plat tena gasy

1. peluche ( 24/04/2004 12:17)
otrany tsy de betsaka lotra.Omeo hevitra.
novalian'i kitjo ny 03/07/2004 07:19
2. hendry ( 24/04/2004 12:23)
-varanga
-ravitoto sy henakisoa
-voanjobory sy henakisoa
-kitozan´amalona
-hen´omby sy anamamy
Aoka zay aloha fa lasa noana be aho.
3. oully ( 24/04/2004 12:26)
Ron'anamamy sy angivy miaraka sakay. Dia hena atono. Ny vary moa tsy adino. Miam!!!
4. kally ( 24/04/2004 12:31)
Trondro be nofony tsara asiana henakisoa sy voatabia sy tongolo,miam!
5. peluche ( 24/04/2004 12:50)
inona lay varanga ry hendry?
6. sipagasy ( 24/04/2004 13:59)
NY voa maina isan'karazany ampiarahana @hena, ny nahandro trondro gasy ihany koa.....
7. ikaretsaka ( 24/04/2004 22:29)
ny voamaina ampiarahana amin'ny hena koa anisan'ny mampiavaka ny gasy an
8. samoina ( 25/04/2004 04:51)
Ary aiza ny toeran'ny patsa majinika @ izay rehetra voalazanareo mampilendalenda izany ? MMmmmm !
9. sipagasy ( 25/04/2004 14:35)
ary ny henakisoa & amalona mmmhh, dia ny trondro maina, sy ny ravina (anana) isankarazany ampiarahina @ hena (omby na kisoa na vorona) ary aoka izay ha mampanoana kannnnnnnn
10. booboo ( 25/04/2004 15:42)
ovy sy patsa mena miaraka @ hen'omby dé asiana anamalaho
11. jhouhlambout ( 25/04/2004 16:12)
ary ny vary @ anana .....
12. samoina ( 25/04/2004 21:45)
Ary ahoana ny mampatsiro ny taovan-kena ?
13. ikaretsaka ( 25/04/2004 22:41)
atao somary ratsiratsy sasa hono
14. samoina ( 26/04/2004 07:16)
" Akoho mantsin-tay, manitr'am-bilàny " marina !
15. tequila ( 26/04/2004 14:54)
hen'omby ritra
trondro atao lafika
be dia be kosa e...
16. tequila ( 26/04/2004 15:00)
Ny varanga dia hen'omby ritina dia effiler-na dia avy eo endasina , ampiarahina amin'ny tsiasisa dia tsara be .
Ao koa ny ravim-bomanga sy patsa sy hena , ny fozakely sy henakisoa ...
17. samoina ( 26/04/2004 15:34)
tequila / inona izany tsiasisa fa vô voalohany no nandrenesako izany ?
18. alz ( 26/04/2004 15:51)
Ary ny bononoka sy ny abobo?

Ny ahy ny hitako tamina Resto iray Crevettes sy Coquilles St jacques, sôsy lait de côcô.

Ny akoho ampiarahana amin'ny sôsy sakamalaho.

Asa aloha zany na gasy na ahoana e?
19. nananie ( 26/04/2004 15:56)
Nôna za ry reto mamaky an'izao rehetra izao . Miam miam!!!!
20. fijo ( 26/04/2004 21:57)
samoina ny tsiasisa dia voanjavatra kely toy ny lojy izay tsara be raha miaraka amin'ny hena omby matavy.
rambonomby sy tsaramaso.
hena kisoa sy petsay.
gana sy tsaramaso.
akoho sy soza.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1047