mitady anao

1. besoiiin ( 19/01/2004 20:29)
izaho dia tovolahy 26 ans efa miasa mitady tovovavy afaka ny hiaraka higoka amiko ny hakanton'ny fitiavana... tsy sangisangy sanatria satria hadinoiko izao tontolo izao rehefa eo anilako ianao... ary hisitraka ilay farantampon'ny hasambarana isika
novalian'i fijo ny 17/05/2004 23:28
2. xxx ( 19/01/2004 15:33)
Matahotra aho sao lasa diso sambatra loatra eo!
3. xxx ( 19/01/2004 15:50)
Tena mba marina avokoa ve izany ?
4. besoiiin ( 19/01/2004 19:26)
tena mahagaga fa matetika dia tsy mety mino ny olona an...! mbola tsy nahatsapa ve ianao io fa ny fitiavana no antoky ny fahasambarana?? matoa aho tsy miafina... dia vonona ny ho tia sy hanome izany hasambarana feno izany ho anao! ... dia mbola manantena sy miandry anao hatrany ry aiko... ilay efa nofinofiko hatrizay! ity ny adresse raha toa ka ny discret no tianao! mila-anao@caramail.com
5. ibalita ( 21/01/2004 10:44)
Raha mila ahy ianao!
Fitiavana aho!
Raha tena mila ahy ianao!
Ho hitanao tsy ho ela aho!

Raha tianao ho fantatra aho!
Lazao ahy izay momba anao!

Ibalita (0 30 23 ... ..)@yahoo.fr
6. shadow ( 21/01/2004 13:23)
Fa ibalita ve lela sa vevavy fa vevavy ange no tadiaviny eh!
7. hendry ( 21/01/2004 15:15)
Mpanoratra tononkalo ngah i besoiiin sa mpanoratra boky?
Sa rehefa tonga eto @ namana enao dia misy aingam-panahy fotsiny? gaga ihany aho...
8. fijo ( 22/01/2004 11:26)
kay,kay,kay
9. besoiiin ( 22/01/2004 20:34)
milay ka...!
tsy hita re ry reto fa tena lasa poeta tsy fidiny angamba rehefa tonga eto a! izay ange no mampilay ilay fitiavana e! aiza re izany rehefa tena mirotsaka ao anatiny e! hmmm tena tsy toy ny ety antany... lafatra e! kanefa tsy tontosa izany ra ha tsy eo ianao ry...... BISOUS!
10. xxx ( 23/01/2004 15:02)
ry iza?????
11. xxx ( 23/01/2004 16:21)
Ka vehivavy firy taona no tadiavinao marina e!sa tsy voafetra.
12. besoiiin ( 23/01/2004 18:14)
hatreto aloha dia tsy voafetra e! fa mba majeur fotsiny angaba no tsy maintsy hotokony ho izy e! sao lasa mpanodikodina zaza tsy ampy taona eo indray raha hentanimpitiavana diso tafahoatra!
13. xxx ( 31/01/2004 19:16)
ka efa nahita sa tsy! raha tsy de mba mahareta kely! sa hoe hamantambonona!! tsy azo hiazakazahanakoo ane ty e!
14. kimmy ( 13/05/2004 12:44)
zay ange le mahavo ny lehilahy e, mody oe adinoko daholo refa eo anilanao nefa fitiavantena no betsaka. mba omeo ohatra oe za ry
besoiin @ zany fahasambarana zany!
15. fijo ( 13/05/2004 21:44)
iny kosa ry kimmy raha tsy ampiharina tsy hita lazaina an
16. laloa ( 14/05/2004 07:51)
Manao ahoana daholo e! izay aho vao nahita ity resaka ity fa dia mialatsiny fa tara kely e! Hono ho aho vehivavy hatreo @ firy taona eo ho eo no tena ilainao ary fa sao mba mahita aho e! Ianao mantsy milaza fa tsy mety ny zaza tsy ampy taona ka izay no mahatonga ahy hanontany e!
17. fijo ( 17/05/2004 23:28)
de 21 à 78 ans izany e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3841