Ny tanora sy ny fivavahana

1. Langoro318 ( 12/05/2014 07:13)
Fa nahoana ho'aho ny tanora izay mivavaka amin'ireny fiangonana zokiny ireny no vitsy no tena resy lahatry ny fnoany ka manana an'i Jesosy marina e? Matetika mantsy ianao rehefa mahita tanora vontompinoana dia avy amin'ireny fiangonana zandriny ireny foana; Ny mety ho antony?
2. toriteny ( 12/05/2014 07:21)
Tsy voatery ho fiangonana zandriny kah. Ko fa anga any amin'ny fiangonana zandriny ihany no misy Jesosy? Tsisy voavonjy anie izany ny ao amin'ny fiangonana zokiny raha izany e. Satria izay mandray ny Tompo ho Tompo sy Mpanompo ny fiainany ihany ka mandray batisa ny Fanahy MAsina no voavonjy.

Za zao lazaiko aminao fa mivavaka amin'ny fiangonana zokiny lazainao nefa za efa nandray ny Tompo eo amin'ny fiainako.
3. mamonjy1 ( 12/05/2014 08:31)
Tsotra fotsiny ny mahatonga izany eee, tsy ny hoe mivavaka tsy tapaka no ho voavonjy,fa izay

manatantera ny sitrapony Ray.ka matetika ny fiangonana sasany izay milaza azy ho

lehibe,manamaivana ny lalan'andriamanitra ka soloiny ny zavatra voalaza @baiboly.soloiny zay mahafinaritra azy,fa iny no mamandrika azy avy evy eo.
Milaza izy aveo hoe efa nadray an'ny jesosy aho.Kanefa na dia nandray vatany tompo aza ianao de tsy raisiny Tompo,Raha tsy manao ny sitrapony Rainy Izay any Andanitra.
Tsy izay milaza hoe tompoko,tompoko,no hiditra @fanjakany lanitra,fa izay mahafoy be no amoizana be.
Amidio ary ny fananao fa omeo ny mahantra fa hanana rakitra lehibe any andanitra ianao.
Izany hoe mahafoiza tena ho An'Andriamanitra.Ny fanana tiany ho lazaina dia ny vatanao.Aza tia tena intsony.Ny mahantra @Andriamanitra dia ireo manankarena ankehitriny.
zany hoe Amidio @manankarena ny tenanao,manetre tena hianao hamonjy azy,hitory vaovao mahafany @mba tsy hahantra izy.
Kanefa ny mpitondra fiangonana ankehitriny no tena mahantra,satria mifaly @rakitra sy ampahafolony ihany,ka afeniny @vahoaka ny fahamarinana arabaiboly,mba hifaliany nofony.
Izany indrindra no nilazany Tompo hoe:"lozanareo mpanoradalana sy fariseo ankehitriny,fa ianareo de tahaka ny fasana voalalotra fotsy ivelany ,nefa ny ao anatiny feno ny taolany maty sy fiereny zavatra maloto rehetra amboniny tany"matio23:27"(Ampitahao @ apokalipsy 18:2"
Lozanareo mpanoradalana sy fariseo fa arindrinareo @olona ny fanjakan'Andriamanitra,ianareo tsy miditra ary izay miditra sakananareo"matio23:13"
Tsara ho anao ary ny mandinitena aloha,mba handinihan'Andriamanitra anao.
fa manakaiky foana ny andro.
Amena.


4. toriteny ( 12/05/2014 09:26)

[quote=mamonjy1]
Milaza izy aveo hoe efa nadray an'ny jesosy aho.Kanefa na dia nandray vatany tompo aza ianao de tsy raisiny Tompo,Raha tsy manao ny sitrapony Rainy Izay any Andanitra."

dia ahoana izany ilay jiolahy niova fo teo ankavanan'Andriamanitra? Nahavita sitrapon'Andriamanitra ve izy quelques heures niantonany teo ka nahafahan'i Jesosy nilaza hoe Lio 23:43:" Dia hoy Jesosy taminy : Lazaiko aminao marina tokoa : Anio no hihaonanao amiko any Paradisa ."?

Mazava ny voalaza ao amin'ny Mar16:16:"Izay mino sy atao batisa no hovonjena ; fa izay tsy mety mino no hohelohina ."

Fa na nahatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra aza ianao rehefa tsy mino an'i Jesosy tsy voavonnjy. Asa 13:36:"Fa Davida , rehefa nahatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra hahasoa ny olona niara-belona taminy , dia nodimandry ka nangonina ho any amin'ny razany izy ary tratry ny lo ;"

Tsy ny sitrapon'Andriamanitra no mahavonjy fa vonjena amin'ny alalan'i ràn'i Jesosy ianao vao manao sitrapon'Andriamanitra. Olona efa voavonjy no manao ny sitrapon'Andriamanitra fa tsy sitrapon'Andriamanitra akory no hamonjena. Azonao ny mahasamihafa azy? Ka na dia amin'ny ora iray tsy hialanao ety an-tany aza ianao vao mandray ny Tompo dia voavonjy ianao na dia tsy nahatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra aza.

Ny sitrapon'Andriamanitra izany no fiainan'ny olona efa voavonjy fa tsy manao ny sitrapon'olona intsony, hitaorizana ny olona man,dra-pihavin'ny Tompo na ny fahafatesana

5. mamonjy1 ( 12/05/2014 11:29)
Efa zany foana hoa ny mahavoa anao ry toriteny,faly ny hitoriteny anao,sady miseho ho manohitra foana fa tsy mba hihavana akory.
za nga nilaza taminao fa hoe,tsy mino jesosy,nefa izy ny tompontsika sy mpamonjy.
Ary ekeko ny teniny,sy mazava amiko.
Izay mino sy atao batisa no voavonjy,Ary araka ny voasoratra koa hoe:misy ny voalohany no ho farany,ny farany no ho voalohany.Mazava anie ny soratra masina,fa tsy mila azavaina akory eee.
Na dia mino sy atao batisa,nefa minia manota avy eo de tsy voavonjy @zany anao namana.
FA mila tazominao mafy ny satroboninahitrao,@zay tsy azony devoly.
Mino aho fa tsy vita batisa akory ilay,jiolahy,fa teny nolazainy farany no nitsarana azy.
Ary lesona lehibe io,ka zay iafaranao no itsarana anao.
Na dia vita batisa,sy nino nefa nivadika de any anao zay,fa na dia namono olona 100 nefa tonga saina ka niverina @tompo de hoan'ny tompo.
Tsy porcentage ny ratsy vitanao,na tsara vitanao no itsarana anao.Fa zavatra nataonao dernier moment.
Aoka tsy hamorona zavatra tsy sainiko akory ianao,
Fa te hihavana aho fa tsy te hirafy @olona.
Ary azo atao foana ny manaraka ny sitrapony jehova,sy ny asany,dia ny finoana an'jesosy mpanjaka.Andao isika hihavana toriteny an..,fa zany no tiako,hifampahery isika indrindra@zao fotoantsarotra izao.
voninatra any @avo indrindra,ary fiadanana ety amboniny tany hoany olona ankasitrahina.
Amen.
6. Tefigasy ( 12/05/2014 11:40)
lasa mandroso mihemotra toa fozaorana ilay fizotran'ilay fizarana. Misy olona miteny hevitra iray dia misy manohitra dia avy eo ndray arovoravona ilay hevitra de mandroso de miverina de ...... Maninona izao raha mba mijoro tsara rehefa maneho hevitra fa tsy vao misy mandona kely de lasa mivily lalana haingana, na farafaharatsiny mba mandinika tsara aloha alohan'ny hitenenana sy hilazana fa manjary lasa mivilana B e, Tsy hita intsony hoe milaza inona ary ty olona ty izany fa toa manondro miankavia izy teo de izao sahady de mandeha miankavanana !
7. bor2lais ( 12/05/2014 12:39)
Tefigasy:

lasa mandroso mihemotra toa fozaorana ilay fizotran'ilay fizarana.

:-)
8. ombelline ( 12/05/2014 14:26)
Langoro318:

Fa nahoana ho'aho ny tanora izay mivavaka amin'ireny fiangonana zokiny ireny no vitsy no tena resy lahatry ny fnoany ka manana an'i Jesosy marina e? Matetika mantsy ianao rehefa mahita tanora vontompinoana dia avy amin'ireny fiangonana zandriny ireny foana; Ny mety ho antony?


Manapa-tsinay koa ilay fanodikodinana ilay tiana ambara an !
9. Maranatha ( 13/05/2014 10:59)

Langoro318:

Fa nahoana ho'aho ny tanora izay mivavaka amin'ireny fiangonana zokiny ireny no vitsy no tena resy lahatry ny fnoany ka manana an'i Jesosy marina e? Matetika mantsy ianao rehefa mahita tanora vontompinoana dia avy amin'ireny fiangonana zandriny ireny foana; Ny mety ho antony?

Tsotra be no anton' izany ry Langoro318. Ny any efa haingo fotsiny sisa izany hatao hoe mihiiditra am-piangonana. Mba hilazana fa izy ireo koa dia kristiana. Vakio anie ity toko sy andininy ity dia ho gaga hianao Isaia 4:1 Ary amin'izany andro izany dia hisy vehivavy fito hihazona lehilahy iray ka hanao hoe: Ny haninay ihany no hohaninay, ary ny lambanay ihany no hotafinay; Fa izao ihany no angatahinay: Aoka hotononina amin'ny anaranao izahay, Ka afaho tondromaso . Azonao ve ny hevitr'io teny io . Ny lehilahy midika hoe i Kristy, ny vehivavy midika hoe fiangonana (I Kor 11:2 Fa fahasaro-piaro araka an'Ny Avo-indrindra no mahasaro-piaro ahy aminareo; fa nataoko fofombadin'ny lehilahy iray ianareo, mba hatolotra tahaka ny virijina madio ho an'i Kristy.)
ny hanina dia izay toko sy andininy maharesy lahatra azy ao anaty soratra masinano hampiharina fa raha vao misy mikitika ny fiainany dia tsy hampiasaina, ny fitafiana dia ny toetrany ihany no toetrany ( ny mpitondra fivavahana manao politika, miaramihinanna sy misotro @ mpimamo sns...)fa izao no mba tiany hoe mba hatao koa hoe Kristiana ry zareo.
Hena-maso no tena hidirana ampiangonana, na koa hoe ny ray aman-dreniny no nanangana ilay fiangonana dia lazainy fa fiangonan-drazany io.
Tsy tsikaritrao ve na ny fomba fitafy aza mahamenatra. toa lasa filatroana ao ampiangonana .Manoatra noho ny mpivaro-tena mankany @ asany. Tsy mahateny izany intsony ireo mpitondra fivavahana fa zarany aza misy ho jereny. Raha tety ambonin'ny tany ve i jesoa tsy noroahiny tao antempoly tao ireny toy ny nanaovany ireo mpivarotra Matio 21:12 Ary Jesosy niditra teo an-kianjan'ny tempolin'Ny Avo-indrindra, dia nandroaka izay rehetra nivarotra sy nividy teo an-kianjan'ny tempoly ka nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny fipetrahan'ny mpivarotra ny voromailala;13 dia hoy Izy taminy: Efa voasoratra hoe: Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana (Isa. lvi. 7); fa ianareo kosa manao azy ho zohy fieren'ny jiolahy (Jer. 7. 11).
10. vahiny2004 ( 13/05/2014 12:04)
Maranatha:


Tsotra be no anton' izany ry Langoro318. Ny any efa haingo fotsiny sisa izany hatao hoe mihiiditra am-piangonana. Mba hilazana fa izy ireo koa dia kristiana.



Inona koa ary ity mitsaratsara olona ity e ! Mankaleo be :-(
11. rhaj0 ( 13/05/2014 13:23)
Raha ny tanora aty Amerika avaratra indray no tianao ho fantatra (tsara ho fantatra io fa mety ho toa izay ny fandehan'ny fivoarana; ary raha ny fahazoako azy akoriny aza, ny any Eoropa vao mainka mazana koakoa) dia... "lasa ny tanora".

Izao moa nilaza natetika teto hoe, ny beantitra sy ny mpihavy sisa no mankany am-piangonana hitako aty, na koa hoe, mitombo andro aman'alina ny (miha) tsy-mpino ... Fa raha ny @ tanora manokana, dia jereo ohatra eto :
65% no "lasa", na azoko lazaina,hoe 35% (sisa) no mbola ao... ary hoe :
"... the vast majority of 18-to-29-year-olds are “really more spiritual than religious."..

Marihiko fa pejy "kristianina" io notondroiko io (fa raha pejy tsy kristiana no avoaka eto dia vao mainka ho masiaka).

Ka dia inona izany ilay "spiritual", dia inona ilay "religious"...
12. vahiny2004 ( 13/05/2014 15:07)
rhaj0:


Ka dia inona izany ilay "spiritual", dia inona ilay "religious"...



Somary hors sujet ianao raha miohatra @ sujet initial fa ampiako ihany ianao hamaly ity fanontanianao ity : spirituel relatif à l'esprit - réligieux : relatif à la religion .
13. rhaj0 ( 13/05/2014 16:56)
mety tsy hors-sujet aho kah..

mety izay indrindra.. Ny tanora gasy koa dia TSY religieux, ka hoe "vontom-pinoana" dia manaraka ara-baki-teny sy miraikitra mamikitra mafy ao @ religion sy ny fiangonana ao.. (ireo tratran'ny fiangonana zandriny no tafaraikitra ao fa... tratrany)

satria anie ny tanora, sahala @ tanora rehetra, dia efa mahatakatra ity internet sy ny ny fahalalana (savoir) ary fahalalahana (liberte)... hafa (isika) zokiny, mbola tafakatona tanatin'ny fiaraha-monina tao dia tsy mahita sy mahatakatra zavatra hafa ka dia (tsy dia misy safidy) manaraka ilay fombafomba (religion) ara-baki-teny ao...

ka dia spirituel indray izany ny lamaody e... Dia inona anefa ilay "spirituel" ?
14. Maranatha ( 14/05/2014 05:53)

vahiny2004:

Maranatha:


Tsotra be no anton' izany ry Langoro318. Ny any efa haingo fotsiny sisa izany hatao hoe mihiiditra am-piangonana. Mba hilazana fa izy ireo koa dia kristiana.


Inona koa ary ity mitsaratsara olona ity e ! Mankaleo be :-(


Mahatsiaro ho voakitikitika angaha i vahiny2004, mila miova anefa isika raha te ho voavonjy. Ny hatao hoe kristiana mantsy tsy manao izay tiany fa manao izay tian'ny Tompony (Kristy). Izay no mahatonga ahy hiteny hoe tsy moramora akory izany hoe Kristiana (mpanaradia an'i Kristy). Izany no mahatonga ireo fiangonan-dehibe mivaona satria raha vao miteniteny eo ny mpitondra fivavahana dia miala ny mpino, very eo ny Busines, dia aleo mangina rehefa manatitra rakitra ny olona isaky ny alahady dia omena fampaherezana tsotsotra ao dia mahery ny olona dia @ alahady indray manatitra rakitra misimisy.
Indrisy!
15. vahiny2004 ( 14/05/2014 07:09)
Maranatha:


Mahatsiaro ho voakitikitika angaha i vahiny2004, mila miova anefa isika raha te ho voavonjy. Ny hatao hoe kristiana mantsy tsy manao izay tiany fa manao izay tian'ny Tompony (Kristy). Izay no mahatonga ahy hiteny hoe tsy moramora akory izany hoe Kristiana (mpanaradia an'i Kristy). Izany no mahatonga ireo fiangonan-dehibe mivaona satria raha vao miteniteny eo ny mpitondra fivavahana dia miala ny mpino, very eo ny Busines, dia aleo mangina rehefa manatitra rakitra ny olona isaky ny alahady dia omena fampaherezana tsotsotra ao dia mahery ny olona dia @ alahady indray manatitra rakitra misimisy.
Indrisy!


Tsy anjaranao velively ny mitsara na Kristiana ny olona iray na tsia , na eo @ lafiny inona na eo @ lafiny inona

16. vahiny2004 ( 14/05/2014 07:12)
rhaj0:

mety tsy hors-sujet aho kah..

mety izay indrindra.. Ny tanora gasy koa dia TSY religieux, ka hoe "vontom-pinoana" dia manaraka ara-baki-teny sy miraikitra mamikitra mafy ao @ religion sy ny fiangonana ao.. (ireo tratran'ny fiangonana zandriny no tafaraikitra ao fa... tratrany)

satria anie ny tanora, sahala @ tanora rehetra, dia efa mahatakatra ity internet sy ny ny fahalalana (savoir) ary fahalalahana (liberte)... hafa (isika) zokiny, mbola tafakatona tanatin'ny fiaraha-monina tao dia tsy mahita sy mahatakatra zavatra hafa ka dia (tsy dia misy safidy) manaraka ilay fombafomba (religion) ara-baki-teny ao...

ka dia spirituel indray izany ny lamaody e... Dia inona anefa ilay "spirituel" ?


Tsy miaraka ao anatin'ilay sobika-nao ao @ ilay hafa (isika) zokiny aho ka :-D
17. rhaj0 ( 14/05/2014 12:50)
... tsara rahefa fantatrao ny misy anao (na ny tokony ataonao) kah...

Fa tiako ho fantatra hoe aiza ho aiza ianao izany raha miolotra @ ireo tanora izay ... "lasa"..

Hoy aho teo hoe ny antitra sy ny mpihavy sisa no hita any ampiangonana. Nanatrika fampisehoana choral aho in-1 mandeha, ary tena izay tropy miseho dia tena ... beantitra (sisa) no mijoro.. Hotry ny nifaninanana hoe iza no manana antitra indrindra : 85 taona ilehio ary tena mbola mibesobeso tsara..

Eto indray izao dia voatsipika fa ny (zanaka) mpihavy fa tanora dia "lasa" koa... Dia inona izany raha tsy ny beantitra, sy ny mpihavy beantitra sisa no mifamosibosika ao...


Raha ny fijeriko manokana azy, dia ny Papa Fransoa dia mahatakatra tsara io zava-misy io : TSY manintona olona intsony, indrindra ny tanora, ny Finoana; "lasa ny olona". Mino aho fa ny tompon'andraikitra katolika koa dia mahita ary mahatsapa tsara izany, ary izany, raha ny fahitako azy, no nisafidianany an'i Fransoa ho Papa, satria izy io dia toa mahasahy, ary efa hita fa nahavita, mivoaka sy mihoatran'ny... afindrafindraon'ny ... antitra (toa an'i Benoa). Mila miova kabary zareo raha te-hanintona hamerina ny olona... Raha manarakaraka ny Papa Fransoa ianareo, dia mahita fa misy (fampianarana) hafa noho ny taloha foana arosony.. Dia mihomehy mora fotsiny ny mpijery (izaho anisany) rahefa mikorapaka ny beantitra manodidina ao Vatican ao, mitady hanitsy (mi-spin) ny resaka...
18. rhaj0 ( 15/05/2014 17:27)
Miresaka an'ny Papa Fransoa. Dia ho ataony batisa hono raha misy avy any @ planeta Marsa tonga eto an-tany (jereo ohatra eto).. na koa in-1 mandeha, hoe ho ameny kominio ilay ramatoa nisaram-panambadiana sa inona izy teo. (i Hery izao maha-araka tsara an'ireo).

Fa ny @ Marsiana, dia hoe... ahoana.. raisina ara-baki-teny ve ... dia hoe "Martians should be embraced as equals" hoz'izy.. dia ahoana izany ny @ "zanak'olombelona" (araka ny Sariny) sy ny zanaka-marsiana.. .ahoana ny niforonan'ny lanitra sy ny Tany ary Marsa...

Sa raisina ara-kisarisary, araka ny spin ataon'ny mpi-spin, ka hoe ny tiana lazaina dia ... midanadana ny varavaran'ny katolika ka mandray izay hafa rehetra tsy mitovy aminy ?
19. Langoro318 ( 19/05/2014 12:38)
Voalohany, faly aho aloha satria avy amin'ny Fiangonana ara-tantara (zokiny) toa ahy ianao. Zavatra tsikaritro ao amin'ny Fiangonana misy ahy manko no nanontaniako. Aminay manko dia tena saika lany tamingana angaha ny olona tena mandray ny Tompo marina: manaiky atao batisa izy ireo, mirotsaka ary manao fanekena ho mpiray latabatra Aminy saingy indrisy, mitovy amin'izao tontolo izao ihany. Soa ihany fa tsy avelan'ny Tompo ho voahosihosy ny hasin'ny Fiangonany satria tiany izy ka avotany: misy ny atao hoe "Fifohazana" ao aminay dia miaraka amin'ireo olona ireo, izay beantitra ny ankamaroany ianao vao tena mahita aim-panahy. DERAINA NY TOMPO.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0458