Nanoratra teto aho hoe ho avy ny fotoana hahafeno ny fepetra hirodanan'io gouvernement io, ankehitriny feno tanteraka ny fepetra. Raha tsy manova gouvernement ao anatin'ny fotoana fohy (15 à 30 andro) i Hery Filoha mamimbahoaka sady mpitety tany dia ny fitondrany mihitsy no hirodana. Ny fepetra dia ireto :
- Mpampianatra FRAM nampiesonina ary misy ambadika politika ao miaraka amin'ny FRAM,
- ny any Majunga, mbola tsy milamina ny université ary mety hipoaka mafy io amin'ny resaka silamo sy gasy,
- ny JIRAMA , tena mananotanona ny fahatezeran'ny vahoaka mikasika ny jior tapaka lava,
- Air Mad, misy grand dossier mikasika an'i Hery sy ny HVM any mikasika an'io orinasa tiany ho fallite io,
- Ravalomanana tsy afaka mody, soa ihany fa efa tsisy force koa ny ekipany
- farany ny fiakaran'ny vidim-piainana, efa tsy zaka intsony.
Raha ny resaka mandeha mba henonay aty ambanivohitra aty dia mety ho vehivavy ny PM eo, ho ratsy anefa izay satria tsy hisy vehivavy hahazaka an'io izany. Misy anarana efa mandehandeha any ary dia vehivavy tokoa