FITIAVAN'NY TANORA
Ny tanora ankehitriny dia tanora miana-mitia
Hany ka tsy mahalala izay tokony ho atao
Satria mifampizaha toetra akory vao miara-dia
Ka ny fitiavana no lasa natao kilalao
Ny fitiavana anefa dia tsy midika hoe ratsy
Ka ho variana amin'ny oroka sy safosafo
Mila mitandrina satria maranitra toy ny antsy
Ary mandoro sy mahafaty toy ny afo
Raha hitia ianao dia mila mamantatra sy manadihady
Ary koa mila mahay mamakafaka ihany koa
Fa tsy hoe vao misy mizara fitia dia andeha hanambady
Ka ho lasa fitiavana kilalao fa tsy vokatry ny fo
Tsarovy fa ny fitiavana dia tsy jerena amin'ny endrika
Dia izany no tadidio sy alenteho tsara ao an-tsaina
Ka tsy ny olona rehetra izay tsara tarehy dia ho mendrika
Fa mila olona manam-panahy sy manan-tsaina
05/05/2024 à 07h 12
Bob Ramanamiravakaa