Tsy mila mpanao politika i Soamahamanina

1. rabaradaka ( 04/08/2016 11:52)
Miangavy anareo mpanao politika mpiady seza sy mpiatsara velatsihy tsy hiditra na hitsabaka amin'ny raharahan'ny Soamahamanina. Azafady indrindra tompoko, aleo ianareo tsy miresaka ny momba ny olana manjo anay.
Vitanay io ary na dia ho faty eo daholo aza izahay dia tsy hangina sy tsy hanaiky izahay.
Miala any ianareo mpanao politika ary roahina tsy hahavita izay hataonareo any satria ianareo no tena rangory fototry ny afo.
Misaotra mahatsiaro tena fa raha mboka hiziriziry hitsabaka ianaoareo dia mahatantesa ozona sy valifaty
novalian'i angouz ny 23/09/2016 17:38
2. romi16 ( 28/08/2016 18:55)
Marina ny anao sady saika izy ireo ilay efa nitondra no manao io fihetsika io! nefa izy ireo iany no nivarotra ny tany!
3. endriny ( 21/09/2016 05:43)
Fiainana kapitalista izao ry namana isany a, izay tompon'ny vola no tompon'ny fahefana, sa hiverina sosialista indray isika?

Ary na aiza na aiza eto ambonin'ny tany dia fanjakana no mpanapaka farany ny fampiasana ny tany fa tsy ny olona mipetraka eo aminy akory. Zon'ny olona ny mampiasa ny tany mba hivelomany, saingy raha misy soritrasa ahazoana tombontsoa kokoa amin'ny fampiasana ny tany dia azo sandaina ny zon'ny mpampiasa teo aloha.

Ary eo amin'ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany dia ny mpampiasa ny tany dia sandain-jo mba ahafahana mitrandraka ireo akora ao ambanin'ny tany ireo. Eo amin'ny sehatry ny fihariana dia izay fihariana manome vokatra haingana sy mahafapo no omena laharam-pahamehana.

Ka aza dia mora rebireben'ny olona amin'ny zavatra tsy mitombina loatra re rey olona a. Tsy hoe depiote sy monseniera no manentana dia iny tokoa fa mientanentana amin'ny zavatra tsy mitondra vokatsoa akory.

Lavaka an'aliny no eo atsimon'ny Soamahamanina itrandrahan'ny mpihavy Malagasy toa ahy volamena ny ankamaroany. Ary ny olona eo Soamahamanina aza matahotra tsy mahasahy mijery ireo toerana ireo akory noho ny fampihorohoroana mianjady aminy. Dia ahoana moa no hoe ny olona ao Soamahamanina indray no hanohitra ny fidiran'ny orin'asa eo aminy mba ialana amin'ny fitaintaina isan-kalina?

Asa moa ry zareo fa izaho avy eny Ambohimahavony angamba ka tsy mahatakatra ny Iavoambony a
4. ravatorano ( 23/09/2016 07:19)
deraiko tanteraka ilay olona any amin'ny firaisankinanay za koa tsy mankatoa sy tsy manakatia loatra ny fidiran ny mpisera politika any fa mandoto rano rah ry zareo irery mponina tany anie no nisalahy irery an io tsisy mpanao politika mety nilefitra rafanaja fa vao nidiran dry "mahay sy mahavoa" dia niova tanteraka ny fandehan javatra hany ka lasa reglement de compte hatrany amin ny haino aman jery olo tsotra mpitondra teo aloha ankehitriny
manahhirana mihitsy le polifika eto antanana e
5. angouz ( 23/09/2016 17:38)
Ie marina tokoa aloha fa ny tolona ohtr'ireny dia tokony ny mponina ihany no miseho eo fa tsy tokony ilaina manipulation mediatique otrireny fa ny tena marina dia tokony ovaina amin'izay ny fomba fiady e ! ny gasy manko zadratsy anio hoe za ange misy lambosina mantajak e ! na hoe za zandrin'ny anina na iroa de jouén'olona fona ka hany ka ataony hampitombo ny reputationy dia lasa tohatra fikarana fona
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0903