Manangana ny efa rava ela.

1. Maranatha ( 20/03/2014 11:56)
Isaia 58:12 Ary izay taranakao no hanangana ny efa rava ela, ary ny naorina hatry ny fony fahagola no hamboarinao; ary ianao dia hatao hoe mpamboatra ny rava, mpamelon-dalana honenana amin'ny tany. .

Eto no betsaka ny mahasamihafa ireo izay milaza ny tenany fa sabatista. Izany hoe ireo izay milaza fa mitandrina ny didin'i Tsitoha.

Ny ankamaroan'ireo Sabatiste dia mbola taraiky ao amin'ny lalàn'i Mosesy. izany hoe mbola manao ireo tandindona na mampifangaro ny tandindona sy ny zavatra efa notanterahan'i Kristy.

Ohatra: Mitandrina ny Paska @ 14 jour nissan, mbola manao pentecote 50 jour aorian'ny paska , mbola mipetraka @ trano ratsakazo @ volana faha fito sns....

Ny lalàn'i Kristy no tokony ho tandremana sy tanterahina izay fahatanterahan'i lalàn'i Mosesy.
ohatra: PAska tsy ondry intsony no hatao fanatitra fa efa I kristy (miova manaraka izay daholo ny zavatra rehetra eny h@ andro aza lasa I kor 11: 26) sns....

Ny andro fanavotana izany izao tsy ilay fahafolon'ny volana fahafito intsony fa efa nanomboka t@ fahataperan'ny 2300 andro ka mandram-pilazan'i Kristy indray hoe VITA ao amin'ny efitra masina indrindra ao andanitra. Rehefa mivoaka avy ao amin'ny efitra masina indrindra ny Mpisoronabe.

Ny DIDIN'I TSITOHA KOSA ANEFA TSY MIOVA. satria tsy lalàn'i Mosesy io fa an'i Tsitoha (Izy no nanoratra io. Izy no nanome an'i Mosesy an'io mba ho tandremana. Na ny toeran'io aza dia nasainy natao ao anaty ny fiaran'ny fanekena ny lalàn'i Mosesy kosa teo ivelany sns...)

Izay no nametrahana ilay Apok 14:12 Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Ny Avo-indrindra sy ny finoana an'i Jesosy.


novalian'i Maranatha ny 03/04/2014 10:48
2. bor2lais ( 20/03/2014 15:45)
Maranatha:

Manangana ny efa rava ela

Io izany ilay atao hoe "marche-arrière" a ! :-)
Maranatha:

Ny sarin'ny Bibidia = Ireo protestanta nihemotra

:-)
3. Manyahk ( 21/03/2014 06:00)
Amen
4. Maranatha ( 21/03/2014 07:07)

bor2lais:

Maranatha:

Manangana ny efa rava ela

Io izany ilay atao hoe "marche-arrière" a ! :-)
Maranatha:

Ny sarin'ny Bibidia = Ireo protestanta nihemotra

:-)


Ny Tsitoha r'ise tsy miova omaly sy anio ary ho mandrakizay a. Tsy manao marche arriere araka ny fijerin'ise Izy fa mahafantatra tsara ny hataony.
5. bor2lais ( 21/03/2014 08:49)
Mba vakio tsara kosa ny soratako aloha e I :-)

Raha tsy azonao ny tiako ampitaina dia ianao Maranatha no lazaiko eto hoe manao "marche arrière" fa tsy Izy akory ! :-)
6. moustaraf ( 01/04/2014 18:50)
salama namana,
izany veno "manangana ny rava ela aminareo?"tsy aleo ve atao hoe mandrava ny rava ela "
ny apostoly nanao paska,
ary tamin'ny fotoany,
nitandrina ny sabata,,nifady biby maloto, nanao andro firavoravoana, sns....TSy MIOVA Ny Torah Any an-danitra sy ety an-tany.


Any an-danitra misy sabata,misy paska,misy volana12,sn... mazava be ireo fa aza avadibadika ny fahamarinana.

Isika no pempo tsy mahalala ninoninona ka mamorona izao hevi-dravina rehetra zao!
7. Maranatha ( 03/04/2014 10:48)

moustaraf:

salama namana,
izany veno "manangana ny rava ela aminareo?"tsy aleo ve atao hoe mandrava ny rava ela "
ny apostoly nanao paska,
ary tamin'ny fotoany,
nitandrina ny sabata,,nifady biby maloto, nanao andro firavoravoana, sns....TSy MIOVA Ny Torah Any an-danitra sy ety an-tany.


Any an-danitra misy sabata,misy paska,misy volana12,sn... mazava be ireo fa aza avadibadika ny fahamarinana.

Isika no pempo tsy mahalala ninoninona ka mamorona izao hevi-dravina rehetra zao!

Mety ho pempo tokoa.
Ny tsy fahafantarana ny lalàn'i Messia no mahatonga ny olona sasany mifikitra @ tandindona.
Ny Messia no fahatanterahan'ireo aloka rehetra ireo. Ny olana tamin'ireo mitana ny fanaon'ny jiosy efa tara be izy ireo vao nety nino fa hay tokoa i Yessoah no Mesia.
Jaona 19:30 Ary rehefa nanandrana ny vinaingitra Jesosy, dia nanao hoe: Vita; dia nanondrika ny lohany Izy ka nanolotra ny fanahiny.
Matio 27: 51 Ary, indro, ny efitra lamba tao amin'ny tempoly dia triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany; dia nihorohoro ny tany, ka nitresaka ny vatolampy.
Midika io fa foana hatreo ireo tandindona rehetra fanao. 1)Naninona no tsy nisy maty ireo mpisorona sy ireo vahoaka izay nahita ny tao @ efitra masina indrindra tamin'io fotoana io. 2) latsaka teny antanan'ny mpisorona ny antsy izay saika hamonoana ilay ondry, ary ilay ondry lasa nitsoaka.3) tapitra t@ namonoana an'i Stefana ny 70 herinandro natokana ho an'i Jiosy (Daniela 9:24)
Paska=Fandraisana ny fanasan'i Tompo (tsy voatery @ 14 jour nissan intsony)
Pantekosta= Filatsahan'ny fanahy masina (tsy azo ferana ho ny 50 andro aorian'ny paska )
Fitsofana trompetra=Filazana ny hafatra ny fiavian'i Messia
Andro fanavotana=Fitsarana any andanitra (tsy ny 10jour de 7 mois intsony)
Andro fitoerana @ trano ratsakazo= Fitsoahan'ireo mitandrina ny didin'i Tsitoha miala @ tanan-dehibe mankany amin'ny toerana izay tsy ho azon'ny mpanenjika
Andro fijinjana= Fiavian'ny Messia eny @ rahon'ny lanitra
Ny didin'ny Tsitoha kosa tsy miova mihintsy
Sabata= Sabotsy ihany fa miaraka @ Messiah mandritra ny sabata. Izay atao rehetra dia atao @ anaran'i Messia.
Izay atao izany dia tsy maintsy misy ny fanelanelananan'ny Messia avokoa.

Andro fanavotana (andro fitsarana) isika izao: Koa satria fihoriana dia mila mamaky ity hianao Isaia 22:12-14 : 12 Ary amin'izany andro izany Tsitoha , Tompon'ny maro, Hiantso fitomaniana sy fioriana sy fiharatana ary fisikinana lamba fisaonana.13 Kanjo he izato hafaliana sy halavoravoana! Sy famonoana omby sy ondry aman'osy ary fihinanan-kena sy fisotroan-divay! Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty.14 Dia nambaran'i Tsitoha , Tompon'ny maro, teo an-tsofiko izao: Tsy havela mihitsy ambara-pahafatinareo izao helokareo izao, hoy Tsitoha , Tompon'ny maro.

Mitsahatra ny hena, ny fisotroan-divay sy toaka, ny firavoravoana sns.... Hianareo indray ve hoa no hampianarina izany???
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4746