Harerahan-tsaina (stress)

1. hery ( 08/02/2004 20:49)
Tahaka ny olona rehetra dia hitako fa mafy ny asa sy ny fianarana. Dia ohatry ny tsy milamina izany foana ny saina. Ny tena anefa tsy te handray fanafody fa tsy te ho za-dratsy.
Misy afaka milaza sakafo mba tsara hohanina matetika ve hanamaivana an'io faharerahantsaina io?
Misaotra mialoha.
novalian'i idealy ny 30/06/2004 07:37
2. tatavy ( 08/02/2004 17:59)
ny baiboly, tt simplement

(sarotra ny mandainga fa za klou tsy mahavatra nefa tena efa nandramako ihany fa efficace)

bon rétablissement
3. hery ( 08/02/2004 20:16)
Ampiarahana amin'ny inona?
Atao ritra sa asiana roniny?
oups... azafady,

Zà kay niresaka sakafo.
4. kally ( 08/02/2004 12:28)
Ny tena isan'ny manamaivana io faharerahan-tsaina io dia ny torimaso milamina.Alohan'ny hatory misotroa dite na ronono nasiana tantely bebe ihany amin'izay matory tsara.Dia mihinàna voankazo matetika koa amin'izay milamindamina koa ny vavony fa tsy sahirana loatra ka handreraka ny vatana,rehefa afa-bizaka ny vatana,miasa tsara kokoa ny saina ka tsy mandreraka.Mahereza e!
5. ikaretsaka ( 08/02/2004 18:53)
dodo sy meditation ihany ry hery an.. asio 15 minitra aloha tsy manao ninoninona dia tapaho daholo na feo aza... raha tsy mhita place dia ireny chapelle na fiangonana ireny.. dia tsy voatery hoe mivavaka fa dia hoe mi se delibere fotsiny hoe atao tsisy ninoninona eritreetina
6. hendry ( 09/02/2004 15:42)
Ny resaka sakafo aloha tsy haiko ankoatry ny sakafo mpitondra hery sy sakafo be otrikaina toy ny voankazo, ronono, trondro, légume sy ny sisa.
Fa ny tena itako manampy be ankoatry ny sakafo dia ny fanaovana zavatra hafa tsisy ifandraisany @ ilay asa sy fianarana mihitsy, ohatra sport na mandehandeha maka rivotra ivelan´ny trano na mihaona @ namana na mandeha mandihy, arakarak´izay tianao atao.
Mahereza
7. isrine ( 17/02/2004 13:31)
misotroa ronono misy tantely de matoria. aza asiana zavatra maneno mihitsy.
8. nala ( 17/02/2004 15:30)
Tsindriako ilay hevitra hoe: sport na activite hafa ankoatry ny zavatra mameno ny fotoananao.
Dia izao koa: raha vao mahita occasion hihomehezana dia manarana fo, fa jereo anie ireny olona tanora lalandava ireny fa olona be kimehimehy sy be tsikitsiky lava e.
9. ikaretsaka ( 18/02/2004 12:32)
aza mionona amin'ny tsiky dia ampy fa asivo tokelaka mihitsy indraindray
10. dom ( 19/02/2004 16:42)
ny atoroko indray dia ny fanaovana vacances na maka rivotra any ambanivohitra mihintsy e! io no tsy ampy amintsika noho ny pouvoir d'achat-ntsika kely. Jereo ange ny vazaha fa rehefa hoe vacances na congé dia mandeha hatramin'izay tany tongan'ny volany mihintsy. Isika izao ry Namana isany dia tokony hanao organisation-na voyage échange ka isika eto Tanà mandeha any @ province ary ny any @ province mandalo eto Tanà. Rahoviana re izany e?
11. xxx ( 24/02/2004 09:13)
prend un bol d'air frais de très bon matin ou tard le soir! le problème c'est que c chacun sa manière pour se débarraser de son stress!! moi par exemple j'écoute du jazz musical ( genre "cool" )mais très bas pas fort à se casser les oreilles, ca me dé-stresse bcp! se promener dans un endroit calme également ! mais lire la bible c vraiment le plus efficace!! lis donc les proverbes ou 1 cor 13!! ca dé-stresse!! :-)
pour ce kil fo manger, j'en sé rien franchement!! quand je stresse je bouffe pas.. donc!!
aller, bon courage!!
12. samoina ( 24/02/2004 10:15)
Ny zavatra hoanina angamba, izay ankafizin'i hery ihany atao. Saingy ny tsy hoanina no asiko teny kely: mandritry ny harerahana fadio aloha ny excitant ( café, dité, toaka), dia aza miletra tafahoatra fa mihafy kely mihintsy toy ny mpanao karemy, dia matory anaty haizina, na misy mozika na tsia, izay tiana ihany.Ary aza adino isaky ny mihinana ny vary fa io no fanafodin-tsika Gasy mandaitra hatr@ izay ka hatr@ izao; na misy laoka na tsia.
13. pitchou ( 06/03/2004 14:18)
arakaraka izay zavatra hafa tianao. fa ny zava-dehibe dia izao: asio fotoana hanarananao fo @io. Raha sakafo no tianao, dia mahavara mandany andro mikarakara sakafo tsara, ohatra hoe manao brochette, dia tsy maimaika rehefa manao azy sy mihinana azy fa maka fy be mihitsy. Dia raha mba azo atao ihany, ny fampiasana ny vatana, ohatra mandeha tongotra raha tsy mpanao sport ianao, na manao lèche vitrine. Ny torimaso récupération ianaro koa fa tena manampy be mihitsy: 5 à 10 mn dia mety ho ampy @ fotoanan'ny la sieste, atao torimaso tena lalina be. Misy tari-dalana momba izany koa @ yoga. tena tsara sady mahomby nefa tsy manahirana loatra satria tsy mandany fotoana be.
14. miranto ( 10/03/2004 09:23)
ny sakafo equilibrena fa tsy voatery hoe vary foana na ohatra izany mihinana frommage sy ronono za koa manao ohatra anao io fa ny anahy indray ary ilay tena ohatra ny adala aty @isika ilay te hitomany sans raison fa anjarako fotsiny ny micalmer ny tenako de manaova activiter fa afaka ihany io ny farany sport zany no tiako tenenina
15. drtriniti ( 25/03/2004 16:25)
Oh Ra-hery ah! tena mitovy amiko mihintsy io mahazo an'ny toi io? Fa enjana ilay tratran'ny Stress. Marina daholo ireo resahan'ny namantsika rehetra ireo fa ny tena tsara lesy dia izao: Ahaina ny FOTOANA HIASAN'NY SAINA eo amin'ny resaka KANDRA satria matetika dia ny fiasan'ny saina be loatra no mahatonga an'io.>> Ho antsika mpikirakira an'itony solotsaina itony. Ary fantaro fa ny stress na saina sy ny stress na vatana tsy mitovy ah!
MANAOVA ACTIVITE HAFA ary mila MI-RELAXE tsara. Ohatran'ny zavatra rehetra ihany mila fialam-boly ihany koa io saina io. Aza matahotra fa efficace io koziko amin'ny toi io surtout AZA ATAO VIZAKA BE MIHINTSY ALOHA IO SAINA IO. Ny ahy zao najanoko mhintsy aloha ny "Procedure Stocke"; "Trigger"; sns...
Bon Courage dia aza matahotra i toi fa ho afaka io Streess io apres.

Okay lesy Hery Ah!
16. alz ( 25/03/2004 15:26)
Ny namana no tena manala stess. Ny firesahina amin'ny namana tena namana, azo hilazana ny rehetra sady azo hitokisana. Ny fandaminana ny journée koa mampiena ny korotan-tsaina:
mi-fixer objectifs tsikelikely, tsy tena goavana loatra, dia manoa réalisation miandalana manambony tsikelikely môraly. Manabebe sandry aloha vao mi-attaque miady amin'ny olana goavana kokoa.
Ny sakafo maivana no tsara : tsy be menaka, sady tsy be siramamy. Mila misotro rano ampy (1 ka hatramin'ny 1,5 l) isan'andro. Ho an'ny olona "antonony" ireo toro-hevitra ireo, fa ny resaka sakafo miakina amin'ny tantaram-pahasalaman'ny tsirairay avy.
Ankoatr'izay, ny finoana no zava-dehibe, tsy voatery ho finoana an'Andriamanitra, fa finoana ny fiainana tsotra. Ny finoana ny zavatra atao, ny finoana ny ho avy sy ny sisa.
17. voninkazokely ( 12/04/2004 19:46)
Manaova kung fu ry Hery a!
18. hery ( 12/04/2004 19:52)
Shaolin ve? :)

Misaotra amin'ny rehetra rehetra. Mila manao repos tokoa dia afakafaka ilay izy. Torohevitra ho an'ny sasany koa io.
19. idealy ( 30/06/2004 07:37)
ny tena tsara dia mifoka rivo-dranomasina ka raha tsisy ny vola dia maka vilia baolina iray dia asio sira vaingany dia iny fohana dia toy ny rivo-dranomasina ihany
andramo eh
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3401