Avya ry mino.

1. lion ( 29/02/2004 13:25)
Ny manankarena lazaina fa tsy miadan-tsaina,ary ny mahantra ve mba miadan-tsaina e?




novalian'i tia_ery ny 04/03/2004 12:07
2. ikaretsaka ( 29/02/2004 17:52)
rehefa tsy miahiahy amin'ny lafiny inona amiko no ata hoe miadan-tsaina... ny mpanakarena ange mety miahiahy hoe misy maka ny harenany na hoe misy misngona izy e
3. samoina ( 01/03/2004 20:52)
Amiko tsy misy ny fiadanan-tsaina maharitra satria " miaka-midina ny fiainanao ".Matory ny saina fa tsy afaka ny hivelatra intsony raha misy izany.
4. hendry ( 01/03/2004 12:52)
Ahoana ny mahantra no afaka hiadan-tsaina? Ny hanina hohaniny tsy misy dia efa tsy mampandry ny sainy, ny fahantrany dia mahavery fanahy mbola velona azy. Ny fahoriana mianjady aminy dia mampatory andro aman´alina azy.
Aiza ny fiadan-tsaina @ zany?
5. peluche ( 01/03/2004 14:21)
ny mpanan-karena,te hampitombo ny harenany foana matetika, ny mahantra kosa te-hikatsaka harena.
Raha ny hevitro dia samy tsisy miadantsaina satria tsy mba mihonona sy tsy mahy mihaina @ zay hanana.samy mihory saina daholo,tsy mitovy fotsiny ilay mampioriny saina
6. xxx ( 01/03/2004 14:22)
Any ambany tany zany nu misy azy any ny miadahtsaina any
7. kally ( 01/03/2004 16:25)
Fa hono ho'a e!Iza aloha no atao hoe manakarena?Rehefa manana hatramin'ny ohatrinona?Ny olona mantsy toa mahantra foana mihoatra @ manankarena kokoa noho izy.
8. ikaretsaka ( 01/03/2004 18:51)
rehefa tsy mitady intsony..
9. fijo ( 03/03/2004 11:00)
io voalazan'i peluche io no hitako fa marina.
10. six ( 03/03/2004 17:56)
tsy misy olona tsy mitady intsony izany, ny millionnaire te ho milliardaire, d mitohy hatrany
11. jhouhlambout ( 04/03/2004 19:20)
Jereo fotsiny:
nareo angamba efa nahita ireny fitaovana mijery ny fitempon'ny Fo ireny(electrocardiogramme...), misy Courbe miakatra sy midina izay midika: fa TSY milamina mihintsy. Fa rehefa manao "Tracé Plat" izy vao azo lazaina hoe miadana: Tsy misy avo sy iva intsony, fa mahitsy tanteraka, zay no atao hoe: fiadanana!
12. tambatra ( 04/03/2004 20:52)
Tsy ratsy kosa izy izany koa
ILAY "Fiadanana" no tiako ho tenenina dia ilay namalian i jiholahim-boto azy
13. tia_ery ( 04/03/2004 12:07)
Reto angamba mety ho valiny !!!!

Jereo ny voro-manidina fa tsy mba mamafy na mijinja ireny nefa manana ny haniny isan'andro.

Ny vavaka nampianarin'ny Tompo ihany koa manao hoe : ''Omeo anay anio ny hanina sahaza anay ''.

Fa voasoratra hoe :'' Fa katsao aloha ny fanjakany sy ny fahamarinana dia hanampy anao izany rehetra izany''.

Ary ny farany dia ny hoe : ''Be fiadanana izay tia ny lalànao''.

Sôtra eh!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1511