trosa sy toe-karena...

1. lucienr ( 04/05/2003 15:25)
mba te hanontany ny hevitrareo aho mikasika ny mety ho fivoaran'ny toe-karena raha jerena ireny valan-dresaka nifanaovan'ny mpanao gazetintsika t@ Atoa Gobin Nankani. Mety hisy fanantenana ve?
novalian'i xxx ny 05/03/2004 14:57
2. julianna ( 04/05/2003 19:00)
Raha ny hevitro no anontaniana dia tsy misy fanantenana
3. zafy ( 08/05/2003 12:33)
misy ny fanantenana raha tia fiovana ny gasy tsy tia tsolotra manomboka hatrany @ mpitantana ny orin\'asa tsirairay avy ka hatrany@ olona tia tsolotra fa raha mbola misy ny manolotra dia tsy handa velively ny tolorana ary izay no mety tsy hantanteraka ny fivoaran-tsika
4. xxx ( 18/10/2003 17:55)
Raha ny hevitro aloha de tena misy fanantenana tokoa ny toe-karentsika malagasy, fa ny tena olana amintsika fotsiny dia ny fanovana ny toe-tsaina tokony ialana mihintsy ny toe-tsaina tamin'ny andron'ny 2e rep. efa toe-tsaina mivoatra zao. Ambony fôna ny moral rehefa manao zavatra.
De mandeha io
5. kroodlood ( 14/11/2003 11:23)
Fa maninona ary ny antsika gasy vao misy zavatra tsy mihodina kely dia hoe " Ny toe-tsaina no mila amboarina " na koa hoe " Ratsy ny toe-tsainiNTSIKA gasy ". Ampahatsahiviko anao fa ianao manaratsy avy hatrany ny toe-tsaina gasy no mila fieritreretana bebe kokoa na mila fiovana mihintsy aza !
Eny , ekeko fa betsaka ny zavatra mahavaky fo eto Mada , fa tsy mba neritreretinao akory ve hoe avy amin'ny fahantrana daholo ny ankabeazan' izany ?
Dia hiteny indray ianao hoe " Ka avy amin'ny toe-tsaina anie ny fahantrana eh ! " . Fantaro fa isan' ny vahoaka mahataka-davitra sy mahay mandray ohatra amin'ny zava-manodidina azy ny gasy raha toa ka manan' amby ny fiainany ( satria raha noana ny kibo ny fanahy mivezivezy ! )
6. xxx ( 04/12/2003 20:49)
Tena misy avy amin'ny toe-tsaina mihintsy ny fahantrana ry kroodlood a ! efa nosaininao ve ny toetsain'ny olona mitady ny ohaniny isan'andro raimpianakaviana miteraka 5 na 6 nefa ny vola kely mba azo isan'andro hisotroana tôka. De avy amin'iza izany. De mbola avy amin'ny toe-tsaina ihany koa ny olona sipa na bandy kely manambadimbady fôna nefa ny eo ampelatanana tsy misy akory fa sô de lazain'ny ol hoe tara amin'ny revy de lasa manambadimbady fôna de miteraka de tsy normal ve raha tsy ampy ny eo ampelatanana.
Asa zà tia mandinindinika nga ka ohatran'ny tafiditra lalina be
7. kally ( 06/12/2003 11:00)
Hono ho'a ry X?ianao moa tsy sahy mitonona solon'anarana akory!! Dia mino tokoa ve ianao fa avy @ toe-tsaina izany rehetra izany?nandinika lalina tokoa ve ianao?Raha nampidirina t@ firehana kôminisma ny gays nanodidina ny taona 1985 tany ka nahantra nilaha-bary tsy nahita harapaka,toe-tsaina ve izany?Raha nodontoina ny gasy navadibadika foana ny teny nentina nampianarana azy mba tsy hitiavany intsony ny fampianarana,mba tsy hahaizany intsony izany atao hoe fahalalana toe-tsaiko sy ianao ve izany,ary rehefa tsy nahay n'inon'inoan aho nivoaka avy t@ io fampianarana io,mazava ho azy tsy mahita asa ,leon'ny vary tsy misy sy ny laoka tsy misy isan'andro aho ka ny fahasambarako sisa dia ny mandeha manambady,mitositosy @ olon-tiako,ary satria tsy azoko izay nampianarina ahy tany am-pianarana satria mbetika teny gasy mbetika teny vazaha,ka tsy nahay ny fanabeazana aizana aho,toe-tsaiko ve izany?Dia mahantra aho,dia sahinao ny hilaza fa toe-tsaiko izany???
8. xxx ( 09/12/2003 11:54)
Fa ny gasy hoy i Kally nefa ahoana ny gasy sasany na de eo ho eo ihany aza ny fivelomany de mety na de tsy misotro tôka aza, mety ihany koa raha miaina amin'ny fiainany fa tsy mandeha maketsy sy makeoa. Satria v zay ny fiainana niainana d tsy afaka handinika ny saina fa lasa mivarilavo satria niovaova ny teny nenti-nampianatra.
Sô mba tsy mifandray ny resaka
9. xxx ( 09/12/2003 11:55)

10. kally ( 09/12/2003 16:50)
Mazava be izany ry xx,satria niovaova ny teny nenti-nampianatra,vokany voakorontana ny sain'ny ankizy,ny prôgrama tsy maintsy vitaina ho an'ny mpampianatra,valiny tsy misy zavatra hain'ny mpianatra niala teo,olona iza no hampiasa olona tsy mahay n'inon'inona?Anisan'ny vokatra notadiavin'ny mpanao pôlitika teo aloha io fivarilavoan'ny vahoaka io,olona mamo lava angaha mahay manohitra fitondrana?
Pôlitika mazava be ange ny an'ny mpitondra ry x e!dontoina ny gasy rehetra rehefa donto tsy mahay manohitra fitondrana,malalaka ny lalana hidirana @ didy jadona.
Azonao ny fifandraisany?
11. xxx ( 16/12/2003 18:37)
Ka le ol manao an'zany ange le ol teraka entre 1950-1960 e ! mbola tsy tratran'ny fanagasiana izany, tanora iza am'zao intsony mo no mbola hiteraka 5 na 6. 3 ihany sisa
12. kroodlood ( 20/12/2003 16:22)

Na izany rehetra izany aza de apetraho ihany ny fanontaniana hoe : toetsaina ef a nanantsika gasy hatramizay ve izany tanisainao izany ry xxxxxx? Ary moa v nampahantra ny NTAOLO ny toetsainy taloha ,izay tokony ho nolovaintsika , raha tsy ny FARANTSISO ?
13. jokely ( 22/01/2004 17:38)
Hafa mihintsy ny taloha ry kroodlood a ! aza ampitahaina fa tsy mitovy mihintsy kos'e ! ny an'ny ntaolo razantsika tena mbola haf'e. Ekeko hoe misy ny tokony mbola holovana hatramin'izao fa misy ko anefa ny efa tsy mifanaraka amin'izao vanimpotoana izao intsony kosa. Asa raha azonao le hevitro, le anao tsy de mazava tsara
14. kroodlood ( 31/01/2004 17:51)
Ho anao manokana ity fanidihadiana ity ry Jokely! Ny olana eto dia misy milaza tsy am-pihambahambana fa raha toa mahantra hono isika dia avy tanteraka @ toe-tsaina izany ! Izaho kosa manambara fa nampahantraina isika satria raha hoe io toe-tsaina io no jerena dia mba isan'ny manana ny lavorary angamba isika gasy! Ekeko fa tsy tonga lafatra fa mba jereo ange , raha ampitahaina fotsiny ny fahazotoantsika miasa @ ny an-dry zareo any Afrika ohatra dia ilaozantsika lavitra tokoa ry zareo ( Any @ ankabeazan'ny pays de l'Afrique de l'ouest ohatra de tsy mety mihintsy ry zareo mpiasa raha tsy @ 3 ora tolakandro ny fidirana am-piasana isaky ny hariva !!!!! ) .Jereo koa ny firaisan'izany fianakaviana malagasy izany ! Inoaka angamba fa tsy ho lavinao fa ny fototry ny fiaraha-monina sy ny manodidina azy (ie ny asa aman-daraharaha, ny fiainana ao an-tokan-trano ....) dia mifototra @ fianakaviana avokoa . Tsara fototra tokoa isika eo ary lazaiko aminao fa betsaka ny maniry izany (hanenana ny fandaniam-panjakana @ fiandraiketana ny be antitra fotsiny ohatra ).De izany ve de mbola hilazana foana hoe avy @ toe-tsain'ny gasy ny fahantrany ??? Fijery natsofoky ny mpanjanantany izany ary nokendreny indindra hanapempona antsika ka hadalana kosa ny anao raha mbola mijery toy izany ihany !!!!!
15. kroodlood ( 31/01/2004 17:53)

16. kroodlood ( 06/02/2004 15:49)
Angaha tsy de misy manankevitra firy intsony no ............................
17. xxx ( 05/03/2004 14:57)
Aiza indray ity hoe tsy manakevitra ity ry Kroodlood . Eto ihany ange izahay fa .....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.221