INONA NO HEVITRY RY BETSIMITENY ? ( la majorité silencieuse )

1. 100tinl ( 23/12/2013 09:05)

Ny antsasaky ny mpifidy voasoratra anarana no TSY NANDEHA NIFIDY satria misy hafatra tiany ampitaina amin'io fahalainana mifidy io toy ny hoe : mankaleo azy ireo roalahy nanao ny fiodinana faharoa (ary mankaleo azy koa ireo roalahy ao an-damosin'ireo kandidà) , mety eo koa ny tsy fahazoana antoka ny fomba fiasan'ny CENI-T , betsaka ny antony fa samy afaka milaza izay mahay milaza...
Ny tiako ho lazaina fotsiny dia indraindray ODIAN-TSY HITA ny herin'ireo Betsimiteny ireo , raha mpandala ny Teny malagasy ianao dia ho tsaroanao fa ny hevitry ny hoe "FIODINANA" ange araky ny voalazan'ny Rakibolana Malagasy nosoratan'i Régis RAJEMISA-RAOILISON dia hoe : " fikomiana, tsy fanekena fahefana".
Ireo BETSIMITENY tsy nandeha nifidy izany ve dia niodina sy nikomy ka nahatratra 50% eo ho eo ? Dia tsy henoina ny feony satria tsy miteny izy ? Sa tonga amin'ilay fanadrohadroana hoe : "Misy mihaino ? "
2. mirananirina ( 29/12/2013 11:48)
Marina tokoa izany, mankaleo satria efa teo ihany ireo no tsy nahavita sy nampanantena tsy misy ary nahatonga ny crise!! Izaho manokana ny 1e tour dia tsy naka a? ireto mihitsy fa olona vaovao mbola tsy re teo @ fitondrana fa bon tsy lany izy. Izay moa no safidin ny Malagasy dia ekena! Amin ny maha Malagasy ny tena dia tsy maintsy misafidy ny 1 @ ireto dia naleoko naka Hery satria io hitako mahavoa kokoa noho i Jean Louis. Tsy rarahako izay Rajoelina na Ravalo any fa mitovy tsy misy valaka ireo, ary valifaty valifaty hatrany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1078