You are here: home > Forum

Marary an-doha lava

Lohahevitra : Fahasalamana
Fitohizan'ny hafatra : Marary an-doha lava
Valiny : 9
xxx - 04/09/2003 13:17
Mba tena mandreraka be ry reto fa zaho marary andoha lava a! ary tsy vitan'izay fa mitsonika foana ny orona, ... sao mba misy afaka manampy, dia misaotra mialoha!
Valio | Miverina eny ambony
jahary - 05/09/2003 13:08
Sao de tension ?mnatona dokotera fa zah tsy izy an!
Valio | Miverina eny ambony
jahary - 05/09/2003 13:08
Sao dia sinusite koa?
Valio | Miverina eny ambony
xxx - 12/09/2003 14:36
sao koa dia cistycercose fa a nanao n'zany de kay izy, manaova ihany analyse fa raha sinusite de hafatra ao @ homeopharma atao. 7500f ny 1
mirary fahasalamana.
Valio | Miverina eny ambony
toubib - 20/09/2003 21:30
Antony maro no mety hahatonga izany , izany hoe marina ireo efa voatanisa ireo (sinusite, cysticercose, etsetra...) fa eo ihany koa ny toxoplasmose izay mihamaro tokoa@zao fotoana izao, migraine, dépression nerveuse, sy ny sisa tsy voatanisa eto daholo. Fa ny tena tokony hataon'ireny olona ireny aloha dia tsy misy hafa-tsy ny manao fizaham-pahasalamana akaiky any @ mpitsabo, tsy voatery ho "spécialiste" akory fa saika mateti-pitranga @ "consultation" any @ dokotera miasa tena ireo. Raha eto Antananarivo moa ianao no mipetraka dia miala tsiny raha hanonona anarana dokotera mpitsabo manokana azo atonina: Dr SAMBANY (Befelatànana) , Pr Angéline (HJRA), na koa any@ireny services ORL ireny ihany koa.
Valio | Miverina eny ambony
xxx - 09/10/2003 10:01
tsara ny hafatrareo fa zah tsy any antanana, fa aty andilana...
matahotsa fanafody vazah ... d ahoana no atao?
Valio | Miverina eny ambony
rfanjav - 10/10/2003 18:50
Mba manandrama mijery maso ihany aloha fa sao dia areti-maso ny anao? Raha izay mantsy tsy ho afaka mihitsy io raha tsy manao solo-maso ianao.
Raha efa manao solomaso kosa dia mila miverina mijery indray sao dia efa tsy antonona anao intsony ny "dégré"-n'ny anaovanao!
Valio | Miverina eny ambony
xxx - 01/11/2003 16:13
Dokotera aho izao manontany anao izao. Rehefa fotoana toa inona no mamparary ny lohanao, ny maraina vao mifoha ve, sa hafa ankoatra izay; inona no anton-javatra eritreretinao fa mampihetsika azy, toy ny hoe rehefa mijery télé na ordinateur elaela, na rehefa reraka ohatra; rehefa marary izay ve ny lohanao dia mandoa koa ianao; ary farany rehefa matory ve ianao dia afaka ilay aretin'andoha sa tsia?
Valio | Miverina eny ambony
xxx - 29/11/2003 14:56
manatona dokotera e! sao d méningite manko ka sao d mila spécialiste kou?
Valio | Miverina eny ambony
sambatra73 - 23/01/2004 10:39
mety efa tara angamba ty hevitro ty fa tsy efa tany doko ve enô. Nefa o an'ny sasany zay mitovy aminao aty andilana, dé oy zà oe ndana manatona ny centre anti-douleur.
Io aretin'an-doha matetikio dé bdb no voany. Mety "Migraine chronique", na kou "allergie" no maazo anô. Aza mipetrapetra-poutsinn fa @ zao siecle zô efa be ny zav-misy afaana miala @ marar na de mbola be az ny ezak tokouny atao. Manatona doko iany e
Valio | Miverina eny ambony