Resaka nify

21. jhouhlambout ( 30/04/2004 12:54)
nananie >crème dépilatoire atao @ nify
22. kally ( 30/04/2004 16:52)
Tsy izany koa ry Tsilan fa ny gasy ange betsaka ny mahantra tsy mahatakatra mandeha manao nify izany e!nefa firifiry ny gasy no marary nify sy simba nify?Dia raha mbola azo ihafiana @ paracétamol sy nifluril aloha dia ihafiany eo,rehefa tsy zaka esorina ,ankavitsiana foana no mandeha mitsabo nify izany.Mampalahelo nefa haninona ary?
23. xxx ( 04/05/2004 16:44)
efa resaka nify ihany , sao dia mba efa nisy nanao solonify taty ianareo fa misy nifiko tsy maintsy esorina dia tsy maintsy solonify satria maromaro ihany dia lafo be ve ?
24. nananie ( 06/05/2004 11:12)
Fa aiza aloha xxxx?
Arakaraka ihany io tsinona. Satria ra any Dago enao tsy de lafo. Fa ra aty France de zava-doza. Raha tsy hoe manana mutuel zay farany zay abony. Za mbola tsy manao solo-nify, fa fantatro fa misy karazany koa io.
25. xxx ( 20/05/2004 20:37)
fantatro fa any dago tena mora fa mandram pandeha any indray dia hijanona amin le nify simba be ve , hitanao eo amin ny devant ambony eo , temps qu à faire tiako alana daholo dia tonga de appareil . aty andafy aho .
26. panjakely ( 06/11/2005 18:47)
namaky ireo resakareo teo ambony ireo aho dia hilaza ny hevitro fa sady taranja mikasika ahy ny momba azy ka mba misy kely haiko ihany :
- ny dent de sagesse (DS) tokoa dia tsy voatery hoe mipoitra foana fa misy ary dia tsy tafapoitra mihitsy (incluse) na mitsivalambalana ao ambava ao ny fipoirany. Ka arakarak'io fipetrahany (position) io no mety antony iray hanala azy satriaohatra hoe raha mitsivalana (couchée) izao izy ka misy partie kely mivoaka ihany dia ny mety olana aty aoriana dia ny hisian'ny infection na carie ilay nify eo ka eo vao olana be. antony iray mety tsy maintsy hanalana ny DS izay. Antony iray hafa koa ho an'ny ankizy sosonify tsy dia misy toerana firy hivalaparan'ireo nify hafa dia aleo esorina ny DS hahafahan'ny hafa maka toerana satria mety manosika fotsiny ny nify eo alohany izy ireo satria mba te hivoaka koa izy nefa tsy misy toerana dia lasa sosona ny nify. Matetika eo amin'ny hanombohana "traitement orthodontique" (ilay fanaovana appareil ireny) no alana aloha ny DS. Betsaka ny antony mety hanalana azy tsy ho voatanisa eto fa arakaraky ny cas io.
- marina tokoa fa betsaka ny any dago ny ankizy no ratsy nify noho ny tsy firaharahina, tsy dia azy ireo loatra ny fahadisoana fa ny ray aman-dreny no tokony ho enjana eo amin'ny fanarahamaso amin'ny fiborosina nify. Ny zavatra mamy foana moa no tena rangory fototry ny afo. nefa azo atao ny fihinana mamy ka miborosy nify tsara avy eo.
- ny fiborosina nify dia isaky ny avy misakafo; tsy dia mety loatar ilay hoe vao mifoha ao ampandriana ny sasany dia miborosy nify no atao voalohany alohan'ny handroana dia avy eo vao misakafo indray. Ny borosy nify koa dia tokony oavaina raha vao manomboka ilay folaka iny ny volony, ka mety hoe isaky ny 3 volana izany.
- ny fluor no anisan'ny manamafy ny nify izay matetika tsy ampy ao amin'ny sakafo hohanina ka mahatonga koa ny faharatsian'ny nify; Ny olona mipetraka any atsimon'i M/car izao ny ankamaroany tsra nify daholo satria ry zareo ampy fluor ny sakafo haniny (trondro-dranomasina, ny ao afovoan-tany nefa dia maro ireo ratsy nify. Ankehitriny izao dia efa misy ny "prevention" fanomezana fluor ny zazakely eny fa na ny bevohoka aza.
- farahakeliny tokony handalo indroa isan-taona any amin'ny dentiste hanao detartrage.
- ny hoe anesthesie generale indray hanalana ny DS dia tsy misy tokony hatahorana io satria toy intervention rehetra ihany. Moramora ho an'ny dokotera no sady koa ho an'ny mararyraha ampatoriana, indrindra moa raha tena ratsy toerana be tokoa ilay DS ka tsy ho afaka atao anesthesie locale tokoa. Rha tsy dia matahotra ianao azo atao tsara ny manao anesthesie locale
- tena lafo dia lafo tokoa ny resaka prothese aty andafy nefa arakaraky ny mutuelle anananao ihany io. raha tsy diso aho raha manana ilay couverture CMU toa prise en charge ilay izy.
- ny bain de bouche dia ampiasaina raha toa ka misy fery ao anaty vava fa tsy mahasolo borosy nify akory ka tsy tokony ho gaga raha hoe manao bain de bouche foana nefa mbola ratsy nify ihany.
Efa lava be izay resaka izay ka aleo faranana amin'izay fa raha misy fanontaniana tianareo apetraka azo atao tsra ny mamaly azy e!
27. Jenny Willah ( 11/11/2017 23:23)
Akory aby e... zah ry reto mijaly b resaka nify mba tiko ho fantatra hoe inona kay n mety maafaka an'le nofonify mivonto² kely reny?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2521