatra mitombina nefa tsy ahitana ohatra sady matetika (ohatra ahy aloha), isaky ny hametraka lohahevitra dia tsisy fiomanana be fa tonga ho azy lay izy.
8. yonikafopl ( 04/05/2004 11:11)
ny ahy koa ry hendry , izay hevitra miseho ka somary mahasarika ahy dia tonga dia manoratra izay ao an-tsaiko aho . arakaraka ny experience hitako koa no hamaliako izay loha hevitra mitranga, indraindray ary aho manoratra vao tonga saina hoe izany tokoa moa no tokony hatao???
9. booboo ( 04/05/2004 11:44)
zay ! ny sasany mitondra kitay be ny sasany bozaka ny sasany taratasy etc.. nefa miredareda fôna ny afo !
10. sambatra73 ( 04/05/2004 15:20)
ramaso,
rà bô ôtran'i sôkiraty dôly tokoa mou ny retraretra mresaka @ forum d tena lafatra araka ny teninao

booboo,
tena tsarab io filazanao azio :)
11. sambatra73 ( 04/05/2004 15:22)
hery:
fa manampy tokou ty mresaketo ty ka, zà zao nanao rév° mitsy teto
12. besoiiin ( 04/05/2004 17:24)
misy mahatsara azy toukou ilay famakafakana sy fanazavana lava! fa ny indro kely foutsiny dia ity! tsy haiko na izaho no tsy manana patiance na ahouana fa tena maika hamaky izay hevitry ny rehetra aho ka lasa tsy voavaky ilay hevitra lavaB fa lasa voasarika hamaky ny eo ambany hatrany! kanefa na izany aza mba hiezaka hamakafaka sy hamaky tsara manomboka izao e!
13. fijo ( 04/05/2004 23:25)
"risque" ilay izy no marina fa tsy courazy.
hevitra iny nalefan'i hery iny ka samia maka izay azony halaina ao,fa nety taminy ka mety hisy vokany amin'ny hafa koa.asa,fa diniho ihany aloha e.
14. mumu ( 05/05/2004 07:54)
mifandinika eto zany hihihi,
i boboo no nilaza ilay tiko ambara
15. ikaretsaka ( 05/05/2004 20:17)
fa ilay ohatran'ny hoe "forcena" ny olona hi bararine no ohatran'ny tsy mety.. laza zarina hiolakolaka ilay gasy @ izay ny fahitako anazy satria izany tsy maintsy milaza eo dia eo de eo de eo de eo manditra ny elaela izay vao lazaina ilay hevitra.. misy anbefa ohatranay izay zatra tonga dia manaoi ilay hoe tonga dia ny voamasony no potserina..
arakarak'ilay univers misy anao sy ny zavatra ataonao io. raha zatra fianarana sy fiainana any @ tany latinina (italiana Frantsay sns..) dia io ilay zatra miolakolakasy lava kabary
fa ny zatra fianarana Anglo saxons (Alemanina, USA, Canada anglisy, sns )dia tonga dia mivantana..
Efa miparitaka ny gasy izao ka ataoko fa tsy mety ilay karazan'ny mi forcer azy ohtran'io
Hery: any ampianaranareo izany.. ary forum ny eto fa tsy any ampianarana.. sa?
16. hery ( 05/05/2004 20:19)
ekena :)
17. ikaretsaka ( 05/05/2004 20:30)
dia aza terena hanaraka ny any am-pianaranareo ary ny olona :)
18. jhouhlambout ( 06/05/2004 12:06)
maka risque aho mamaly eto satria .... no apetrako
19. ikaretsaka ( 06/05/2004 23:26)
ny ahy . 1 ihany
20. hery ( 06/05/2004 23:51)
Eny e, marina tokoa fa tsy mitovy amin'ny any ampianaranay ny eto... fa ny eritreritra napetrako teto dia expérience ho ahy. Nolazaiko hoe nanampy ahy be t@ zavatra ataoko any ampianarana ity forum ity. Mampivoatra ny fomba fanoratako hoy aho.

Raha nametraka sosokevitra aho dia sosokevitra tokoa no napetrako fa tsy fanerena hanaraka ny zavatra atao any ampianarana.

Hoy aho : "sosokevitra kely izay iriako andramanareo" ... izany hoe sady sosokevitra no mbola faniriana fa tsy fanerena mihitsy.
Samy manana ny fomba fanabeazana azy sy ny tanjony ary ny zavatra ataony eo amin'ny fiainana ny olona. Koa averiko ilay namaranako ity eritreritra ity nanao hoe "Fa na izany na tsy izany dia hitako manampy ahy amin'ny zavatra ataoko mihitsy ity manoratsoratra eto amin'ny forum ity".

Hmmm, toa tsy misy fanerena mihitsy io (na ankolaka aza) fa fizarana fotsiny ny zavatra azoko eto.
---

Ok, ny zavatra nandrasako dia hoe inona koa ny zavatra azonareo tamin'ity forum ity (izay ilay lohahevitra hoe "Ity forum ity") Ny ahy izany dia fanampiana be dia be amin'ny fomba fanoratra... fa tonga moa dia navadik'i ramaso ny sujet hoe (ny fiheverako azy) "Fanoratana lava ve ity forum ity"... dia izay no nitohizany.

Fa na izany na tsy izany dia hitako manampy ahy amin'ny zavatra ataoko mihitsy ity manoratsoratra eto amin'ny forum ity. :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5252