zaranaina sy ny sida

1. ravatorano ( 30/01/2004 09:18)
Ingahy Zaranaina dia mpikaroka ary mitsabo amin'ny alalan'ny fanafody malagasy izay antsoina hoe fitsaboana nentin-drazana.
Izy dia nilaza fa nahita ny fanafody fanafoanana ny "charge virale" ao amin'ny virus izay mitondra ny sida .
Tsy nanaiky io fikarohana vitan'Ingahy Zaranaiana io ny Ministeran'ny fahasalamana eto Madà ary dia nilaza mihitsy aza ny manampahaizana sasany fa "charlatan" izy.Maro ny zavatra nifamahofaho teto amin'ny tanana ary dia nilaza Ingahy Zaranaina fa efa maro ny olona sitrany ary nisy firenena telo any Eoropa izay tsy notononyni ny anarany fa mila anazy ary dia hiala eto izy satria " ny mpimasy tsy masina antaniny".
Hatramin'izao aloha dia mbola eto izy ary nisy tv privée anakiray aza moa nanao reportage teny amin'ny nijery ny fondation Zaranaina.
Izao no mba ilako ny hevitrareo :
Nisy filazan fa nisy labo avy any Belgique nanamarika fa tsy marina ilay lazain'INgah Zaranaina momba ny hoe mahafoana ny charge virale ny fanafody iay hitany ka inn no mbola hitompoany teny fatratra?
Voalaza fa ny fanafody anakiray dia mila fanandramana ara tsiatifika vao azo ampiasana.Tsy anaraka izany nefa izy.Inn no fepetra tokony ho raisin'ny Ministera mmba izany satria mifanohatra amin'ny fomba fanamboarana ny fanafody izany.
Izao koa moa ve raha tsy manampahaizana amin'ny fitsaboana(medecine) ,na biologia na izay mifandraika amiany tokony tsy hahlala momba ny fanafody .Ingahy zaranaina mantsy dia juriste ary droit no nataony ?
Farany tsy lasa Ingahy Zaranaina fa dia hijanona eto ary hitsabo.Izao no mety hitranga ho avy eto amintsika dhl indray izao oll rehetra voan'ny sida izao fa aty no fara hery farany,fara fanavotana ny aina ary dia mety hiongatra indray ny sida ho an'ilay gasikely efa mapanaelo sy mahanena.

Misaotra anareo izay mandray anjara
novalian'i totsy ny 26/03/2013 02:56
2. ndriale ( 30/01/2004 12:24)
Salama daholo ve nareo e!

Raha ny momba io fanafody lazaina eto io almoha de tsy mino izany mihintsy ahoe !
Fantatro tsara mihintsy no niatimbohan'io fikarohana natain'i zaranaina io.
Voalohany , OLona mpivarotra fanafody teo ambalakely fianarantsoa izy io, ary nony fa nisy ilay fiangonana toby Soanierana teo fianar de henony fa marobe ny mahazo fitahiana sy valim-bavaka teo noho ny antony maro samihafa.
Tonga koa izy mba nivavaka sy nanao izay azony natao teo, ary tena mahavita miaritory mihintsy aza izy sy ny vadiny t@ izany.
Teo izy nandritrin'ny taona vitsivitsy ary rehefa avy eo de niteny izy fa natoron'ny Jesosy azy hono ny fanafody mahasitrana Sida.
Teo ny mpino vao gaga fa hoe izany kay no nahatonga azy hivavaka eto mba hahazoany ilay tanjona izany.
Nefa rehefa nandeha ny andro sy ny volana de heno izy fa hanorina hopital eo Soanierana mihintsy, ary efa mitsangana tokoa ny trano t@izay, nefa moa ny olona mahita zavatra ka hita fa miharo sampy ny zavatra nataony de tsy neken'ny Mpino intsony izany, ka tavela ilay trano efa namboarina teo iny ary izy koa tena noroahina tanteraka teo ka tsy navela hifanosy t@ mpino intsony fa mitady hanankambana ny sampiny @ toby ka tsy mety.
Izany no tena fiandohan'io zaranaina io ka ny zavatra ataony de lainga tsy misy azo ekena avokoa fa aza mba manantena izany rehetra izany isika tanora.
Sao mantsy hanandrana eo ka hoe handeha any amin'i zaranaina aho fa hainy io hen!
Mba miteny aho izay an! Tandremo.
Ny misoroka ihany no ataovy hatrany e!
Izay aloha fa @ manaraka indray ô
Ndriale
3. jhouhlambout ( 03/02/2004 13:45)
Ary raha avela ataony ny tokony ataony dia ho hita eo ny vokany...
4. kally ( 04/02/2004 20:28)
Dia rehefa misy maty ve ry jhouhlambout vao hoe hay poizina no nataony?
Tsy mety ny manararaotra fahorian'ny olona sy mampanantena tsy misy ny marary.Raha misy manan-janaka marary izao ho any aminy,ny gasy anie mahantra e!hivarotra tany sy trano fa hisy fitsaboana ho an'ny zanany any hono,nefa inona fa zavatra tsy azo antenaina akory.Ny maty moa efa vita ny tantarany fa ny velona voafitaka sy banky rotika miaraka @ fanantenana poak'aty avy teo vao nahita hoe hay fitaka dia mety ve izany?Rehefa tsy azo antoka dia sakanana aloha mba tsy hitondra loza ho an'izay mora rebirebena.
5. a256011 ( 04/02/2004 09:21)
Ny tena loza anie ry zareo, dia ataon\'ny mpanao politika fitaovana ilay izy, fa tsy mba adin\'ny Mpikaroka sy ny mpino an-dRazaranaina intsony e!
Fa izao hoa, misy zavatra tsy mazava amiko :
- Raha tsy diso aho, toa nisy vazaha nijoro vavolombelona hoe sitrana. Maninona moa raha atao ny fanadihadihana, manamarina fa efa sero-positif tokoa io olona io, dia jerena @ izao fotoana izao raha tena tsy mitondra ny tsimok\'aretina intsony marina.
- Efa nandraman\' i Zaranaina natao \\\"tablette\\\" mihitsy hono io fanafodiny io, izay novokarina Labo iray. Maninona raha io fanafody efa vita io no nanaovana fanadihadihana, fa tsy ilay ravinkazo?
(Matoa mantsy efa vita \\\"tablette\\\" ohatra izany, dia efa fantatra izany ny produits actifs ao anatiny.)


6. kally ( 04/02/2004 10:45)
Mila fotoana ela anie izany fanandraman momba ny fanafody izany e!eo aloha ny dingana voalohany fanazavana ny momba ilay fanafody,ny dingana faharoa famelabelarana ny mikasika azy,raha tsy nekena ny dingana voalohany tsy mahazo manohy ny dingana faharoa,ny dingana fahatelo ny fanandramana sy ny hoe maahsitrana marina ve,ary ny dingana fahaefatra hoe inona avy ny "contre-indications dangereuses",izay vao azo dinihina na azo aparitaka eo @ tsena io fanafody io na tsia,fa tsy hoe rehefa vita tablettes dia alefa,rehefa tsy nandalo iretsy dingana iretsy izy tsy misy hevitra,ary tsy hoe rehefa vazaha koa no nanandrana dia mety.Misy vazaha donto velona koa anie e!
7. psykatr ( 05/02/2004 09:34)
Kally: Zany an!?
8. kally ( 05/02/2004 17:39)
Amin'ny ahoana ry Psykatr?
9. xxx ( 06/02/2004 19:20)
Sida=Tsy Misy
Ny Fanafodiny Koa=Tsy Misy


Aza mba manaiky rebireben ny manampahaizana hoa ny saina fa
ny sida izany tsy misy fa rehefa matahotra foana ianao dia miova hatr@ rà anao ary posible tsara mihitsy ny ahafaty anao rapide

ny antony ve?
Taloha ny ntaolo mba nahafantatra hoe:raha izao fiainana izao no mitohitohy dia any aoriana any hisy firenena hitsangana hamely firenena tena tanteraka tokoa ary tsy maintsy koa anefa misy maro fa tsy izay fotsiny fa ao anaty baiboly ao no feno azy

Dia ny manampahaizana koa anie efa mieritreritra mitovitovy @izany hiamaro ny olona ka tsy aleo ve ahena @fomba tsotra sady mora

ka ho anareo izay voan ny sida tsy mahafaty ny sida fa ianao ihany no manala ny virus nao ao satria ianao tsin efa sady malaina no matahotra dia miova sy misy fiatraikany bedia be @ fahasalamanao izany ka izay no mahatonga anao hoe: ho faty rapid

Koa eritrerito fotsiny hoe ho faty izany ka raha izany foana ny iainanao hoe voany sida aho ho faty izany za.Efa nahita ity teny ity ve ianareo hoe:Ny tahotra mahafaty.
10. isrine ( 17/02/2004 13:35)
misy ny sida ary ny fanafodiny de ho avy eo ihany , ohatra ny urinothérapie, hihihi
11. voninkazokely ( 04/04/2004 15:18)
Tena nisy sitrany mihintsy ange ry reto é!
12. ikaretsaka ( 05/04/2004 03:50)
izany tokoa hono
13. kitjo ( 09/04/2004 14:21)
nisy couple frantsay hono notsaboiny..
d nanaona aloha ny niafarany e???

sao mba misy fahamarinany kosa d hovidian vazaha aveo d azony ny brevet
Sao d oa an,
14. hokie ( 04/10/2004 18:35)
Dia nalahelo sy tezitra ihany aho rehefa nahita ity vaovao ity.

Churches hamper condom campaign in Madagascar
http://www.aegis.com/channel/s/AF041001.html

Ary aza mieritreritra hoe tsara ho an\'azy ny debone! Aiza koa izany magazay manary kapaoty vaovao izany satria sao dia jerijeren\'ny olona?

Kivy aho ka tena mivazavaza hoe aza mamono olona satria mpivavaka be e! Efa betsaka ihany ny terrorista eran\'izao tontonlo izao ka ny fokontaninao indray koa no vonona!
15. totsy ( 26/03/2013 02:56)
Akory aby,
Tsy fantatro hoe mbola mety hisy hanohy ve ity resaka Zaranaina ity fa, mba te hahafantatra ny vaovao farany mikasika azy ity mariana aho. Fa le site nomen'ny namana tetsy aloha http://www.aegis.com/en/aegis tsy hitako mitsy ny olana amin'io sa izaho ve no tsy mahazo ny voasoaratra ao ?

Aiza i Zaranaina izao ? inona avy ny efa nataony ? ....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2291