HVM sa Fitondrana ?

1. rabaradaka ( 12/06/2014 11:00)
Vao mainka manamafy ny zavatra voalazako teto aho hoe iza no mitondra an'ity Madagasikara ity ny Mpitondra (Filoha, Governemanat, Députés) sa ny Hery Vaovaon'i Madagasikara (HVM) ? Mibaribary mantsy raha ny fitsidihina sy ny dia nataon'ingahy Hery tany ivelany fa dia ny HVM no mitondra, tena mazava tsara, jereo ireo mpiara-dia aminy fa ireo birao politikan'ny HVM daholo efa volam-bahoaka no nandehanana tany ange ! Ary averiko indray fa mampanahy ahy ity hoe Filohan'ny HVM no Ministre d'Etat izay mametraka ny tenany ho Filoham-pirenena faharoa mihitsy. Asio fanazavana ity fa mampanahy ary raha izao no mitohy dia tsy hateza io fitondrana io ary tsy haharitra koa ny hiarahany amin'ny mpamatsy vola vahiny. Veloma tompoko
novalian'i Gasiaho ny 20/06/2014 15:06
2. Gasiaho ( 20/06/2014 15:06)
Fahasalama ho anao Rabaradaka.
Tena marina tokoa ireo lazainao ireo .Amiko normal raha mpikambana ao @HVM daholo ny hitanao tamin'izany dia tany ivelany izany.
Hitondra mpanohatra an'ady ve?.
Fa maninona no tsy hateza io fitondrana io.
Aoka re fa ohatran'ny manantsafa ianao. Any USA rehefa Filoha Républicain no mitondra dia Républicain daholo no mpikambana ao @ fitondrana, torak'izany koa rehefa Démocrate. Jereo Angleterre-France sy ny sisa.
Io fananganana gouvernement sadasada io foana no tsy mampandroso antsika. Izay mitovy hevitra sy mitovy fijery aminao no tokony hiaraka aminao.
Misaotra betsaka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2591