NY FAMAIZANA AN’I BABYLONA SY NY FIPETRAKY NY TOE-DRAHARAHA ETO AMBONIN’NY TANY

1. Maranatha ( 07/11/2014 05:53)
Indro Jehovah mahafoana ny tany ka mahalao azy . Ary mampihohoka azy ka manely izay mponina ao aminy . Hatao foana dia foana ny tany . Ary ho baboina dia ho baboina tokoa izy . Fa Jehovah no efa niteny . Ary ny tany dia efa voavetavetan’ny mponina ao aminy . Satria nadika ny lalàna sy nanota ny didy izy . Ary nivadika ny fanekena mandrakizay . Ary noho izany dia ozona no mandevona ny tany . Ary ny mponina ao dia valiana noho ny helony . Sady voadotra ny mponina amin’ny tany . Ka dia olona vitsy foana no sisa ao . Isaia 24 : 1 , 3 , 5 , 6 ARAHO ATO NY TOHINY
novalian'i booboo ny 19/11/2014 17:51
2. endriny ( 07/11/2014 10:48)
Dia ahoana indray izany ilay ireo fifanekana natao tamin'i Noah fa tsy handrava ny tany intsony Atra mandrapahatongan'ny faharavana lehibe, dia ny fara andro?
3. RBNIR ( 10/11/2014 08:28)
Faly miarahaba an-tsika rehetra indray?
IZA ARY ILAY BABYLONA?

Samia ho tahin'ny Tompo namana,
4. rhaj0 ( 10/11/2014 11:56)
RBNIR:
IZA ARY ILAY BABYLONA?

I Babylona taloha, dia ny tananan'i Hillah ankehitrio (jerijereo google), izay ao IRAQ.

Toa @ sahala @ eraky Iraq, dia ao no mifampitady ny Sunni, ny Shiite, ny pro-Sadam sns... Fa h@ izao aloha, dia toa mbola tsy azon'ny ISIS i Hillah..

Atahorana mafy mihintsy izao, fa raha miitatra ireo ISIS ireo (hatrany Babylona ohatra) ka lasa tena matanjaka ao Iraq ao, dia raharahabe manaraka ny arabe ho an'izao tontolo izao, satria ilay ISIS dia mafy loha mitovy revy an'i Ben Laden, ka raha lasa "Etat" mazana (be vola @ petrole) zareo ireo, dia miomana @ ady saritaka.. Zareo ireo mantsy dia @ ilay revy hoe, rahefa tsy mitovy revy aminy, dia aripaka, ary mino izy, fa "God willing" izany.


izay aloha ny fahazoako "ny toe-draharaha eto ambonin'ny tany"


Fa kosa, ny prophetes ao @ baiboly dia nahita lavitra... ka ho anareo mahay azy, ho azon'i ISIS ve i Babylona, na Hillah, sa tsia ?

5. rekinbelo ( 10/11/2014 12:57)
salama namana
le Babylona ao @ apokalipsy ve no resahana sa le babylona taloha tao irak ee
tsy mitovy mantsy ireo ary samihafa mitsy ny fifandraisany @ faminaniana>

6. RBNIR ( 10/11/2014 13:04)
rhaj0:

RBNIR:
IZA ARY ILAY BABYLONA?

I Babylona taloha, dia ny tananan'i Hillah ankehitrio (jerijereo google), izay ao IRAQ.

Toa @ sahala @ eraky Iraq, dia ao no mifampitady ny Sunni, ny Shiite, ny pro-Sadam sns... Fa h@ izao aloha, dia toa mbola tsy azon'ny ISIS i Hillah..

Atahorana mafy mihintsy izao, fa raha miitatra ireo ISIS ireo (hatrany Babylona ohatra) ka lasa tena matanjaka ao Iraq ao, dia raharahabe manaraka ny arabe ho an'izao tontolo izao, satria ilay ISIS dia mafy loha mitovy revy an'i Ben Laden, ka raha lasa "Etat" mazana (be vola @ petrole) zareo ireo, dia miomana @ ady saritaka.. Zareo ireo mantsy dia @ ilay revy hoe, rahefa tsy mitovy revy aminy, dia aripaka, ary mino izy, fa "God willing" izany.


izay aloha ny fahazoako "ny toe-draharaha eto ambonin'ny tany"


Fa kosa, ny prophetes ao @ baiboly dia nahita lavitra... ka ho anareo mahay azy, ho azon'i ISIS ve i Babylona, na Hillah, sa tsia ?

Efa manakaiky ny marina namana,
Izao ny faminaniana ny amin'i Babylona,
« Ary nisy iray koa, dia anjely faharoa, nanaraka ka nanao hoe: Rava! rava Babylona lehibe! izay nampisotro ny firenena rehetra ny divain'ny fahatezerana noho ny fijangajangany. » (Apok.14:8)

Izay fa raha sitrapon'Andriamanitra holazain-tsika ihany hoe iza moa ilay Babylona lehibe,

Samia ho tahin'ny Tompo namana,
7. rhaj0 ( 10/11/2014 13:22)
Raha mitsiritsirika @ google na wikipedia ianao, dia ahita fa iray ihany ireo, tananan'i Babylon ao @ Baiboly, sy Hillah ao @ provansin'ny Babylon ao Iraq, ary koa ny hiran'i Boney M, "By The Rivers of Babylon".

Fa ny an'ny prophetes indray, dia, tsy haiko, na ilay tanana no tiany lazaina, na misy vondron'olona na hotr'izany no ataony "parabole". Satria ny @ "fijangajangana", dia tena tsy hitako hoe, inona no nataon'ireo Irakiana.. Sunni, Shiite, pro-Sadam, pro-Iranian... toa samy "mpivavaka be" daholo ihany zareo, ary samy mino fa ny ataony, izay mifanipaka, dia "God willing" daholo (vao omaly aho nahita fandaharana @ TV aty momba ny Iraq sy ISIS ets..)
8. booboo ( 19/11/2014 17:51)
Ilay hoe mandevona ny tany sy ho voadotra daholo ny olona afa-tsy vitsy kely = attaque chimique ? bactériologique ? hou hou hou...

] ---- >
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2986