Ireo Fepetra maha Mpaminany avy amin'ny Tsitoha

1. Maranatha ( 25/07/2013 09:49)
Efa hitan-tsika amin'ny lohahevitra izay nataon'i Tefigasy ery ambany ny mpaminany sandoka
Fa ndeha ho hapetraki-tsika indray ary ny tena mpaminany avy amin'ny Tsitoha izany hoe izay tena nirahiny. Ny Tsitoha mantsy dia tsy maintsy mampandre mialoha ny mpaminany raha misy zavatra hataony amin’ny olony Amosa 3:7 Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin'ny mpaminany mpanompony.
Ary ihany koa raha tsy misy mpaminany izay hitari-dalana azy ireo dia ho very lalana izy ireo Hosea 12:14 Mpaminany no nentin'i Jehovah nitondra ny Isiraely nivoaka avy tany Egypta, ary mpaminany koa no nentina NIAHY azy,

Izany no tsy maintsy hisian’ny mpaminany mandram-pihavin’i Messiah, hoy ny Tsitroha : Deo 18: 15 Mpaminany avy eo aminao, dia avy amin'ny rahalahinao, tahaka ahy, no hatsangan'i Jehovah Andriamanitrao ho anao; izy no hohenoinareo. ka raha misy olona te hanontany an’i Tsitoha ny amin’ny zavatra izay ho avy dia manantona ny mpaminany I Sam 9:9 (Fahiny teo amin'ny Isiraely, raha nisy olona nandeha hanontany amin'Andriamanitra, dia izao no fanaony: Andeha, aoka hankany amin'ny mpahita isika; fa izay atao hoe mpaminany ankehitriny no natao hoe mpahita tany aloha.).

Eo indrindra no tsy maintsy hijerevana tsara ny fepetra (criteur) ny mpaminany iray satria atao ahoana tokoa ny fahafantatra na avy amin’ny tsitoha na tsia ilay mpaminany : Deo 18: 21 Ary raha hoy ianao anakampo: Hataontsika ahoana no fahafantatra ny teny izay tsy nolazain'i Jehovah?

Fepetra 1- I jaona 4:1 Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin'Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin'izao tontolo izao. - 2 Izao no ahafantaranareo ny Fanahin'Andriamanitra: Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin'ny nofo Jesosy Kristy no avy amin'Andriamanitra; . Manaiky fa efa tonga nofo ny Messiah

Fepetra 2- Isaia 8 :20 Ho amin'ny lalàna sy ny teni-vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy, Dia olona izay tsy hiposahan'ny fahazavan'ny maraina. Tsy mantsy miteny araka ny lalàna

Fepetra 3- Apôk 10: 11 Ary nisy nilaza tamiko hoe: Tsy maintsy maminany indray ianao ny amin'ny olona maro sy ny firenena maro sy ny fiteny maro ary ny mpanjaka maro. Tsy maintsy maneran-tany ny hafatra hentiny

Fepetra 4- Deo 18: 21 22 Raha miteny amin'ny anaran'i Jehovah ny mpaminany, ka tsy efa ny zavatra, na tsy tanteraka, dia teny izay tsy nolazain'i Jehovah izany: tamin'ny fahasahisahiana no nilazan'ny mpaminany izany, koa aza matahotra azy. Tsy maintsy tanteraka ny zavatra lazainy.

Fepetra 5 - Rom 16:26 fa efa naseho ankehitriny tamin'izay soratry ny mpaminany, araka ny didin'Andriamanitra mandrakizay, ka nampahafantarina any amin'ny firenena rehetra hahatonga fanekena ny finoana, Voarakitra an-tsoratra sy mahatonga ho fanekem-pinoana.

Fepetra 6- - Nom 24:16 Izay mandre ny tenin'Andriamanitra sady mahalala ny fahalalan'ny Avo Indrindra, izay mahita fahitana avy amin'ny Tsitoha, torana, kanefa voahiratra ny masony: Torana ilay olona anefa mihiratra sy mijery ny masony mandray ireo hafatra avy amin’ny Tsitoha.

Fepetra tsy tokony hanarahana ilay mpaminany
Fepetra 1-- Deo 13: 2 Raha tahìny misy mpaminany na mpanonofy eo aminareo izay milaza famantarana na fahagagana aminao 3 sady manao hoe: ANDEHA ISIKA HANARAKA ANDRIAMANI-KAFA (izay tsy fantatrao), ka aoka hanompo azy isika, na dia tanteraka aza ny famantarana na fahagagana izay nolazainy taminao, 4 dia aza mihaino ny tenin'izany mpaminany na mpanonofy izany Na hitarika anao hanao politikan’ny tany na hitarika anao hiady sns... Tsy azo harahina io fa isan'ireo mpaminany sandoka

Mahaiza ary manavaka tsara satria maro tokoa ny milaza ankehitriny fa mpaminany na hoe nisehoan'i Mpamonjy. Dia azo atao tsara ny mi-critique azy amin'ireo critique ireo
novalian'i bor2lais ny 01/08/2013 13:08
2. bor2lais ( 25/07/2013 11:40)
Amiko indray dia ady amin'ny rain'ny lainga izy ity ! :-)

Tsy ny fepetra apetraka akory no aharesy azy, satria hainy koa ireo fepetra ireo ! Noho izany ny fiambenana ihany :

I jaona 4:1 "Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin'Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin'izao tontolo"
:-)
3. moustaraf ( 25/07/2013 12:22)
Salama namana,
Mino ve ianareo fa hahalala sy hahafantatra ny mpaminany sandoka @ herin-tsaina tsotra izao?
Ny fahalalana dia "an'izay nomena izany"
Ampahany @ baiboly ve no ahindraindra dia ampy ilazana fa mianbina andro aman'alina?
"Dinihonareo ny Torah, fa ao no milaza sy manambara ahy"
MAHEREZA DAHOLO
4. universal ( 25/07/2013 12:37)
miala tsiny fa mba haneho hevitra kely...

Mahavariana ny mamaky ny voalaza eto momban'ny "mpaminany"...tena izy ve sa mpisandoka?...

Mahavariana ny fahaizana mitanisa toko sy andininy ataontsika amin'izao fotoana izao, nefa na dia i Jesoa Kristy aza dia tsy nahatanisa toko sy andininy betsaka toa antsika izao fa hoy izy ao amin'ny Matthieu hoe: 24.23
Si quelqu'un vous dit alors: Le Christ est ici, ou: Il est là, ne le croyez pas.
24.24
Car il s'élèvera de faux Christs et de faux prophètes; ils feront de grands prodiges et des miracles, au point de séduire, s'il était possible, même les élus.
24.25
Voici, je vous l'ai annoncé d'avance.
24.26
Si donc on vous dit: Voici, il est dans le désert, n'y allez pas; voici, il est dans les chambres, ne le croyez pas.


Asa na izaho no tsy mahazo resaka na tsia ...

5. bor2lais ( 25/07/2013 12:52)
moustaraf:

Ampahany @ baiboly ve no ahindraindra dia ampy ilazana fa mianbina andro aman'alina?
"Dinihonareo ny Torah, fa ao no milaza sy manambara ahy"

Ny tenanao ve no tianao ambara eto ?
6. universal ( 26/07/2013 07:17)
miala tsiny fa mba haneho hevitra kely...

Mahavariana ny mamaky ny voalaza eto momban'ny "mpaminany"...tena izy ve sa mpisandoka?...

Mahavariana ny fahaizana mitanisa toko sy andininy ataontsika amin'izao fotoana izao, nefa na dia i Jesoa Kristy aza dia tsy nahatanisa toko sy andininy betsaka toa antsika izao fa hoy izy ao amin'ny Matthieu hoe: 24.23
Si quelqu'un vous dit alors: Le Christ est ici, ou: Il est là, ne le croyez pas.
24.24
Car il s'élèvera de faux Christs et de faux prophètes; ils feront de grands prodiges et des miracles, au point de séduire, s'il était possible, même les élus.
24.25
Voici, je vous l'ai annoncé d'avance.
24.26
Si donc on vous dit: Voici, il est dans le désert, n'y allez pas; voici, il est dans les chambres, ne le croyez pas.


Asa na izaho no tsy mahazo resaka na tsia ...
7. moustaraf ( 26/07/2013 08:08)
Ny fivavahana nomen'i Avo indrindra dia tsy nanomboka t@ "Yeshu'a na ny Apostoly" fa aoka tsy hodisoina ny marina!

1-Ilay fivavahana dia efa niantomboka hatramin'ny andron'i Adama;
dikany: Raha manao tsinontsinona ny Torah, sy ny bokin'ny mpaminany ianao, dia tsy hahalala mihitsy ny marina momba ny famonjena, ary tsy tokony mbola hitory mihitsy!
-Alaivo ohatra ny Apostoly e! Tohanana @ "tenin'ny Torah na ny mpaminany foana isaka ny mamoaka hevitra", imbetsaka izany fa tsy mba in-1 mandeha akory!

Ka isika aty aoriana be aty indray no milaza tena ho mahay noho i Yeshu'a sy ny Apostoly, ka ilaza sy hapianatra ny tena fahamarinana! saino ihany e!

2-Mila fitandremana ity toko tanisaina etsy ambony ity (satria diso ny dikan-teny)
I Sam 9:9 (Fahiny teo amin'ny Isiraely, raha nisy olona nandeha hanontany amin'Andriamanitra, dia izao no fanaony: Andeha, aoka hankany amin'ny mpahita isika; fa izay atao hoe mpaminany ankehitriny no natao hoe mpahita tany aloha.).
-Mampitandrina antsika ny Torah, fa fahavetavetana ny fanatonana mpahita, mpanandro, olona tsindrian-javatra, sns...
Ka aoka isika tsy hiroaroa saina @ dikan-teny nodisoina; fa Neviym no filazana ny mpaminany teo @ Habreo (fa tsy izany mpahita izany)

3- Aorian'Yeshu'a ve mbola misy mpaminany???
ZAKARIA 12:10 Ary haidiko amin' ny taranak' i Davida sy amin' ny mponina any Jerosalema ny fanahin' ny fahasoavana sy ny fifonana, ka hijery Ahy Ilay nolefoniny izy, ary hisaona Azy toy ny fisaonana zanakalahy tokana izy sady halahelo Azy toy ny fahalahelovan' ny olona ny lahimatoany.
Io faminaniana io dia manambara an'i Yeshu'a voavona
Aorianan'io dia izao no faminaniana:
ZAKARIA 13:2 "Ary izao no hiseho amin' izany andro izany, hoy Adonay Cévahot, hofoanako ny anaran-tsampy (Anarana ivavahana izay tsy izy) tsy ho amin' ny tany, ka tsy hotsarovana intsony ireny; ary hoesoriko amin' ny tany koa ny mpaminany sy ny fanahim-pahalotoana."
Valiny:
Aoriana ny fahatongavan'Yeshu'a dia "hofoanana @ tany ny mpaminany sy ny fanahim-pahalotoana"= TSY MISY MPAMINANY HO AVY INTSONY (satria ny mpaminany izay fidin'i El dia milaza lainga ny ampahany)
Ary raha misy mbola milaza ho mpaminany dia efa fantatsika ny faminaniana!
Raha tsy hoe misy hilaza indray "noforoniko ireo teny ireo"



8. voromailala ( 26/07/2013 08:28)
universal:

miala tsiny fa mba haneho hevitra kely...

Mahavariana ny mamaky ny voalaza eto momban'ny "mpaminany"...tena izy ve sa mpisandoka?...

Mahavariana ny fahaizana mitanisa toko sy andininy ataontsika amin'izao fotoana izao, nefa na dia i Jesoa Kristy aza dia tsy nahatanisa toko sy andininy betsaka toa antsika izao fa hoy izy ao amin'ny Matthieu hoe: 24.23
Si quelqu'un vous dit alors: Le Christ est ici, ou: Il est là, ne le croyez pas.
24.24
Car il s'élèvera de faux Christs et de faux prophètes; ils feront de grands prodiges et des miracles, au point de séduire, s'il était possible, même les élus.
24.25
Voici, je vous l'ai annoncé d'avance.
24.26
Si donc on vous dit: Voici, il est dans le désert, n'y allez pas; voici, il est dans les chambres, ne le croyez pas.


Asa na izaho no tsy mahazo resaka na tsia ...

Miombokevitra tanteraka amin'izay fijerinao izay aho.

Matetika eto lasa fifaninana fitanisana toko sy andininy amin'ny baiboly nefa i Jesoa matetika ny traikefa nihainany tamin'ny fiainany no nozarainy tamin'ny mpianany.

Tsy tokony hanao ohatra an'i Jesoa ve isika? Mizara ny traikefa nahasoa antsika tamin'ny fiainantsika amin'ny fanarahana ny fampianaran'i Jesoa?
9. Maranatha ( 29/07/2013 10:55)

bor2lais:

Amiko indray dia ady amin'ny rain'ny lainga izy ity ! :-)

Tsy ny fepetra apetraka akory no aharesy azy, satria hainy koa ireo fepetra ireo ! Noho izany ny fiambenana ihany :

I jaona 4:1 "Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin'Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin'izao tontolo"
:-)

Afa nahita karazana vola angamba i bor2lais. Ohatra vola malagasy ( Ireo Ariary), vola europeana (ny Euro), vola amerikana (ny Dolard) sns...
Mba hahafatarana fa ohatra hoe 10 000 Ar io vola io dia tsy maintsy mahalala ny tena momba io vola io hianao
ohatra: Misy sary lalana, misy sary omby ao anatiny, misy kofehy, misy ilay mamirapiratra iny sns..... Rehefa hamoaka vola vaovao ny banky foibe dia mampilaza ny olona rehetra ny momba io vola io havoakany io mba tsy hahavoafitaka ny olona sao misy manao sandoka.

Tsy misy hafa amin'izany ny mpaminany tsy maintsy lazaina ny momba ny tena fahafantarana ny mpaminany izay vao mety ho fantatrao ny mpaminany sandoka.

KA raha hoy hianao hoe miambina fotsiny dia hatao ahoana ny fanavaka azy???? Tsy maintsy fantatrao ny fepetra maha vola tena izy azy mba hahafahanao mahafantatra ny sandoka.
Voromailala:

Matetika eto lasa fifaninana fitanisana toko sy andininy amin'ny baiboly nefa i Jesoa matetika ny traikefa nihainany tamin'ny fiainany no nozarainy tamin'ny mpianany.

Tsy maintsy tanisainao ny toko sy andininy mba hilazanao fa tsy hevitrao no milaza izany fa hevitry ny Tsitoha.
Porofo: Vali-teny avy ao amin'ny soratra masina avokoa no navalin'i Mpamonjy raha nalain'ny Devoly fanahy izy.
Raha tsorina dia mila mahay soratra masina hianao ary mankatoa izay soratra masina hainao
MAhereza
10. universal ( 29/07/2013 11:52)
Araky ny voalazan'i Matthieu:


7.22
Plusieurs me diront en ce jour-là: Seigneur, Seigneur, n'avons-nous pas prophétisé par ton nom? n'avons-nous pas chassé des démons par ton nom? et n'avons-nous pas fait beaucoup de miracles par ton nom?
7.23
Alors je leur dirai ouvertement: Je ne vous ai jamais connus, retirez-vous de moi, vous qui commettez l'iniquité

Mazava ny voalazan'ny Kristy, ary nampitandrina antsika koa Izy amin'ny fiavin'ny mpaminany sandoka marobe...


11. bor2lais ( 29/07/2013 13:25)
maranatha > tsy resaka materialy tahaka ny vola ange izy ity fa resaka ara-panahy e ! :-)

Entre pa... , maranatha angaha isan'ny jury ao amin'ny vondron'ny mpaminany ? :-)
12. leva2 ( 31/07/2013 18:31)
Velona Jesosy!

Ny ahy ity no mba tadidiko e :
La loi et les prophètes ont subsisté jusqu’à Jean; depuis lors, le royaume de Dieu est annoncé, et chacun use de violence pour y entrer
. Luc 16/16.

Mirary soa!
13. endriny ( 01/08/2013 08:06)

bor2lais:

maranatha > tsy resaka materialy tahaka ny vola ange izy ity fa resaka ara-panahy e ! :-)

Entre pa... , maranatha angaha isan'ny jury ao amin'ny vondron'ny mpaminany ? :-)


Ahoana koa izany faminaniana ara-panahy izany?
14. bor2lais ( 01/08/2013 13:08)

endriny:


bor2lais:

maranatha > tsy resaka materialy tahaka ny vola ange izy ity fa resaka ara-panahy e ! :-)

Entre pa... , maranatha angaha isan'ny jury ao amin'ny vondron'ny mpaminany ? :-)


Ahoana koa izany faminaniana ara-panahy izany?

:-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1087