Hevitra vitsivitsy vokatry ny 29/11/2003

1. hery ( 04/12/2003 19:55)
Rehefa nivory izany ny birao omaly dia nisy sosokevitra iray goavana nipoitra tao. Dia ny hikarakarana lanonana goavana ho an'ny namana amin'ny 28 desambra 2003 izao.
Mbola hisy fivoriana fanamasahana azy amin'ny 10 desambra. Kanefa tiako raha tonga dia aroso eto mba hiadian-kevitra ny zavatra efa natsidika tao amin'io fivoriana io.

- Tolakandrom-pandihizana (manomboka @ 13h - 19h) no hatao
- Falda Antanimena no toerana
- 10.000fmg - 20.000fmg eo no fidirana.
- Misy zava-pisotro (boisson) amidy rehefa ao.

Ireto ary ny fanontaniako.
1. Zakan'ny namana ao Antananarivo sy ny manodidina izay afaka ve ireo?
2. Raha asaina mivarotra billet ho an'ny namana hafa ny namana dia hahavita ve?
3. Sao dia misy sosokevitra hafa ihany koa avy aminareo?

Ireto ambany ireto indray ny sosokevitro.
- Tsara ilay nanaovana azy @ tolakandro satria fitsinjovana ireo namana lavi-podiana.
- Tokony homena lanja manokana ny namana amin'io (ohatra hoe fihenambidy) azo karakaraina eto amin'ny site ny momba an'izay.
- Tokony hotsinjovina ihany koa ireo namana tsy dia mahatakatra loatra (maromaro ihany izy ireo eto) kanefa te handeha.

Mirary soa hatrany ho an'ny birao sy ireo mpikarakara.
novalian'i rfanjav ny 11/12/2003 12:16
2. femmesolitaire ( 04/12/2003 10:20)
tena tsara ilay hevitra
3. rfanjav ( 04/12/2003 10:31)
Miarahaba antsika rehetra,

satry dia satry tokoa ny hanaovana lanonana tsy misy fidiram-bola, nefa mbola mahantra ny fikambanana, tsy manana na ho enti-miainga akory aza hikarakarana azy !

Ho an'ireo mbola mianatra izao no neritreretinay anaovana an'io fandraisana anjara 10.000 Fmg io!
fa izay efa mba miasa mandray ny 20.000 F.

(tsara kokoa raha mampiseho karatra "carte scolaire" ireo mpianatra)
4. voahirana ( 04/12/2003 10:40)
betsaka ny milaza fa tena tsara io lanonana atao io ka manainga antsika rehetra aloha hiaraka hifandrimbona mba ahalavorary ny lanonana sa tsy izany?
5. rfanjav ( 04/12/2003 13:33)
zany mihitsy,

tsy vita mihitsy io raha ankininay @ birao ihany,
6. fijo ( 05/12/2003 20:44)
mahavita soa e.
7. rsamfm ( 05/12/2003 18:19)
Arahabaina daholo fa tafahaona ihany e! Vita soa ny mission, fa dia eto indray izao
Miarahaba ny birao voafidy ary mirary azy ireo hahaleo hahalasana.
Saingy ity misy eritreritra tsy tana.
Ilay date 28/12 : sao dia vizana avy ao ny rehetra nefa mbola hiasa sy hianatra ny 29/12 ? Milay ny hevitra fa ahiahy kely fotsiny ny ahy iny. Sao mantsy hatory am-pitoerana rehefa 29/12 any ananonanona any...
8. rsamfm ( 05/12/2003 18:21)
Sao mba azo aroso raha ny eritreritro. Sa ahoana hoy ianareo ....?
9. djiulambout ( 05/12/2003 19:10)
Miarahaba ny rehetra,

ka na ny fanaovana ilay billet sy invitation aza mou zany vao hodinihina kou.
Ny engagement @ ilay trano oe ho fandrihina kou satria efa horaiketina ity fandehanjavatra ity.
Otrany mahita aho oe tsy de taitaitra lotra isika izany e
akaiky nge zany 28 izany e.
Ka amin io zany tonga de teneniko oe na ny tsy namana ato @ ity serasera sy ny fiakambana aza de azo asaina daholo ho tonga rehefa tonga ao ve izy tsy hilatsaka ho mpikambana iany e

sady sao de tokony atao otran ireny fisoratana anarena online sy vote online ireny ity filatsahana ho mpikamabana sy ny @ soso-kevitrta sa de eto @ forum iany.

Antsika rehetra io fa tsy an ny birao irery
Mangataka faharisihampon ny rehetra e

Namana tena namana

10. rfanjav ( 05/12/2003 20:03)
ny ahy ny mba tiako dia ny ahafantarana mialoha raha mety ny isa (à peu près) -ny namana manana eritreritra ho tonga @ io 28/12 io, hanomanana ny billet, sy ny zavatra hafa mila karakaraina !
11. kitjo ( 05/12/2003 09:21)
mmmhhhhhhhh, mahazo manantena zay zany,
Aleo io 28/12 io fa @io vao afk zay fa 24 ny sasany vao miala aty e, raha mba mety moa zany e.
12. tinalala ( 05/12/2003 12:17)
Manahoana daholo ô
Ny zavatra tokana ho teneniko dia , mahafinaritra be ity site ity na dia aty tany lavitra aty ary , fa rehefa tonga aty mada dia mitsidika anareo !
Veloma daholo
13. rfanjav ( 05/12/2003 13:12)
Fa na tsy M/ra aza betsaka ny zavatra azo atao e!
14. ketaka ( 05/12/2003 13:39)
Manahoana daholo,

Tsara be ilay hevitra. Tsy dia mandreraka kosa angamba izany hatr@ 7 izany fa aleo tazonina @ io ihany ny daty. Sady sao atomotra loatra raha aroso e !
Raha azo atao marina, tsara kokoa raha fantatra mialoha ny isan'izay ho avy. Izaho aloha d'efa iray sahady :-).
Sosokevitra kely hoan'izay ho DJ, raha azo atao mba varier-na tsara ny hira sao dia tena bal des jeunes loatra ka tsy hahazo tsirony tsara ny sasany. D tongava daholo an !
15. fanalanaazy ( 05/12/2003 15:16)
Miarahaba antsika rehetra, ary miarahaba manokana ireo voapetraka ho mpitarika ity fikambanana ity.

Toy izao ny hevitro amin'ity raharaha ity: tsara raha zarazaraina ny zavatra tokony iandraiketana (ireto aloha no azoko antsaina @ izao zomahariva efa vizambizana izao):
- ny animation: sono, hira alefa,
- ny billet: fanatontàna azy, fizarazarana, ny vidiny,
- ny fampahafantarana io hetsika io (communication): azo atao eto amin'ny site, ny chat, ny resaka eny an-dàlana,
- ny fikarakarana ny toerana: famandrihana azy, fanomanana azy, ...
- ny fandinihana ny vola ampiasaina amin'io andro io: ny fidiram-bola hita dia: billets, malala-tànana



16. hery ( 05/12/2003 16:52)
Ok arany.

Izay afaka manolo-tena amin'ny fikarakarana izany dia afaka tonga dia manoratra eto. Dia avy eo ho hita ny hifanantonana aminy amin'izay mety hatao.
17. fetra ( 06/12/2003 13:00)
Hevitra mety daholo izany saingy tsy aleo marina ve mba atao 10000fmg na roa arivo ariary ilay fidimpidirana e!! sa ahoana!
18. oupsyyy ( 08/12/2003 10:31)
rfanjav> ny tena pbme am le hoe mamaritra mialoha am le isa ange de eo le ankizy milaza fa ny ho avu nefa refa avy eo de tsy tonga akory e. Tokony hifexer daty sika ho an zay ankizy hande hisotra anarana de ho hita eo hoe firy ny hande, sa tsy mety zany??
19. rfanjav ( 08/12/2003 13:24)
oupsyyy: eto @ site aza tsy misy mazoto misoratra anarana, ka vao maika asaina mi-se déplacer !!!

sady na hi - fixer daty aza ianao tsy hampiova an'zay miova hevitra tampoka akory io, fa mba fantatra kelikely fotsiny ny isan'ny ho avy e!
20. fijo ( 09/12/2003 12:10)
ka misy koa anie ireo tsy mbola namana nefa mety hoavy ao e.ataovy aloha ny billet,fa ho hitanareo eo ihany ny fandehany.Ny commmunication angamba no tokony hatao mafy,fa io no mitondra azy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1065