Mikononkonana zavatra i Hery Rajaonarimampianina sy ny Vatican

1. mangana ( 28/06/2014 11:21)
Fa dia inona loatra no any Vatican no toa dodona be ery izato filoham-pirenena voafidim-bahoaka sady mamy hoditra no tena tian'ny vahoaka malagasy ?
Sa ve hanome vola be an'i Madagasikara ny Vatican ? Ny tena anton-diany any raha ny resaka mandeha dia hiangavy an'ny Pape François fa i Monsenera Benjamin Marc Ramaroson, Arsevekan'Antsiranana no hatao CARDINAL fa tsy Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona.
Ireo eveka roa ireo moa dia efa mibaribary hitam-poko hitam-pirenena ny ady amin'izy ireo. I Mgr Benjamin Marc Ramaroson dia niady mafy nampiditra an'i Kolo Roger ho PM ary dia anjaran'i Hery indray no miady mafy haha-Cardinal an'i Mgr Benjamin Marc Ramaroson.
Tena raharaha maloto ange izany e ! Tena ratsy loha ity Hery Rajaonarimampianina ity raha izao vaovao ampitaina izao, tokony hitrotra ny katolika, eny fa na dia ny kristiana rehetra aza.
2. hery ( 28/06/2014 12:44)
Izany ve tsy resaky ny mpisotro eny amoron-dalana :-)
Aleo mba source marimarina no alaina
3. mpisotrtoaka ( 30/06/2014 10:18)
aleo mandinika fa ts mihinanana amambolony sao hanimba ny fiainam-panahy a
4. rabaradaka ( 03/07/2014 17:02)
O ry dadatoa Hery a, tena source sure ilay lazain'i dadatoa rabaradaka satria efa misy resaka maro mandeha hatramin'ny février 2014 lasa teo mikasika izany. I Mgr Odon en personne koa efa niresaka an'io tamin'ireo taizany sy olona akaiky azy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2643