Misy firy kay ny lanitra

1. rfanjav ( 10/10/2003 14:09)
Mahagaga fa na dia samy mitonona ho kristianina izao aza dia mifanaratsy ,
misy mihitsy ny manambanimbany ny finoan'ny hafa, samy manandratra fa ny azy ihany no marina, dia miforona etsy sy eroa izao karazam-piangonana rehetra izao,
ary sahy milaza ihany koa fa izy ireo na izay manaraka azy ihany no ho voavonjy sy ho tafiditra any an-danitra,
ka mipetraka ny fanontaniako adaladala eto hoe : misy firy kay izany lanitra izany?
novalian'i fijo ny 19/02/2004 10:24
2. charly ( 12/10/2003 11:33)
Ny lanitra aloha dia iray ihany e! ary raha mitonona ho kristianina dia tokony ho Andriamanitra iray ihany no ivavahana na aiza na aiza no mivavaka, saingy tsy mety kosa ny manimbazimba ny tsy an'ny tena, araka ny voalaza etsy ambony mantsy dia tena misy mihitsy ireo antokom-pinoana mitompo teny fantatra fa ny azy ihany no tena marina ary sahy milaza mihitsy re zareo fa efa voavonjy sahady ry zareo fa ny sisa dia tsy avotra raha tsy miaraka aminy. Amiko aloha, matoa mbola mivavaka sy mifona dia mbola samy mpanota avokoa fa tsy misy mahafantra sahady na ho voavonjy na tsia. Dia izany no mbola hivavahana isanandro satria mbola manota isanandro. Fa ny maha-atokom-pinoana atsy na aroa tsy midika inona fa iray ihany no Andriamanitra sy Kristy azo inoana.
Misaotra.
3. rfanjav ( 13/10/2003 11:52)
Misaotra anao
Raha mba ohatra anao daholo ny kristianina hilamina ny fiaraha-monina, fa mba tiako ho heno koa ny valintenin'ireo manana antokom-pinoana hafa anisan'ny tsy mankasitraka ny protestanta sy ny katôlika indrindra indrindra fa manindraindra ny azy, raha misy ato @ namana!
4. xxx ( 20/10/2003 11:28)
Fa ianao manindraindra ny protestanta sy katolika sa mpivavaka @ antokom-pivavahana hafa,miha-mandroso ny tany,maro ihany koa ny antokom-pivavahana, (safidinny tsy 1-1)fa tsy nalahatr Andriamanitra,izaho tsy mba mpiditra am-piangonana,rehefa fantatrinny namako mpiditra am-piangonana aho hoe:tsy mpiditra am-piangonana dia hoy ny iray andao hivavaka any aminay dia hoy koa ny iray andao any aminay,dia hoy aho hoe:avelao aho ho very raha ho very fa tsy handeha aho,mety ve ny nataoko sa tokony hifidy ihany aho?ahoana ry Rfanjav.?
5. rfanjav ( 21/10/2003 19:08)
Fomba ahoana moa no ilazako anao na mety ny ataonao na tsia! safidim-ponao io fa tsy nisy naneritery akory, ary tsy misy afaka ny hanery anao koa e!

Anjaran'ny mpivavaka tsirairay (aleo atao hoe asany mihitsy e) no mitarika namana, ka raha metimety aminao, moa manaraka azy ianao, raha tsia kosa dia tsy mandeha fotsiny @ izao e,
nefa tadidio koa fa na ho atsy ianao na ho ary, hivavaka @ Andriamanitra daholo izany fa ny fomban'ny fiangonana tsirairay fotsiny no mety ho samihafa!

ce que j'aime-nao ihany io e!
6. xxx ( 21/10/2003 09:55)
Ny ahy ndray ry Fanja de zao ny hevitro a !
Za tsy de mivaky loha hoe aiza ny oul 1 no mivavaka na aiza, fa ny ahy de ilay fiainana mahakristiana mihintsy no mba tiako hiainan'ny tsirairay amin'ny fiainany rehetra io fa tsy hoe any ampiangonana na any ampiasana na aiza na aiza. Fa rehefa kristiana de kristiana amin'ny fiainana rehetra, fa tsy anarany fotsiny. Mahamenatra mihintsy indraindray ny mahita oul manana andraikitra amina fiangonana 1 nefa manao toetra tsy mendrika eo amin'ny fiaraha-monina, de ny tena mijery azy no menatra. Sanatria tsy hoe mitsara oul akory nefa na izany aza ny mahaMpivavaka de tokony aseho amin'ny lafiny rehetra.
Zay
Sa ahôna ?
7. rfanjav ( 21/10/2003 11:29)
Aleo atao hoe "vérité universelle" izany, tsisy azo iadian-kevitra e!
Na aiza alehanao tsy maintsy misy foana ny maramara!
Tsotra fotsiny ny antony amiko :efa resin'ny fitiavam-bola ny "tena" fitiava-namana e!

8. xxx ( 12/11/2003 09:51)
adaladala otran ny filazanao azy marina lay fanotaniana....
na ol mino enao na tsy mino, na kristianina ianao na hafa koa dia mitovy daholo, raha eto Madagasikara ianao, io itanao isan andro io ny lanitra, manga, ndrandray manaloka, mety hisy rahona, rehefa atoandro tazanao ny masoandro, rehefa alina mahita volana sy kintana ianao, na aiza na aiza misy anao eto ambony tany dia hoatran izay foana no hitanao, fa tsy misy hoe any amin tany miady ohatra mena ny lanitra, na tsy misy masoandro.... mazava be ny valiny
9. xxx ( 12/11/2003 10:33)
ho anao ilay mametraka ny fanontaniana voalohany:
ny karazana kristianina inona sy avy amin'ny fiangonana inona ary izany no ho voavonjy,
mba ho jerena raha sahinao ny milaza eto hoe izay misy anao io ihany (izay tsy fantatro hoe inona)
raha sahinao ny milaza hoe ny anao no ho voavonjy dia efa karazan'ilay manindraindra ihany ianao izany
raha tsy io anefa ny valin-teninao dia tsy manana ny fotom-pinoanao akory izany ianao
10. fijo ( 13/11/2003 20:49)
tena lha hevitra tsara tokoa io nampidirina io;izao aloha dia tsy mino an'andriamanitra,nefa dia manaraka ny ataon'ny mpino aho ahitako izay fombany.ny mampalahelo aty mada dia avela malalaka ireo sectes marobe ,maroa min'izy ireo anefa no manana tanjona tsy mendrika,fa manararaotra ny fahalemen'ny gasy fotsiny.amiko ni lanytra dia io mangabe hitan-tsika io,fa tsy misy zavatra hafa azo antenaina any.
11. rfanjav ( 14/11/2003 14:03)
Marina fa io mangamanga hita io no lanitra,
nefa ho an'ny mino dia misy zavatra hafa ambadik'io

Ho an'ilay olona nanontany ahy t@ 12/11 :

Izaho tsy manindraindra ny foto-pinoako akory, (loin de moi cette idée),
izaho koa anefa tsy menatra @ finoako fa miady mandrakariva mitazona sy manamafy azy

fa gaga fotsiny amin'ireo antokom-piangonana miforona (izaho tsy hiteny hoe secte) sahy miady hitarika olona ho any @ LANITRA-NY,
nefa iray ihany ny lanitra, maninona raha miaraka fa tsy mifanaratsy fotsiny ny samy fiangonana?!
12. isrine ( 02/12/2003 15:26)
Ny lanitra zany de tokana na ny lanitr'Atra na ny lanitra manga.
13. fijo ( 03/12/2003 20:45)
ny manga aloha dia hitako,fa ny hafa tsy mbola nisy nahita.
14. ikaretsaka ( 03/12/2003 10:22)
arakaraka io ko... lanitra sens propre sa figure... ety bedebe raha mi double na mi triple ilay sipa @ andro ririnina ohatra
15. isrine ( 03/12/2003 15:20)
O ry Ikaretsaka a, resaka finoana sy fivavahana anie no eto e.
16. fijo ( 04/12/2003 09:31)
lavitra be ny any usa izany ry karetsaka an.tara ilay resaka vao tena tonga any.
17. ikaretsaka ( 05/12/2003 15:44)
ka lanitra daholo izany ko... ny sujet an'ity ange hoe misy firy ny lanitra e? dia mba nilaz aizay lanitra fantatro aho ko... resaka finoana koa ilay hoe misy sa tsisy lanitra ao amin-dry zavavy ao androany! napetany sa tsy napetany ilay izy
18. six ( 18/02/2004 10:19)
isika kosa ato amin'ny hoe finoana sy fivavahana, dia ataoko angamba fa tsy mila soritana intsony hoe ity lanitra ity no tiana ho tenenina na ity, eny e saingy mba samy manana ny eritreriny nef
19. six ( 18/02/2004 10:25)
nefa averiko amin'izay,
na izany na tsy izany, ny finoanao tazomina ry rfanjav a, aza mety rebireben'izany, "tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao"
20. fijo ( 19/02/2004 10:24)
tano ny finoana,dia ny any ankaotra ihany katsahana fa avelao hoanay ny ety an tany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1405