NY ZAVATRA IAINAN’NY ANKAMOROAN’NY OLONA

1. Maranatha ( 05/12/2014 07:14)
«Raha ohatra isika mahafantatra marina ny amin’ilay iraka nampanaovina an’i Kristy teto ambonin’ny tany sy ny amin’ny asa izay ataontsika , dia tsy ho kivy mihitsy isika satria vitsy an’isa . Rehefa nanontaniana i Kristy ny amin’ny hoe , vitsy ve ny olona ho vonjena ? Dia izao manaraka izao no navaliny . “ Midira amin’ny vavahady éty ianareo , fa lehibe ny vavahady , ary malalaka ny làlana izay mankany amin’ny fahaverezana , ka maro ny miditra any . Ary amin’izao dia omena ny antony . Fa éty ny vavahady , ary tery ny làlana izay mankany amin’ny fiainana , ka vitsy no mahita azy .» Historical Sketches of the Foreign Mission of the Seventh day Adventiste p 232 TSINDRIO ETO HANARAHINAO NY TOHINY
novalian'i kakalahy ny 06/12/2014 19:02
2. booboo ( 05/12/2014 08:31)
( tena tsy voaviky hatr@ farany ilay izy fa mankarary maso be ilay couleur jaunejaune, ilay roserose tsy hita tsara ).
3. rekinbelo ( 05/12/2014 08:40)
firy moa namana no mahafantatra sy mahalala ny iraka nampanaovin' i Kristy eto an-tany? vitsy dia vitsy, maro no tsy mahalala fa hoe ny fitoriana ny fanjakan'Andriamanitra izay hany vahaolana ho antsika olombelona sy ho An'Andriamanitra Ray izay tena zava-dehibe ary DIDY nomeny Jesosy ho antsika olombelona, koa firy @ olombelona @ izao fotoana izao no mba manao izany, ny sasany mino fa manao fahagagana sy fanasitranana sns.... dia hoe ao aminy i Kristy. Ny sasany mitory fa afaka manome vahaolna ara-bola sy ny mety ho fahasahiranana rehetra misy ao an-tokantrano nefa dia fisandohana sy fanagona-bola fotsiny no ataony.
Mampalahelo ny mijery ny toe-javatra kanefa araka ny voalazany Kristy hoe vitsy no miditra @ vavahady ety dia izay tokoa no zava-misy.
Ny tena ilana fantarin'ny olona rehetra aloha dia hoe Inona ilay fanjankan'Andrimanitra ary inona no asany sy ny zavatra efa nataony sy mbola ataony hoantsika olombelona, ary iza no ho tafiditra sy ahazo io fanjakana io. Izay aloha no tena laharam-pamehana ra te ahalala isika hoe iza no tafiditra ao @ vavahdy ety.
Misaotra namana @ tafatafa>
4. kakalahy ( 06/12/2014 19:02)

Maranatha:

«Raha ohatra isika mahafantatra marina ny amin’ilay iraka nampanaovina an’i Kristy teto ambonin’ny tany sy ny amin’ny asa izay ataontsika , dia tsy ho kivy mihitsy isika satria vitsy an’isa . Rehefa nanontaniana i Kristy ny amin’ny hoe , vitsy ve ny olona ho vonjena ? Dia izao manaraka izao no navaliny . “ Midira amin’ny vavahady éty ianareo , fa lehibe ny vavahady , ary malalaka ny làlana izay mankany amin’ny fahaverezana , ka maro ny miditra any . Ary amin’izao dia omena ny antony . Fa éty ny vavahady , ary tery ny làlana izay mankany amin’ny fiainana , ka vitsy no mahita azy .» Historical Sketches of the Foreign Mission of the Seventh day Adventiste p 232 TSINDRIO ETO HANARAHINAO NY TOHINY


Misy betsaka angaha no kivy?... Aza adino fa efa voasoratra iahny koa ny hoe "maro no antsoina fa vitsy no ho vonjena..."
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1524