Pirates?

1. hery ( 02/05/2003 14:17)
Marina ve fa misy mpihira mihitsy indray mamoaka pirates? Izany hoe tsy mahavelona azy intsony ilay vola takian'ny producteurs-na K7 dia avy eo koa tsy ampy ny vola omen'ny OMDA dia izy ireo indray no manao copie sy mampivarotra an'izany? Hmmm raha izany tokoa dia tena mampalahelo.
novalian'i mihanta ny 02/02/2005 12:36
2. dd ( 21/05/2003 16:00)
Tsy dia haiko loatra izay fanaon'ny mpihira any ambadika, fa ny mampalahelo dia ny fahitana ireo K7 na CD eny Analakely (tamin'ny andro 'zahay tany) izay marobe ary tsy fantampihaviana ny ankamaroany. Dia raha mba mividy ianao, dia hosahirana indraindray mahita fa hay K7 natao dika maromaro ny azonao, ... ny qualité sonore amin'izay tena tsy misy, ny CD mety misaoty, ny K7 rehefa avy hainoina imbetsaka miorona ao anaty vata fihainoana ...
3. xxx ( 02/10/2003 09:48)
Ny probleme amin'ilay piratage anie de zao e : ilay fivoaran'ny technologie mihintsy no manosika ny olona hanao pirate, satria ao aminy daholo na graveur na scanner, na imprimante en couleurs, de grave-ny fotsiny ny original de scanne-ny ny jacket-ny de imprimer-ny avy eo de enao mpividy tsy mahalala akory fa de hoe original de zay. Tapitra
4. hery ( 02/10/2003 16:16)
Ataovy hoe ny kaonty.
- Copie CD
- Scanning
- Impression en couleur an'ny Jacket
- Tsy maintsy mbola fonosina kely

Dia ohatrinona ny tombony?
Tsy ny olona rehetra no manao piratage kah. Tena réseau ngeza mihitsy vao mety.
5. mouvoka ( 14/12/2003 20:50)
Ny hira rehetra any antranonao ve izao dia original daholo ?
6. jokely ( 16/12/2003 16:41)
Ka izy anie ry Hery raha manao tsy hoe cd 1 na 2 fa efa ataony fitadiavana mihintsy anie io e ! mety hahatratra hatramin'ny 100. Alaivo sary antsaina hoe ny cd gasy original 1 = 130 000 fmg nefa enao ohatra mahita 25 000 fmg na 20 000 fmg. Ny enregistrement-ny mitovy ihany fa tsy ohatran'ny K7. d zay no mahatonga an'ilay pirate mahazo vahana b eto amintsika
7. ikaretsaka ( 16/01/2004 20:54)
marina io... fa raha moramora ny vidina CD original... mety fongana reo an...
8. SINOAKELY ( 02/02/2005 10:53)
Dia tena miombon-kevitra amin'ikaretsaka aho amin'izay
9. mihanta ( 02/02/2005 12:36)
tsy maintsy misy foana ny contre façon
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3312