VOLANA FAHAFITO 5777/ IOM KIPOUR/ TRANO RATSAN-KAZO

1. STViha ( 10/10/2016 14:14)
Faly miarahaba indray ! Araka ny efa nambara fa ao anatin’ny volana fahafito isika HEBREO izao dia tsara raha velabelarina ny tokony ho atao ho fiaraha-mientana hatrany mba ho fanarenana ny firenena. Ka araky ny Baiboly dia ireto avy no izy :
- Levitikosy 23/26-32 Ny andro fanavotana na IOM KIPOUR : Andro famotsoran-keloka izy io ho an’ny HEBREO. Tsy afaka ny hanao na inona na inona mantsy na hangata-javatra @ ELOHIM raha tsy voavelan’i IESHUA heloka, ka sitrak’i ELOHIM sy IESHUA angamba raha hiaraka isika MALAGASY hangataka famelan-keloka ho an’ny tenantsika tsirairay sy ho an’ny ankohonantsika aloha izay vao ho an’ny FIRENENA MALAGASY. Tsara ny manamarika fa andro fitsaharana tokoa io ary misy fampahorian-tena tokony hatao araka ny andininy faha 32. Tsy hanontany ny fariseo intsony angamba isika hoe inona no antony hanaovana izany fampahorian-tena izany, tahaka ny fariseo taloha, fa didy sy fitsipika no arahina dia ndeha atao @ fitiava sy @ fo madio. Koa satria ny andro fahafolo @ volana fahafito no hitandremana io andro lehibe io (11 Oktobra 2016) dia fifandian-kanina no hiarahantsika manao mba ho fampahorian-tena hiraisan’ny MALAGASY rehetra, manomboka androany Alatsinainy 10 Oktobra 2016 rehefa milentika masoandro no miatomboka ny fifandian-kanina fampahorian-tena io ka mitsahatra ny Talata 11 Oktobra 2016 rehefa milentika masoandro, izany hoe 24 ora araka ny andininy faha 32 ihany ka ao anatin’io andro fanavotana sy fifadian-kanina io no hitondrantsika ny helontsika sy ny firenentsika mba ho voavela.

- Levitikosy 23/33 – Andro firavoravoana fitoerana @ TRANO RATSAN-KAZO mandritra ny hafitoana na 7 andro manomboka ny andro faha-15 @ volana faha-7 izany hoe ny 16 Oktobra 2016 ka hatr@ 22 Oktobra 2016. Raha ny fitandremanay ny fitoerana an-trano ratsan-kazo hatramin’izay moa araka ny baikon’ny FANAHY KADOSH dia tena misitaka kely ny trano mahazatra mihitsy ka manangana TRANO RATSAN-KAZO fa tsy trano lay akory (Tante) dia mitoetra any 7 andro sy 6 alina mifaly, miravoravo, mangata-bavaka sy ny sisa…

Mety tampoka be amintsika angamba izany hoe miala @ tokatrano ka hitoetra 7 andro anaty TRANO RATSAN-KAZO, hanapaka asa, fianarana, sns… Tara anefa ny manamafy fa Lalàna MANDRAKIZAY ho antsika HEBREO io ry MALAGASY. Noho izany dia hampidirintsika miaraka an-TRANO RATSAN-KAZO ny Firenentsika, izay indrindra no mahafa ity taona ara-panahy vaovao 5777 ity araka ny nambara teo aloha ka izao sy izao no hitondratsika an’i MADAGASIKARA hitoetra ao anaty TRANO RATSAN-KAZO mba hanaraka sy hankatoa TORAH : (Manasa anao hamaky ny Zakaria 14/16 – 19 aloha mba ho fanazavana fanampiny).
Manaova saritanin’i MADAGASIKARA (Carte de Madagascar) isaky ny tokatranon’ny MALAGASY, vao mainka tsara raha samy manana saritany isam-batan’olona ary, Tsarovy ny firenenao ao anatin’io hafitoana io (16 Oktobra – 23 Oktobra 2016) ka ento am-bavaka isan’andro ao anatin’ny vavaka ataonao sy ny ankohonanao dia asandrato amin’ny tànanao y saritany MADAGASIKARA ka angataho fahafahana @ ELOHIM, azonao averina foana izany isaky ny mahatsiaro ny firenentsika ianao, ny hany aza atao fotsiny dia ny manadino re. Tiana anefa ny manamarika fa tsara foana raha ataonao izay hifandraisanao tsara @ ELOHIM sy IESHUA izany hoe mangataka famelan-keloka ny tenanao sy ny ankohonanao aloha izay vao mitondra am-bavaka ny firenena mba hahaomby ny vavaka ataonao.
N.B : TANDREMO fa Lalàna MANDRAKIZAY ny IOM KIPOUR sy ny fitoerana an-TRANO RATSAN-KAZO, vakio Levitikosy 23/29-30-31.
Fanapahan-kevitra isam-batan’olona no ilaina, marihina fa tsy fiokoana na resaka politika raha manao izao hetsika ara-panahy sy ara-pinoana izao fa fitarainana (@ ELOHIM) mba hanarenana indray ny firenena. Tadidio tsara fa hisaina ho FAHAMARINANAO ny fanarahana didy sy fitsipika anankiray. Ny fiasan’ny fivavaky ny Marina no mahery indrindra.

11 Oktobra 2016 : Andro fanavotana na IOM KIPOUR (Fampahorian-tena, fifadian-kanina)
16 Oktobra 2016 – 22 Oktobra 2016 : FITOERANA AN-TRANO RATSAN-KAZO na HAG SOUKOT.

Raha tampoka aminao ny fidirana @ fifadian-kanina manomboka izao hariva milentika masoandro dia azonao atomboka rahampitso maraina ka mifarana rehefa milentika ny masoandro.

Mbola hitohy !

Azo hifandraisana
Fanomezantsoa STViha : 034 31 933 27/ 034 03 750 77
novalian'i STViha ny 30/10/2016 19:27
2. endriny ( 13/10/2016 13:28)
Ny hebreo ange tsy mandefa hafatra amin'ny tenim-pirenena hafa ho an'ny Hebreo e, fa tsy maintsy amin'ny teny hebreo ihany. Sao dia diso pejy aza ianao?
3. lolo110255 ( 13/10/2016 15:42)
ary tena mba tafatsofoka ao kosa ange izany ilay "daty 14 oktobra" nahazahoana ny ...sata repoblikana e , fa saingy fety tahakan'ny valalan'amboho izy io amin'izao fotoana izao ka na ny tompony aza tsy tia
izany ry reto ka lanona , indrindra teo anoloan'ny lapan'ny tanàna (fony izy mbola tsy may) : hira an-dapihazo , arendrina , tsikonina ...kanefa dia tsy nahala izahay hoe fetin'ny Malagasy-Hebreo koa izy ity (mbola tsy nisy ny Malagasy nitsangana ho Hebreo tamin'izany fotoana ; tsy nisy afatsy Malagasy tsotra fotsiny tamin'izany )
4. endriny ( 14/10/2016 05:51)
Trano bozaka ry STViha fa tsy misy hazo maniry any amin'ny tanihay a
5. booboo ( 14/10/2016 14:04)
https://fr.news.yahoo.com/la-parodie-d%C3%A9cal%C3%A9e-du-c%C3%A9l%C3%A8bre-181031929.html

Hahahahaha. Atsy an-drefan-trano (FB) misy ilay hirahira hatr@ farany. Ny Atr'i n'ny Jiosy koa ve tsy manana sens de l'humour fa toa tena ni-choqué ny ankamaroan'ireo jiosy efa antitra² ilay izy.
( manana recette n'ilay pkaïla sy boulou citronnade ao @ io hira io ve STViha ? :-D :-D )
6. stahtam ( 20/10/2016 07:03)

[quote=STViha]
1- Levitikosy 23/26-32 Ny andro fanavotana na : Andro famotsoran-keloka izy io ho an’ny HEBREO. Tsy afaka ny hanao na inona na inona mantsy na hangata-javatra @ ELOHIM raha tsy voavelan’i IESHUA heloka, ka sitrak’i ELOHIM sy IESHUA angamba raha hiaraka isika MALAGASY hangataka famelan-keloka ho an’ny tenantsika tsirairay sy ho an’ny ankohonantsika aloha izay vao ho an’ny FIRENENA MALAGASY.
2- Manaova saritanin’i MADAGASIKARA (Carte de Madagascar) isaky ny tokatranon’ny MALAGASY, vao mainka tsara raha samy manana saritany isam-batan’olona ary, Tsarovy ny firenenao ao anatin’io hafitoana io (16 Oktobra – 23 Oktobra 2016) ka ento am-bavaka isan’andro ao anatin’ny vavaka ataonao sy ny ankohonanao dia asandrato amin’ny tànanao y saritany MADAGASIKARA ka angataho fahafahana @ ELOHIM.
3- N.B : TANDREMO fa Lalàna MANDRAKIZAY ny sy ny fitoerana an--KAZO, vakio Levitikosy 23/29-30-31.
4- Ny fiasan’ny fivavaky ny Marina no mahery indrindra.

[quote=stahtam]
1- Iza no mpisorona mitondra ny fangatahanareo mankany @ mpisoronabe? Izao ataonareo izao dia fomba kristiana entina hisolokiana olona fotsiny satria manaonao foana
2- Nanao sarintanin'i Israel ve ny Hebreo t@ izany fotoana izany?
3- Tsy ireo ihany no versets milaza ny andro firavoravoana noho izany zavatra tsy manara-penitra no ataonareo
4- Marina @ inona àry?
7. STViha ( 30/10/2016 19:27)

stahtam:


[quote=STViha]
1- Levitikosy 23/26-32 Ny andro fanavotana na : Andro famotsoran-keloka izy io ho an’ny HEBREO. Tsy afaka ny hanao na inona na inona mantsy na hangata-javatra @ ELOHIM raha tsy voavelan’i IESHUA heloka, ka sitrak’i ELOHIM sy IESHUA angamba raha hiaraka isika MALAGASY hangataka famelan-keloka ho an’ny tenantsika tsirairay sy ho an’ny ankohonantsika aloha izay vao ho an’ny FIRENENA MALAGASY.
2- Manaova saritanin’i MADAGASIKARA (Carte de Madagascar) isaky ny tokatranon’ny MALAGASY, vao mainka tsara raha samy manana saritany isam-batan’olona ary, Tsarovy ny firenenao ao anatin’io hafitoana io (16 Oktobra – 23 Oktobra 2016) ka ento am-bavaka isan’andro ao anatin’ny vavaka ataonao sy ny ankohonanao dia asandrato amin’ny tànanao y saritany MADAGASIKARA ka angataho fahafahana @ ELOHIM.
3- N.B : TANDREMO fa Lalàna MANDRAKIZAY ny sy ny fitoerana an--KAZO, vakio Levitikosy 23/29-30-31.
4- Ny fiasan’ny fivavaky ny Marina no mahery indrindra.

[quote=stahtam]
1- Iza no mpisorona mitondra ny fangatahanareo mankany @ mpisoronabe? Izao ataonareo izao dia fomba kristiana entina hisolokiana olona fotsiny satria manaonao foana
2- Nanao sarintanin'i Israel ve ny Hebreo t@ izany fotoana izany?
3- Tsy ireo ihany no versets milaza ny andro firavoravoana noho izany zavatra tsy manara-penitra no ataonareo
4- Marina @ inona àry?
Stahtam ah, andron'ny mpisoronabe anga isika izao? vakio ny Matio 5/17 Izy ara miteny fa hanantanteraka koa inona no ataotao foana? hihihihi
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4093