69 taona lasa izay... tsy avelako ho kaon'ny riaka ny ran'ireo Malagasy novonoina tamin'izany

1. endriny ( 29/03/2016 14:52)
Na dia ezahina kosehina eo amin'ny tantara aza, ary na ezahina fafana eo imason'ny Malagasy ankehitrio, dia tsy menatra aho ny mahatsiaro ireo Malagasy Ray aman-dReny, Tantsaha sy Olomanga nampiara-dia hanafaka an'i Madagasikara tsy ho eo ambany vahohon'ny frantsay mpanjanaka.

Nahafoy ny ainy ireo, koa dia tsaroako mandrakariva fa raha tsy ireo tsy nisy izany Madagasikara ankehitrio izany.

Maro ny mpanakivy hoe: "Ka hitondra amin'inona moa ny fahatsiarovana atao?"

Dia hoy aho hoe: "Raha tsy hainao ny niandohanao, Inona no hamaritanao ny ho avinao? Ny an-dry zareo atao dridrangilo isan'andro sy isam-bolana ny ady lehibe I sy II.

Masina ny taniko
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7513