Jery todika momba ny namana

1. hery ( 17/02/2004 10:00)
Efa nisy vitsivitsy ihany ny programa fihaonan'ny namana na tao Madagasikara na tany Andafy. Azo anaovana jery todika kely eto ve hahitana hoe inona no tokony hohatsaraina, inona no tokony mbola hatao, inona no zavatra nahafinaritra?
Mandraisa anjara daholo
novalian'i unik ny 16/06/2004 19:54
2. fijo ( 18/02/2004 11:17)
mbola tsy namonjy fihaonana aho,fa raha ny henoko tany mada farany teo,dia mila olona mpamporisika ny fihaonana,mba ahoraka tsara.
ny aty france moa dia hohita any vichy io,nefa dia efa sarotra izao ny mitady hotely.
3. oully ( 20/02/2004 17:51)
Miankina amin'ny fandehan'ny ambiance sy ny hafanan'ny mpikambana aty am-boalohany ihany tokoa sy ny endrik'ilay hetsika. Hitako hoe tsara fiainga ihany aloha ny tao Dago eh! fa mila ovaina matetika fotsiny ny hetsika: ohatra hoe manao excurssion indray na manao asa fanasoavana ...
Tokony heverina tokoa izay fomba hampiray antsika (ny avy aty sy ny any Dago) ankoatran'ny eto.
Tokony mba anisan'ny resaka dinihina amin'ny fihaonana any Vichy io.
Misaotra.
4. aladin ( 24/02/2004 18:18)
Ie! 'za aloha efa niteny hoe tokony asiana sortie kely alohan'ilay any tuléar io e!
5. hery ( 24/02/2004 20:49)
Arosoy ny sosokevitra ary e.
Miandry sosokevitra izahay. Sortie aiza, iza no hanao ny organisation, inona sy inona...
Izay foana no teneniko hoe aza miandry anay fa tonga dia arosoy ny sosokevitra. Tahaka ny hoe tsy miandry anay rehefa hitady namana :)
6. djiulambout ( 24/02/2004 11:46)
Miarahaba ny rehetra

mirary fifaneraserana matanjaka sy ampitsikiana hatrany.
Ny tiako ambara dia tsotra, ny ezaky ny tsirairay no ilaina, raha ohatra ka itantsika oe tena ilaina izy ity de aoka handray anjara mavitrika, fa tsy ho lany andro @ resa-be mandany "encre " eto fotsiny.
ilaina namana mijoro @ foto-kevitra tena matotra mba hahvitan-javatra.
Fampahatsiahivana tsotsotra no apetrako dia ny oe :
- ny birao izay nipetraka teo dia vonjy maika.
- nisy forum iray izay tao napetraka ho an ny fidirana @ ilay fikambanana ho namana toa lasa rano anjavona fotsiny fa olona roa iany no namaly tao de izay.
- izaho aloha de matahotra oe ho vitan izay iany angamba ity zavtra ity, satria aleo samy mifandefa2 hafatra kely sy mitsaty de mameno ny isan ny mpiforum amin ny lohahevitra isankarazany izay mameno an ity serasera ity, fa izay tetik asa sy vinavina izany tô fandaniana andro fotsiny.

mirary soa ho antsika rehetra e

tsiky de ampy
7. djiulambout ( 24/02/2004 11:51)

8. hery ( 25/02/2004 18:33)
Jery todika moa izy ity dia milaza ny zavatra hita na tsara na ratsy

- Anisan'ny mirehareha sy mitsiriritra ny hetsika ataon'ny namana any Dago ny namana aty an-dafy. Dia betsaka mihitsy no mifanome tsiny hoe fa nahoana isika no tsy mahavita zavatra ohatra an'izany? Koa na inona na inona tsy mandeha any aminareo any dia izahay aty mahita hoe efa lasa lavitra be ianareo.
- Tsy mora ny resaka fitantanana. Anisan'ny mety mahakivy indraindray ny hoe be dia be ny namana any Madagasikara kanefa vitsy no tena mivondrona ao amin'ilay namana. Fa hozy aho hoe ohatra an'izany foana no fiantombohany. Na ity serasera ity sy ity site namana ity aza tamin'ny voalohany dia olona 20 fotsiny no tato. Fa amin'izao anefa dia mba efa 2900 mahery isika.
- Momba ny tetikasa sy vinavina isan-karazany. Fomba fanao hatrany ny mandefa hevitra be dia be fa ny pourcentage hivoaka raha vao misiy na dia kely aza dia efa zava-dehibe izay. Mamafy be dia be dia tsy maintsy hisy vokany ihany ny iray amin'ireny nafafy ireny.

Dia mankahery ny rehetra.
9. aladin ( 26/02/2004 15:37)
'ty ary ohatra misy havitra kely ka tsy haiko na maty na tsia.Oha tra hoe le sortie mba atao toerana azo anaovana etsika miaraka.Tsy mety mantsy raha vao hoe excursion tsotra fotsinysatria tsy maintsy hisy ny hoe:andeha kely ar`y izahay e!na hoe andeha itoka-monina etsy izahay e!dia samy hiparitaka eo.fa mba ohatra hoe any carion ohatra misy toerana iray izay:misy terrains isan-karazany sy ny sisa.dia man,ao karazana fifaninanana kely sy ny toy izany mba tsy hiparitahan'ny olona e!

PS:olona telo no namaly ilay fidirana ho mpikambanana fa tsy roa.de 'za le fahatelo an! hihihi.
mitsiky lalandava e!
10. oully ( 20/04/2004 09:44)
Aiza ho aiza zao no tohin'ity resaka ity?
11. unik ( 16/06/2004 19:54)
oully> eny tokoa wa!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.199