Tsy Maintsy Manohy Tetezamita Hery Rajao

1. hery ( 23/01/2014 14:02)
Dia i Hery Rajaonarimampianina izany no lasa filoham-pirenena ara-dalàna amin'izao Repoblika faha-4 izao. Marihina fotsiny hoe ny atsasaky ny Malagasy no tsy nifidy, ary mbola atsasaky ny Malagasy ihany noa no tsy nandàny izany Repoblika faha-4 izany. Tamin'ireo nifidy dia nolazaina fa nahazo 54% i Hery R. ary betsaka ireo nilaza hoe nangala-bato izy. Izany hoe raha tena be indrindra dia 25%-n'ny Malagasy no nifidy azy. Fa tsy maninona izany, aoka fotsiny tsy hisy hitaraina :-)



Tsy tokony hitaraina tokoa satria efa tara loatra ihany izany nefa hita sahady fa ho betsaka ny diso fanantenana. Hita sahady tokoa fa tsy maintsy ho fanohizana ny fanonganam-panjakana sy ny tetezamita niainana nandritra ny 4 taona no hitohy. Tsy afa-miala amin'izany mihitsy i Hery Rajao. satria niray petsapetsa tamin'izy ireo tao. Tsy afaka handà ireo mpitaky valisoa isan-karazany izy. Hanomboka hatramin'ny miaramila izany, izay tsy maintsy hampatsiahy ny nanaovany an-dRavalo. Indrindra fa ireo miaramila izay mbola mifandray tendro tanteraka amin'i Rajoelina.

Tsy afaka ny hisambotra ireo izay nangalatra sy nanodikodina harem-pirenena tamin'ny tetezamita izy satria efa mazava izao ny fomba fanao. Mora ny manakipaka filoha rehefa misy ny vola... ary mora koa ny mametraka filoham-pirenena vaovao rehefa misy ny vola.

Tsy afaka hiala amin'ireo mpanam-bola sy be afera Malagasy sy Karana izy na dia hampitombo ny harenany amin'ny fambotriana ny Malagasy aza no hataon'ireo satria afaka manapaka ny rambony koa ireo mpanambola ireo.

Tsy ho hery vaovao mihitsy izany i Hery Rajao. Niankin-doha tanteraka tamin'ny mpamatsy sy mpanosika azy izy ka tsy maintsy mamerim-pitia ho azy ireo raha tsy izany dia hiala na halàna mora foana eo amin'ny fitondràna.

Izay no mety ho nahatsara ny olona tsy notohanan'ny mpanan-karena, mpanam-pahefana sy mpanana basy, mba hahafahana mipetraka ho filoham-pirenena mahaleo tena tokoa.
novalian'i ombelline ny 27/01/2014 08:15
2. andrywui ( 23/01/2014 14:17)
Mbola sao de ...sao de .... Sy angamba daholo ireo an'i Hery ireo !!!
Analyse nao ireo fa tsisy réel !!! .....
Efa nisy betsaka nalefanao otranizao fahiny , marobe mihitsy fa de nitsifotra daholo !!

Noho izany de mipetraka ho anganonganom-baviantitra daholo izany rehetra izany fa ny zavamisy marina no analysé tsika sy iainana alou zao .....azafady !!
3. andrywui ( 23/01/2014 14:31)
Samy manana ny analyse tsika isika à
Enao manao analyse NEGATIF
Zaho manao ny anah POSITIF

Fa samy tsisy vrai ny analyse fa tombotomboka sy eritreritra fotsiny !!!

Raha anaovana analyse fopfopla eto kou zao ny fahotana mahafaty vitan'i dada de tsy ho omby ity takelaka ity ,,satria ankoatra ny halatra de mbola miainga eo kou ny resaka osilahy mainty , saka fito , besakana imerikasinina sns ....
4. ombelline ( 24/01/2014 07:37)
mba ento hoe izatsy analyse n'i andrywui handinihan-tsika azy ;)
5. andrywui ( 24/01/2014 08:47)

ombelline:

mba ento hoe izatsy analyse n'i andrywui handinihan-tsika azy ;)


Ka tsisy ilana azy le analyse fa eritreritro fotsiny oe mety ho.izao io mety ho izao io satria i Hery nanao anzao de mety hanannn zany i Ravalo de i Rajoelina mety ho izao ,,,TSY MAMPANDROSO MINTSY OA fa otran'ireny.anganonganombaviantitra fanaon'i bebe ireny ihany .

Aleo tena izay hita maso sy efa niseho no resahana , azonao ve ny tiko tenenn eee ???
6. ronaldo09 ( 27/01/2014 07:27)
Marina io ry Anrywui a!
7. ombelline ( 27/01/2014 08:15)
andrywui:


ombelline:

mba ento hoe izatsy analyse n'i andrywui handinihan-tsika azy ;)


Ka tsisy ilana azy le analyse fa eritreritro fotsiny oe mety ho.izao io mety ho izao io satria i Hery nanao anzao de mety hanannn zany i Ravalo de i Rajoelina mety ho izao ,,,TSY MAMPANDROSO MINTSY OA fa otran'ireny.anganonganombaviantitra fanaon'i bebe ireny ihany .

Aleo tena izay hita maso sy efa niseho no resahana , azonao ve ny tiko tenenn eee ???


Izany zavatra tsy misy analyse izany aloha dia miankina @ kisendrasendra e , sa Yamina Bengugui no manao analyse ho anareo :-)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3002