Album "Fitiavantsika" - Art'Rindra

1. hagamamytahiana2023 ( 26/11/2024 15:12)
Salama daholo ô, sao dia mba misy manana hiran'i Art'Rindra hafa ohatra hoe : "Faly indray", "Ho eo", "Arindra", "Miverena", "Hanaraka", fa anankifito izao no hirany mba hananako ato : "Fitiavantsika", "Nofy ratsy", "Feo miantso" sy "Zava-poana" nalaiko tamin'ny Radiovazogasy vao haingana, "Ianao ihany" sy "Tsy hay atao" (hira vaovao). Hiverina tsy ho ela ihany koa izy ireo amin'ny taona manaraka.

Teo anelanelan'ny volana Novambra sy Desambra (taona 2005), no niforona ny tarika Art'Rindra ary 5 mirahalahy izy ireo no mpikambana mandrafitra izany : Luc Näss (vocal, auteur-compositeur), Bôlô (batteur),
Rapà (bassiste, auteur-compositeur), Ratah (claviériste), ary i Haja Ratianarivo (auteur-compositeur, guitariste). Ny volana Jolay taona 2006 no nivoahan'ny raki-kira voalohany izay mitondra ny lohateny hoe
"Fitiavantsika" izay misy hira 10 ao anatiny :
1. Feo miantso (reggae) / 2. Fitiavantsika (slow) / 3. Zava-poana (pop rock) / 4. Hira ho anao (variété)
5. Faly indray (variété) / 6. Ho eo (groove) / 7. Miverena (variété) / 8. Arindra (pop rock)
9. Nofy ratsy (slow) / 10. Bonus : Hanaraka (variété)
Fa talohan'izay efa nanao fampisehoana tao Antsahamanitra izy ireo niaraka tamin'i PRINCIO sy MARION izay nokarakarain'ny Looko Dosol tamin'izany fotoana.

Rehefa elaela tsy tazana ny tarika dia namoaka hira vaovao tamin'ny taona 2016 izay mitondra ny lohateny hoe "Ianao ihany" (variété), dia tamin'ny taona 2020 izany hoe na dia nisy aza ny fihibohana dia namoaka ny hira vaovao indray ny tarika mitondra ny lohateny hoe "Tsy hay atao".

Ny tarika Art'rindra dia anisan'ny mpanakanto ankafiziko ary mbola anisan'ny tena tiako foana hatramin'izao.

Mirary soa ho an'ny tarika ary mahombiaza hatrany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2203