Resaka nify

1. alz ( 21/04/2004 10:10)
Any amin'ny tany an-dalampandrosoana, toa betsaka ny manana prôblèman'na nify na de mbola jeune aza.

Tsy anisan'ny laharam-pamehana amin'ny fahasalamana ve le izy sa?

Ny hitako tany Dago, maro ireo ankizy kely efa misy kâry be ny nifiny nefa tô tsy misy mivaky lou zany, mba manambola ihany nefa ny RAR fa tsy prôblèmana fananana le izy.

Fa ahoana ?
2. kally ( 21/04/2004 10:21)
Indraindray koa resaka fotoana dia tsy mizaka ny ray aman-dreny,ilay fiverimberenana any @ mpanao nify impiry,ny sasany moa ny tsy fananam-bola koa no mahatongaa zy.
3. nananie ( 21/04/2004 11:04)
Misy ndray dia tahotra tsotr'izao. Tsy sahy mande mijery dokotera.
Fa izao koa e resaka nify ihany, ny anareo ve efa maniry ny dent de sagesse? Dia tsy maintsy esorina hono ireny? Ny ahy mbola tsy mipotra hatramin'izao fa nanao radio dentaire dia hoe tsy maintsy esorina hono nefa tsy hita akory ilay izy.
4. booboo ( 21/04/2004 11:58)
Satria marary be lôtra rehefa hipoitra ilay nify dé hoy fôna ny dentistes oe tsy maintsy esorina, sady tsy de miasa firy koa tsinona ireo nify farany ireo !
5. sobika ( 21/04/2004 13:12)
Nananie ah!
ho anao de zao ny ahy zany vô eo andalampipotrana le le izy eh! fa ny nahagaga ahy fotsiny de zao efa tany @ faha -22 taonako no nipotra ny anakiray(droite) de mbola ny antsasany no tena mipotra hatramizao! fa ny iray indray izao no efa misy partie kely mipotra! izy ireo ndray longany de tena prôblema be vô nanaomboka nivonto ny hihy eh! de mivonto ôtran'ireny hoe marary nify reny zany! @ io le izy manaintaina tsy hita atao hoe ahoana ny ahy moa zany efa ho 15 jours teo nanakotsako ihany!! efa nilaza ny dentiste kou fa ho esorina tao reo raha vô mba mahazo congé lavalava eo za fa za ndray no mbola misalasala: ny tahotra alony misy eh! koa nify vazana tsotra aza ve sarotra ny maka anazy maika fa io any alavitra be io ....
de @ lafiny ray koa efa nipôhan'ny hipocalcemie tao ny mpanofa trano sasany de mieritreritra aho hoe hataoko support na bridge reo nify vô ho avy reo raha tahiny ka manambola ao aoriana kely ao!!
de zany hoe zany sady ao ny tahotro mandeha dentiste no ao koa le resaka sôsy isanandro eh!!!

6. alz ( 21/04/2004 13:15)
Lay resaka prévention tô tena hilaina :

1) miborosy nify
2) mihinana calcium.
3) Ets ets..

Inona avy izy ireny?
7. ramoul ( 21/04/2004 17:00)
ka hoa na'ireo tsy manana ny ampy zany ry alz de aôna?
8. kally ( 21/04/2004 18:43)
Ny tena matetika adino na tsy fantatry ny olona matetika dia ny fihintsanan'ny nify,mahimahina rhefa manomboka misy somary mihozongozona ny nify fa hihintsana mbola tanora ny nifinao na dia tsy lanin'ny olitra aza,dia mampiasa bain de bouche ialàna amin'izay,isaky ny avy miborosy nify.
9. ikaretsaka ( 21/04/2004 19:31)
izay m,ihitsy
10. nananie ( 22/04/2004 12:32)
Sobika. Ny problème @ le manala nify anie tô ataondry zareo anestezy general hono e! Zany ve tsy loza. Ny ahy alou hatr@zao mbola tsy manin ka angamba avelako alou de refa mampijaly vô esorina.
11. kally ( 24/04/2004 08:13)
Arakarak'ilay fanirin'ilay nify io Nananie kah! raha mipoitra mahitsy tsara izy dia esorina tsotra ohatry ny manala nify rhetra fa raha mitsivalana ny faniriny ,dia voatery atao anesthésie générale.
12. nananie ( 24/04/2004 10:20)
Diran-doza zany kou! Satria mety mivilana zany ny fanirin'ny ahy ao anatiny ao. Mbola tsy misy mipoitra akory anefa ny ahy, fa radio fotsiny no natao.
13. peluche ( 24/04/2004 11:43)
fa firy taona moa no miseho @ ankapobeny ilay faravazana reny?
14. nananie ( 26/04/2004 15:59)
Tsy eo @ 20aine eo ? Misy namana izay vao feno 17 ans izy dia nipotra ny azy. Misy namana iray indray mbola tsy naniry mihintsy ny azy nefa efa 40aine izy.
15. kally ( 26/04/2004 20:11)
Nananie a!Hita @ radio ny faniriny kah!rehefa tsy niteny izy dia tsy misy olana izany.

Ohatry ny volon-kelika ihany io Ramaso a!asa atao inona re nefa toa eo.
16. nananie ( 28/04/2004 15:36)
hihihi!
17. ikaretsaka ( 28/04/2004 19:33)
oay.. ny volokelika mba misy miteny hoe .. oooay iznay ty be volokelika e
fa ny farafazana ... iza no mirahjaraha
sady ny volokelika tsy marary rehefa maniry
18. nananie ( 29/04/2004 10:30)
Fa marary refa esorina.
19. nananie ( 29/04/2004 10:30)
raha tsy hoe esorina @ crème dépilatoire angaha.
20. tsilan ( 29/04/2004 12:09)
Asa aloha fa samy manana ny fijeriny eh.
Ny fahitana azy dia matoa aty amin'ny tany mandroso betsaka mpanao nify dia aty izany no tena betsaka ny olana amin'io.
Ilay izy koa miankina amin'ny sakafo, rehefa zatra mihinana zavatra malemy sy mamy ianao dia mora simba ny nify.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.642