Fihaonana manaraka 29 novambra

1. hery ( 29/10/2003 20:32)
Araka ny hevitra nitranga avy tamin'ny namana vitsivitsy sy nandeha tamin'ny Forum teto dia nisy fihaonan'ny namana vitsivitsy teo Soarano Antananarivo tamin'ny asabotsy 25 oktobra 2003. Niniana tsy natao tena ofisialy izy io satria sao dia betsaka loatra ny namana tonga kanefa mbola tsy misy mpandrindra ny fihaonana akory. Teo amin'io fihaonana io vao nomanina ny fikarakarana ny fihaonana manaraka izay tapaka fa hatao amin'ny 29 novambra 2003 ho avy izao. Io amin'ny 23 novambra io izany no fihaonana ofisialin'ny namana voalohany izay karakarain'izy 10 mianadahy tonga tamin'ny fihaonana voalohany tao Soarano.
Ka eto amin'ity forum ity indray no hanohizana azy.
Jereo eto ambany ny takelaka misy ny tatitra sy ny sary.
http://namana.serasera.org/index.php?rub=special/soarano
2. fijo ( 29/10/2003 09:39)
manao ahoana daholo.
tena faly tokoa ny tenako nahita ireo namana tafavory tao soarano.ary hitako tao koa moa ilay mpifananihany amiko manao akanjo manga.tena mba te hiaona amin'ny namana rehetra ny tenako,saingy aty lavitra aty moa no misy ny tena,koa dia manohana ampo sy am-pitiavana ny dingana manaraka.mahafinaritra ny toa izao,ka tohizo ary mahereza daholo e!
3. rsamfm ( 29/10/2003 16:20)
Sao hadino ilay fanamarihana manokana, fa ilay boite CD dia atao an-tànana fa tsy atao anaty kitapo. Ilaina tsindriana tsara io an, vimbinina ilay izy satria iny no hifamantarantsika. Eo amin'ny vavahady ambany, akaikin'ny tsangambato no fotoana amin'io.
4. rfanjav ( 29/10/2003 18:25)
F'angaha koa moa tsy tapaka t@ io ilay hoe samy mba mitondra jus kely (PM)!
5. ralay ( 29/10/2003 09:21)
Nahafinaritra ny nahita ny sarinareo namana tonga t@ fihaonana ka dia isaorana ianareo 11mianadahy. Ny zavatra mba tiako ho lazaina kely fotsiny dia aza dia miafinafina loatra rehefa maka sary. Dia manantena anareo ho tonga marobe @ fihaonana @ manaraka io.
Misaotra e
6. falimana ( 29/10/2003 16:39)
Akore aby !!!
Mba faniriako ela be ny hihaona amin'ny namana rehetra ato amin'ny serasera, ka ho tonga angamba ilay efa nirina ela be ka dia misaotra an'ireo izay mba nieritseritra ny hanaovana ny fihaonana.
Manantena fihaonana mahafinaritra ho an'ny namana rehetra. Mba hiezaka ho tonga ihany na dia lavitra aza.
Misatse anareo ragnetse maro, mifandro ao zane tika amo andro'o!!!
Ka halignove areo avao ty ragne'areo!!
Misaotse
7. nina ( 30/10/2003 20:37)
Manakory aby ô
Avy dia fisaorana betsaka no atolotra ny tomponandraikitra rehetra ato @ namana serasera, fa dia mahafaly anay tokoa ny tahaka izao, ary enganie hitohy hatrany ny fandrosoana ato @ serasera, ary maromaroa koa ny tahaka izao, dia mino aho fa hihaona ao daholo isika rehetra dia hikakakaka mihomehy e!
Fa raha tsy mahadiso ve fa mba @ firy moa io lera io raha tsy mahadiso, dia maraina ve sa hariva , azafady a!
Dia mirary soa aby ary e! dia @ 29 Novembre indray izany e!
8. nina ( 30/10/2003 20:39)
Manakory aby ô
Avy dia fisaorana betsaka no atolotra ny tomponandraikitra rehetra ato @ namana serasera, fa dia mahafaly anay tokoa ny tahaka izao, ary enganie hitohy hatrany ny fandrosoana ato @ serasera, ary maromaroa koa ny tahaka izao, dia mino aho fa hihaona ao daholo isika rehetra dia hikakakaka mihomehy e!
Fa raha tsy mahadiso ve fa mba @ firy moa io lera io raha tsy mahadiso, dia maraina ve sa hariva , azafady a!
Dia mirary soa aby ary e! dia @ 29 Novembre indray izany e!
9. rfanjav ( 30/10/2003 11:53)
Ny fotoana : @ 2 ora sy sasany hariva tsy diso,

Fifankafantaran'ny namana : samy mitondra boatina CD iray atao an-tanana,

Toerana ifamotoana : eo amin'ny vavahady ambany, akaikin'ny tsangambato.

dia manantena ny fahatongavantsika maro ary!
10. rhina ( 30/10/2003 16:46)
saliiiiiiiiiiiiiiii daholo e!
Izaho ilay manao akanjo menamena
ataoko angamùba fa betsaka ny mahafantatra ahy o!
de izao aza adino ilay @ 29 izao de manantena ny fahatongavantsika rehetra e!
mba tsy ho tonga @ ilay fitenenana manao hoe tonga namana vao mavo² veloma daholo e!
11. fijo ( 31/10/2003 09:52)
ahoana ry akanjo mena.toa ilay akanjo mangan'i rfanjav no voamariko satria mpanala ahy io anarana io.fa tsy takona mihintsy akory ilay menakely teo amin'ny sary.dia hamafiso ilay amin'ny 29 ary e!mahavita be.rfanjav
ilay (PM)ve praiministra,ih,ih,ih
12. rfanjav ( 31/10/2003 17:09)
Ha ha ha
Fijo ity koa tsy lany resaka,

PM : petit modèle, sa inona no tianao?

fa tsy ferana koa izay te hitondra hafa!
13. mcz ( 31/10/2003 20:59)
Faly miharahaba anreo rehetra
Milatsiny bediabe raha tsy tonga tany ny tenanay fa nisy zavatar tsy maintsy nale tsy tao anatiny programa? milay be alo ilay hevitra
hiaonanay namana rehetra ny fanirina de ny hamohahany rehetra ny heviny rehefa @ io fotoana manaraka io , boite na CD 1 v? sa tranona CD 1
ok de manatena ny fantongavantsika rehetra @ io
14. bditra ( 31/10/2003 09:33)
Tena milay be ilay hevitra e ! Mba tonga amin'izay izahay amin'io sabotsy 29 novambra 2003, amin'ny 2ora sy sasany io. Ary manasa ny any amin'ny Provice koa mba ho avy haka vacance kely aty Tana dia mba mihaona amin'ny namana eto e ! Amin'ny manaraka mety hatao any amin'ny province indray koa ny fihaonana
15. rfanjav ( 31/10/2003 11:54)
Mahavelom-bolo ny fahazotoantsika rehetra ka dia manantena ary izahay 11 mianadahy nanatrika ny fihaonana voalohany !

Mirary soa e!
16. rjmahel ( 31/10/2003 19:44)
Dingana iray lehibe ho amin'ny finamanana sy ny fiombonana io fihaonana io ka tohanana 100%. Ho santatry ny sisa ho avy rehetra ka anentanana ny retraretra. Rehefa tsy ho afaka ihany ve tsy aleo mba manentana sa akory ry rfanjav.
17. rfanjav ( 03/11/2003 15:50)
Mahavelom-panantenana,

hevitra tsara sady mahomby!
nefa tsy dia ekena loatra ho an'ny eto Tanà ilay fanentanana fotsiny! sa?!
18. rfanjav ( 03/11/2003 15:53)
Fa ity aloha misy fanamarihana kely,

nisy nanontany hoe atao inona ilay boatina-CD?

tsy atao inona akory fa entintsika ifankahalalana fotsiny eo @ toerana midadasik'Ambohijatovo,

na dia efa voafaritra mazava aza ny toerana, maromaro ihany no mifanaretsaka @ io toerana io,

@ izay izay mahita olona mitondra boatina-CD tonga dia manatona avy hatrany fa tonga dia fantatra hoe NAMANA koa izany iny!

Izay
19. fijo ( 04/11/2003 11:52)
ka raha sendra ny mpivarotra CD dia ahoana?hi,hi,hi
fiomehezana iny,fa ataovy tsara ry zareo a!indrindra ny ao tana tokony mba ho tonga fa tsy hamorona fialana tsiny indray.
Dia aza miova amin'ilay manga sy mena kely an!
20. rfanjav ( 04/11/2003 12:16)
fijo>
efa lany manja ilay manga sy mena kely kou
raha sendra mpivarotra CD dia tonga dia alaina hozaraina @ namna e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1444