Mino ve ianao?

1. jhouhlambout ( 29/02/2004 18:59)
Zao fotsiny:
-Mino an'Andriamanitra ve ianao?
-Efa nahita fahagagana ve ianao?
novalian'i xxx ny 26/03/2004 18:07
2. ikaretsaka ( 29/02/2004 19:06)
mino aho ary efa nahita fahagagana
3. librepenseur ( 01/03/2004 18:50)
Ilay Andriamanitra an'iza aloha io ?
ilay an'ny kristiana, sa ny an'i Malagasy fahiny, sa ny an'i Bouddhiste, sa iza ...? satria samy hafa ireo ! Raha hoy ianao mantsy hoe: Dieu Créateur dia eny ny valiny ! Ny ankoatr'izay dia tsia !
4. samoina ( 01/03/2004 20:47)
Inoako ny fivavahana kristianina nitaizana ahy fony kely ( sekoly alahady ) saingy tsy miandry ahita fahagagàna aho dia efa mivavaka irery ao an-tsaina.Tsy mazoto miditra am-piangonana loatra intsony noho ny antony iaraha-mahalala: miha hanjakan'ny vola sy ny hebohebo any.
5. ikaretsaka ( 01/03/2004 18:10)
Matetika @ gasy rehefa hoe mino dia hoe Andriamitra rain'i Jesosy kristy izay no resaka . fa raha hoe mino ny fisian'ny hery mpanatateraka izay zavatra tsy zakan'ny saintsika olombelona dia ie! Mino aho ,
fahagagana? ireo zavatra miseho tsy voazavako nefa miseho.. fahagagana aby iznay satria gaga aho rehefa miseho ilay izy
6. librepenseur ( 02/03/2004 19:07)
ikaretsaka> marina ny anao !
7. aladin ( 02/03/2004 19:12)
'za aloha mbôla tsy dia nahita fahagagana be mivaigana e! fa na de 'zany aza mino fôna aho.le andriamanitra izay iray io an.ary na de tsy misy aza ny fahagagana de eo ihany ny fahasoavana b d b e! ohatra hoe fahafahana fanadinana....
8. donemaskit ( 02/03/2004 11:11)
na ny fisiako fotsiny aza sy ny zavatra mitranga rehetra ao @ fiainako d'efa fahagagàna daholo amiko
9. fijo ( 03/03/2004 10:58)
za sady tsy mino no tsy gaga koa.no tsy mila azy mihintsy e.
10. six ( 03/03/2004 17:55)
fa maninona anefa izany no anontaniana e!
11. samoina ( 03/03/2004 20:27)
satria izany no lohahevitra eto
12. jhouhlambout ( 03/03/2004 20:29)
Satria misy olona tsy mino an'Andriamanitra KANEFA efa nahita Fahagagana, ka eo no mampieritreritra ahy: efa nahita porofo mivaingana lé oull nefa mbola tsy mino ihany!
13. donemaskit ( 03/03/2004 20:38)
sambatra zé tsy nahita nefa nino, tena hadalàny ny azy zany !
14. tia_ery ( 03/03/2004 12:08)
Io fanontaniana io angamba ataoko fa mahafoaka zavatra goavana anankiroa dia ianao hipetrahan'ny fanontaniana sy izay inoanao.

Fa ny finoana no fahatokiana ny zavatra tsy hita ary fanantenana ny zavatra ho avy.

ka raha toa apetraka ilay fanontaniana manao hoe MINO VE IANAO ? dia azo adika tsotra ohatr'izao MAHATOKY NY ZAVATRA TSY HITA VE IANAO ARY MANANTENA NY ZAVATRA HO AVY ?

Anjaranao ny manadihady sy mamakafaka. tsarovy anefa fa ny devoly koa mba mino ka dia matahotra an'Andriamanitra !!!!

Sôtra eh !!!
15. jhouhlambout ( 03/03/2004 18:27)
Mampieritreritra izany......
16. six ( 04/03/2004 18:39)
izay vao azoko ilay fanontaniana,
ka rehefa tsy hino izy dia azy ho azy anie ny azy ry jhouhlambout e!





17. rasta ( 05/03/2004 20:01)
Alohany hamaliako ny fanontaniana dia mba marihiko kely ny atao hoe mino e. Ny mino amoko dia fanekena ny zavatra iray ho misy na nisy nefa tsy hita porofo ny fisiny.
Dia ho valiako amin'izay ilay fanontaniana hoe Mino aho ary fa misy Andriamanitra ary ny ahy dia ilay nahary izao tontolo izao no inoko.
Ary efa nahita fahagaga ve aho??
eny no valiny, satria tsy fahagagana angah no fahitanao cyclone sy horohorotany ireny ohatra. Ny fahagagana anie ka tsy voatery ho tsara foana fa ny mety zavatra tsy nampoizinao nefa namotika anao ee. Ohatra koa nisy Avion nenjera nefa nisy olona tsy maty tao anatiny.
18. aladin ( 05/03/2004 09:26)
refa gaga sybtaitra 'zany enao d'efa miracle mon ami?
19. kitjo ( 26/03/2004 17:08)
fahagagana znay na devoly aza mahay manao koa, fa miankina @ tsiray2 io,
samihafa koa ny olona mahalala an'Andriamanitra sy ny mino,
inona le inoana?
20. xxx ( 26/03/2004 18:07)
Nahoan zay no anontanianao fa mba manontania tena hoe tena mino ve aho?
Ny atao hoe mahagaga dia izay zavatra tsy voavalin'ny betron-dohanao dia izay.
Toy ilay zazakly nianjera avy eny amin'ny rihana faha 11 nefa tsy maty
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1856