Advento

1. bor2lais ( 26/11/2013 08:07)
Tonga indray ity ny fotoana fiatombohan'ny taom-piangonana (ho an'izay manaraka izany) ka indro averiko eto ny famaritana nentin'ny namana "Mandefitra" momba izany ! :-)

Mandefitra:

Ny advento dia alahady efatra ao anatin’ny taom-piangonana izay manamarika ny fiantombohan’ny taom-piangonana. Alohan’ny Krismasy izy ary manarakaraka ny alahady faha-25 manaraka ny Trinite. Taom-baovao-piangonana no ilazana ny alahady voalohan’ny Advento.

Ny hoe « Advento » dia avy amin’ny teny latinina « adventus » izay midika “fiaviana”; Ato amin’ny Fiangonana Loterana Malagasy dia fe-potoana anamarihana ny fiandrasana ny fahaterahan’I Jesosy amin’ny Krisimasy izy io. Ny loko voloparasy no loko litorjika ampiasaina mandritra an’io fe-potoana io.

Ny voloparasy manamarika ny fibebahana, ny fifadian-kanina no sady loko entina itsenana mpanjaka. Ampiasaina mandritra ny fotoana alohan’ny Pasaka sy ny herinandro masina koa ny loko litorjika voloparasy.

Maneho indrindra ny fifandraisan’ny fahaterahana sy ny fahafatesan’i Kristy Jesosy tokoa ny fifanojoana ny loko litorjika. Mpanjaka teraka hivesatra ny fahotan’izao tontolo izao Izy. Maty teo amin’ny hazofijaliana ho fanatitra noho ny otantsika. Ary nitsangana indray nandresy ny herin’ny ota ary nandresy ny herin’ny fahafatesana.

Izany dia fanantenana lehibe ho antsika mpanota izay mila mibebaka sy mifady ny ota mba ho fitsenanana ny fomonjentsika izay ao amin’I Kristy Jesosy.

Ny Advento dia fotoana fahatsiarovana ny fihavian’i Jesosy voalohany ary fotoana fampahatsiahivana fa mbola hiverina tokoa izy hitsara ny velona sy ny maty.

Ialan-tsiny amin'i "Mandefitra" amin'ny fanaovana "copier/coller" ! :-)
novalian'i bor2lais ny 19/12/2013 16:28
2. Nehemiah ( 26/11/2013 14:12)

ny fotoana alohan’ny Pasaka

O_O !
3. bor2lais ( 26/11/2013 15:13)
"6.Teraka ny fifaliana,
Tonga ny Filazantsara,
Andron’ny fitomaniana
:,: Mody ho Pasaka tsara :,:"
Hira 133 (Fihirana FFPM)
:-)
4. vahiny2004 ( 03/12/2013 14:35)
Nehemiah:


ny fotoana alohan’ny Pasaka

O_O !


Izao izany ilay atao hoe mitsimpona !
5. Nehemiah ( 04/12/2013 05:24)
:-)
6. bor2lais ( 19/12/2013 16:28)
Aorian'ny alahady faha-4 amin'ny advento dia tonga ny Krismasy ! :-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1299