Hajanona ve ny ady any Iran?

1. hery ( 3 ora lasa)
Saika faly ihany ho nanafika mafy be tampoka Trump nahafaty ny Gida Siprema mba ho hanafaka ny Iraniana, saingy toa tsy vitany ilay izy. Handroso maty raibe, hihemotra maty renibe, hijanona maty fotsiny am'zao. Hajanona ve ny ady? Hanao ahoana ireo Iraniana izay efa saika velom-panantenana? Hahaleo ny sarany ve ny vidiny?
Amin'izao vao maika miantsoantso ny rehetra ho ajanony ny ady satria miakatra be ny solika, miakatra be ny vidim-piainana.
Averiko indray fa ny hany fanantenako tamin'ity ady ity dia hoe mba hiala ny jadona mianjady amin'ireo Iraniana voaporitra tamin'ireny hetsika tamin'ny janoary 2026 ireny. Tamin'ireny dia niantsoantso teny an-dalam-be ny vahoaka ary niandrandra ny fanampiana avy amin'ny Amerikana, saingy tsy vonona ry zareo. Avy eo moa nararaotin'ny Israeliana ilay izy dia niara-nanafika ry zareo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0074