Dokam-barotra toa inona???

1. hery ( 09/11/2003 11:12)
Samy nahatsikaritra isika fa misy dokambarotra vitsivitsy ny site tato ho ato. Amin'ny maha-maimaim-poana ny site dia miezaka mitady fomba hafa izahay hampidiram-bola.
Ahoana ny fahitanareo ny dokam-barotra eto? Azo ihafiana ihany ve sa be loatra?
Rehefa mitombona tsara ny fisian'ny dokam-barotra maharitra (site na organisme malagasy manohana ny serasera.org) dia tsy hisy an'ireo dokam-barotra ireo intsony.
Misaotra mitady hevitra ary e.
Hery
novalian'i hery ny 30/12/2003 12:52
2. rfanjav ( 11/11/2003 15:07)
Ilaina ireo dokam-barotra ireo, (raha andoavam-bola daholo)

arakaraky ny maha-be ny doka no mahabe ny vola miditra koa, ka inona no antony anasorana azy,

isaorana aza ireo malala-tanana mampiditra ireo doka ireo ato @ site!
3. fijo ( 13/11/2003 20:35)
ataoko fa tsy hafa miala amin'ny dokam barotra ny serasera.ary tsy hita koa izay maha ratsy izany fa dia samia mandray izay raisiny eo e.
4. ariary ( 14/11/2003 10:12)
Ilaina ny dokam-barotra ary ny hita eto aza kely miohatra @ seratra hafa ka noho izany dia "azo ihafiana" tokoa.

My mampihomehy dia anisan'ny asanay ny manadihady ny sites visités ao am-piasana ka hita ao foana ny anarako hoatry ny hoe mamangy matetika ilay adresse Amour - Rencontres misokatra ho azy.

(Confidentielles ireo données ireo fa izahay samy ao @ informatique no mifampitsikilo hihomehezana)



5. hery ( 16/11/2003 09:53)

Désolé ariary :))
Fa aza matahotra fa tsy hisy site porno akory na sahala amin'izany hanao pub eto fa efa filtré...

Fa tena manohana be ny site mihitsy aloha ireo pub ireo.

misaotra e.
6. fijo ( 18/11/2003 20:40)
tsy misy maha ratsy ny fisian'ireo,ary tsy hafa miaina koa raha tsy misy ireo,koa tsy misy olana angamba izany.
7. rfanjav ( 18/11/2003 13:49)
Tokony atao aza izay hahabetsaka azy, sitrany ahay vola!
8. hery ( 18/11/2003 15:47)
Nesoriko ny dokambarotra anakiray na dia nahazoana vola tokoa aza.
Hitadiavana fomba hafa fa manjary voasembatsembana be rehefa mijery an'ilay site.
Izay mbola madeha eo dia mbola mitohy ihany aloha.
Misaotra betsaka.
9. fijo ( 19/11/2003 20:40)
tohizo e.
10. jonyrapida ( 29/12/2003 15:52)
Slt
Ianao (Hery) ihany no mahita azy koa.
Mandanjalanja ny saosy sy ny vokatry ny pub.
Manokafa indray Porno raha betsaka ny "demandes".
Mampamangy any amin'i " ariary".
11. hery ( 30/12/2003 12:52)
Aza matahotra fa tsy hisy pub porno eto.
Ary tsy hangataka vola mihitsy zahay.
Mbola ho vita amin'ny fanampian'ny olona, ny argent de poche-ko sy ny karamako etsy sy eroa ary pub aloha ity amin'izao fotoana izao :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.301